< Deotoronomia 31 >

1 Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin’ ny Isiraely rehetra
Moïse alla adresser ces paroles à tout Israël.
2 ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona androany aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io ianao.
Il leur dit: « J'ai aujourd'hui cent vingt ans. Je ne peux plus sortir et entrer. Yahvé m'a dit: Tu ne passeras pas ce Jourdain.
3 Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Yahvé, votre Dieu, passera lui-même devant vous. Il détruira ces nations devant toi, et tu les déposséderas. Josué passera devant toi, comme l'a dit l'Éternel.
4 Ary Jehovah hanao amin’ ireo tahaka ny nataony tamin’ i Sihona sy Oga, mpanjakan’ ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin’ ny taniny.
L'Éternel leur fera ce qu'il a fait à Sihon et à Og, les rois des Amoréens, et à leur pays, quand il les a détruits.
5 Dia hatolotr’ i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo.
Yahvé les livrera devant toi, et tu les traiteras selon tous les commandements que je t'ai donnés.
6 Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
Soyez forts et courageux. Ne les craignez pas et n'ayez pas peur d'eux, car c'est Yahvé votre Dieu lui-même qui vous accompagne. Il ne te fera pas défaut et ne t'abandonnera pas. »
7 Ary Mosesy niantso an’ i Josoa ka niteny taminy teo imason’ ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.
Moïse appela Josué et lui dit, en présence de tout Israël: « Sois fort et courageux, car tu iras avec ce peuple dans le pays que Yahvé a juré à leurs pères de leur donner, et tu le leur feras posséder.
8 Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
C'est Yahvé lui-même qui vous précède. Il sera avec vous. Il ne vous laissera pas tomber et ne vous abandonnera pas. N'ayez pas peur. Ne vous découragez pas. »
9 Dia nosoratan’ i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak’ i Levy, izay mpitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra.
Moïse écrivit cette loi et la remit aux prêtres, fils de Lévi, qui portaient l'arche de l'alliance de Yahvé, et à tous les anciens d'Israël.
10 Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin’ ny taom-panafahana, amin’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo,
Moïse leur donna cet ordre: « Au bout de sept ans, à l'époque fixée pour l'année de la libération, à la fête des tentes,
11 ka avy hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan’ ny Isiraely rehetra ny tenin’ ity lalàna ity hihainoany azy.
lorsque tout Israël sera venu se présenter devant Yahvé votre Dieu, au lieu qu'il choisira, vous lirez cette loi devant tout Israël, en l'entendant.
12 Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’ i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.
Rassemble le peuple, les hommes, les femmes, les petits enfants et les étrangers qui sont dans tes portes, afin qu'ils entendent, qu'ils apprennent, qu'ils craignent Yahvé ton Dieu et qu'ils s'appliquent à mettre en pratique toutes les paroles de cette loi,
13 Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny andro rehetra hiainanareo eo amin’ ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.
et que leurs enfants, qui n'ont pas connu, entendent et apprennent à craindre Yahvé ton Dieu, aussi longtemps que vous vivrez dans le pays dont vous prendrez possession en passant le Jourdain. »
14 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an’ i Josoa, ary mitoera ao amin’ ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin’ ny trano-lay fihaonana.
Yahvé dit à Moïse: « Voici que tes jours approchent où tu dois mourir. Appelle Josué, et présentez-vous dans la tente d'assignation, afin que je lui donne des ordres. » Moïse et Josué y allèrent, et se présentèrent dans la tente de la Rencontre.
15 Ary Jehovah niseho teo amin’ ny trano-lay tamin’ ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay ny andri-rahona.
Yahvé apparut dans la Tente dans une colonne de nuée, et la colonne de nuée se tenait au-dessus de l'entrée de la Tente.
16 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin’ ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
Yahvé dit à Moïse: « Voici, tu vas dormir avec tes pères. Ce peuple se lèvera et se prostituera après les dieux étrangers du pays où il se rendra, il m'abandonnera et rompra l'alliance que j'ai conclue avec lui.
17 Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
En ce jour-là, ma colère s'enflammera contre eux, je les abandonnerai, je leur cacherai ma face, ils seront dévorés, et beaucoup de maux et de tourments les atteindront, au point qu'ils diront en ce jour-là: « Ces maux ne nous ont-ils pas atteints parce que notre Dieu n'est pas au milieu de nous? »
18 Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin’ izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy.
En ce jour-là, je cacherai ma face à cause de tout le mal qu'ils ont fait, en se tournant vers d'autres dieux.
19 Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak’ Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin’ ny Zanak’ Isiraely.
« Maintenant, écrivez ce cantique pour vous-mêmes, et enseignez-le aux enfants d'Israël. Mettez-le dans leur bouche, afin que ce cantique soit pour moi un témoignage contre les enfants d'Israël.
20 Fa rehefa entiko any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
Car lorsque je les aurai fait entrer dans le pays que j'ai juré à leurs pères, où coulent le lait et le miel, et qu'ils auront mangé, se seront rassasiés et auront grossi, ils se tourneront vers d'autres dieux et les serviront, ils me mépriseront et rompront mon alliance.
21 Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan’ ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ ny tany izay nianianako homena azy izy.
Il arrivera, quand beaucoup de maux et d'ennuis les auront frappés, que ce cantique leur servira de témoignage, car il ne sera pas oublié de la bouche de leurs descendants, car je connais leurs voies et ce qu'ils font aujourd'hui, avant de les faire entrer dans le pays que je leur ai promis. »
22 Dia nosoratan’ i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak’ Isiraely.
Moïse écrivit donc ce chant le jour même, et l'enseigna aux enfants d'Israël.
23 Ary Jehovah nandidy an’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak’ Isiraely hiditra ao amin’ ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.
Il donna des ordres à Josué, fils de Nun, et dit: « Sois fort et courageux, car tu feras entrer les enfants d'Israël dans le pays que je leur ai juré. Je serai avec toi. »
24 Ary rehefa voasoratr’ i Mosesy teo amin’ ny boky avokoa ny tenin’ ity lalàna ity,
Lorsque Moïse eut achevé d'écrire les paroles de cette loi dans un livre, jusqu'à ce qu'elles fussent achevées,
25 dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, izy ka nanao hoe:
Moïse donna cet ordre aux Lévites qui portaient l'arche de l'alliance de l'Éternel:
26 Raiso ity bokin’ ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao.
Prenez ce livre de la loi, et mettez-le à côté de l'arche de l'alliance de l'Éternel, votre Dieu, afin qu'il y serve de témoignage contre vous.
27 Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin’ i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.
Car je connais ta rébellion et ta raideur de cou. Voici, alors que je suis encore vivant avec vous aujourd'hui, vous avez été rebelles à Yahvé. Combien plus après ma mort?
28 Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin’ ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
Assemblez auprès de moi tous les anciens de vos tribus et vos officiers, afin que je prononce ces paroles à leurs oreilles, et que j'appelle le ciel et la terre en témoignage contre eux.
29 Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin’ ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin’ ny asan’ ny tananareo.
Car je sais qu'après ma mort, vous vous corromprez, vous vous détournerez de la voie que je vous ai prescrite, et que le malheur vous atteindra dans la suite des temps, parce que vous ferez ce qui est mal aux yeux de Yahvé, pour l'irriter par l'ouvrage de vos mains. »
30 Dia nolazain’ i Mosesy teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin’ izao fihirana izao mandra-pahavitany.
Moïse fit entendre à toute l'assemblée d'Israël les paroles de ce cantique, jusqu'à ce qu'elles fussent achevées.

< Deotoronomia 31 >