< Deotoronomia 3 >
1 Dia niverina isika ka niakatra tamin’ ny lalana mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika tao Edrehy Oga, mpanjakan’ i Basana, mbamin’ ny vahoakany rehetra.
Then we turned and went by the way of Basan: and Og the king of Basan came out to meet us with his people to fight in Edrai.
2 Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.
And the Lord said to me: Fear him not: because he is delivered into thy hand, with all his people and his land: and thou shalt do to him as thou hast done to Sehon king of the Amorrhites, that dwelt in Hesebon.
3 Dia natolotr’ i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika koa Oga, mpanjakan’ i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy niangana na dia iray akory aza.
So the Lord our God delivered into our hands, Og also the king of Basan, and all his people: and we utterly destroyed them,
4 Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin’ izany andro izany, tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan’ i Oga tany Basana.
Wasting all his cities at one time, there was not a town that escaped us: sixty cities, all the country of Argob the kingdom of Og in Basan.
5 Ireo tanàna rehetra ireo dia samy nasiana manda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy, afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro.
All the cities were fenced with very high walls, and with gates and bars, besides innumerable towns that had no walls.
6 Dia naringantsika ireny tahaka izay efa nataontsika tamin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin’ ny isan-tanàna mbamin’ ny zaza amim-behivavy.
And we utterly destroyed them, as we had done to Sehon the king of Hesebon, destroying every city, men and women and children:
7 Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin’ ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika.
But the cattle and the spoils of the cities we took for our prey.
8 Ary nalaintsika tamin’ izany andro izany tamin’ ny mpanjaka roan’ ny Amorita ny tany izay any an-dafin’ i Jordana, hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ ny tendrombohitra Hermona
And we took at that time the land out of the hand of the two kings of the Amorrhites, that were beyond the Jordan: from the torrent Amen unto the mount Hermon,
9 Hermona nataon’ ny Sidoniana hoe Siriona; ary ny Amorita kosa nanao azy hoe Senira,
Which the Sidonians call Sarion, and the Amorrhites Sanir:
10 dia ny tanàna rehetra amin’ ny tany lemaka sy Gileada rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna amin’ ny fanjakan’ i Oga tany Basana.
All the cities that are situate in the plain, and all the land of Galaad and Basan as far as Selcha and Edrai, cities of the kingdom of Og in Basan.
11 Fa Oga, mpanjakan’ i Basana, ihany no sisa velona tamin’ ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban’ ny taranak’ i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon’ ny lehilahy.
For only Og king of Basan remained of the race of the giants. His bed of iron is shewn, which is in Rabbath of the children of Ammon, being nine cubits long, and four broad after the measure of the cubit of a man’s hand.
12 Ary io tany io dia azontsika tamin’ izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan’ i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
And we possessed the land at that time from Aroer, which is upon the bank of the torrent Amen, unto the half of mount Galaad: and I gave the cities thereof to Ruben and Gad.
13 ry Gileada sisa sy Basana rehetra, izay fanjakan’ i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny firenen’ i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, dia Basana rehetra (atao hoe tanin’ ny Refaïta izany.
And I delivered the other part of Galaad, and all Basan the kingdom of Og to the half tribe of Manasses, all the country of Argob: and all Basan is called the Land of giants.
14 Jaïra, zanak’ i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran’ izany (dia Basana) nataony hoe Havota-jaïra, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany).
Jair the son of Manasses possessed all the country of Argob unto the borders of Gessuri, and Machati. And he called Basan by his own name, Havoth Jair, that is to say, the towns of Jair, until this present day.
15 Ary Gileada dia nomeko an’ i Makira.
To Machir also I gave Galaad.
16 Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha, sy ny fari-tany hatramin’ ny amoron’ ny lohasahan-driaka Jaboka, izay fari-tanin’ ny taranak’ i Amona,
And to the tribes of Ruben and Gad I gave of the land of Galaad as far as the torrent Amen, half the torrent, and the confines even unto the torrent Jeboc, which is the border of the children of Ammon:
17 ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin’ i Pisga, dia ao atsinanany.
And the plain of the wilderness, and the Jordan, and the borders of Cenereth unto the sea of the desert, which is the most salt sea, to the foot of mount Phasga eastward.
18 Ary nandidy anareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan’ ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.
And I commanded you at that time, saying: The Lord your God giveth you this land for an inheritance, go ye well appointed before your brethren the children of Israel, all the strong men of you,
19 Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo (fantatro fa be omby ianareo) dia hitoetra ao an-tanànanareo izay nomeko anareo,
Leaving your wives and children and cattle. For I know you have much cattle, and they must remain in the cities, which I have delivered to you.
20 mandra-panomen’ i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin’ i Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any amin’ ny taniny avy, izay nomeko anareo.
Until the Lord give rest to your brethren, as he hath given to you: and they also possess the land, which he will give them beyond the Jordan: then shall every man return to his possession, which I have given you.
21 Dia nandidy an’ i Josoa aho tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon’ i Jehovah amin’ ny fanjakana rehetra izay halehanao.
I commanded Josue also at that time, saying: Thy eyes have seen what the Lord your God hath done to these two kings: so will he do to all the kingdoms to which thou shalt pass.
22 Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo.
Fear them not: for the Lord your God will fight for you.
23 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe:
And I besought the Lord at that time, saying:
24 Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin’ ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao?
Lord God, thou hast begun to shew unto thy servant thy greatness, and most mighty hand, for there is no other God either in heaven or earth, that is able to do thy works, or to be compared to thy strength.
25 Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin’ i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona.
I will pass over therefore, and will see this excellent land beyond the Jordan, and this goodly mountain, and Libanus.
26 Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin’ izany zavatra izany ianao.
And the Lord was angry with me on your account and heard me not, but said to me: It is enough: speak no more to me of this matter.
27 Miakara eo an-tampon’ i Pisga ianao, ary atopazy ny masonao miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany ianao;
Go up to the top of Phasga, and cast thy eyes round about to the west, and to the north, and to the south, and to the east, and behold it, for thou shalt not pass this Jordan.
28 fa mandidia an’ i Josoa ianao, dia mampahereza azy sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan’ ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao.
Command Josue, and encourage and strengthen him: for he shall go before this people, and shall divide unto them the land which thou shalt see.
29 Ka dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin’ i Beti-peora isika.
And we abode in the valley over against the temple of Phogor.