< Deotoronomia 28 >
1 Raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’ i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany ianao;
In kun yi biyayya da maganar Ubangiji Allahnku, kuka kuma lura, kuka bi dukan umarnan da na ba ku a yau, Ubangiji Allahnku zai sa ku bisa dukan al’ummai a duniya.
2 ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao
Dukan waɗannan albarku za su sauko muku, su zama naku, in kuka yi biyayya ga Ubangiji Allahnku.
3 Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha.
Za ku zama masu albarka a cikin birni, za ku kuma zama masu albarka har a ƙauye.
4 Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao.
’Ya’yanku za su zama masu albarka, haka ma hatsin gonakinku da kuma’ya’yan dabbobinku, wato,’ya’yan shanu da’yan tumakinku.
5 Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
Za a albarkaci kwandonku da kwanon kwaɓan kullunku.
6 Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka.
Za ku zama masu albarka sa’ad da kuka shiga, za ku kuma zama masu albarka sa’ad da kuka fita.
7 Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao.
A gabanku, Ubangiji zai sa ku fatattaki abokan gāban da za su taso suna gāba da ku. Ta hanya guda za su auka muku, amma ta hanyoyi bakwai za su gudu daga gabanku.
8 Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin’ ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon’ ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Ubangiji zai aika da albarka a rumbunanku da kuma a bisa kome da kuka sa hannunku a kai. Ubangiji Allahnku zai albarkace ku a ƙasar da yake ba ku.
9 Hanandratra anao ho firenena masìna ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin’ ny lalany.
Ubangiji zai kafa ku kamar mutanensa masu tsarki, kamar yadda ya yi alkawari da rantsuwa, in kun kiyaye umarnan Ubangiji Allahnku, kuka kuma yi tafiya a hanyoyinsa.
10 Dia ho hitan’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa ny anaran’ i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.
Sa’an nan dukan mutane a duniya za su ga cewa ana kiranku da sunan Ubangiji, za su kuwa ji tsoronku.
11 Ary hataon’ i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanao homena anao.
Ubangiji zai azurta ku sosai, a’ya’yan cikinku, a’ya’yan dabbobinku da kuma a hatsin gonarku, a cikin ƙasar da ya rantse wa kakanninku zai ba ku.
12 Hovohan’ i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin’ ny taninao amin’ ny fotoany sy hitahiany ny asan’ ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra.
Ubangiji zai buɗe sammai, wurin ajiyarsa mai yalwa, don yă aika da ruwan sama a gonarku a lokacinsa, yă kuma albarkaci dukan aikin hannuwanku. Za ku ba wa al’ummai masu yawa rance, amma ba za ku karɓa bashi daga wurin wani ba.
13 Dia hataon’ i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy.
Ubangiji zai sa ku zama kai, ba wutsiya ba. In kun mai da hankali ga umarnan Ubangiji Allahnku da nake ba ku a wannan rana, kuka kuma lura, kuka bi su, kullum za ku kasance a bisa, ba a ƙasa ba.
14 Ary aza miala amin’ ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.
Kada ku kauce zuwa dama ko zuwa hagu daga umarnan da na ba ku a yau, har ku bi waɗansu alloli kuna yin musu sujada.
15 Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Amma fa, in ba ku yi biyayya ga Ubangiji Allahnku ba, ba ku kuma lura kun bi dukan umarnansa da ƙa’idodin da nake ba ku a yau ba, dukan la’anan nan za su zo a bisanku, su kuma same ku.
16 Hozonina ianao ao an-tanàna, ary hozonina ianao any an-tsaha.
Za ku zama la’anannu a birni da kuma a ƙauye.
17 Hozonina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
Za a la’anta kwandonku da kwanon kwaɓan kullunku.
18 Hozonina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao.
Za a la’anta’ya’yan cikinku, haka ma hatsin gonarku, da’ya’yan shanunku da’yan tumakinku.
19 Hozonina ianao, raha miditra; ary hozonina ianao, raha mivoaka.
Za a la’anta ku sa’ad da kuka shiga da sa’ad da kuka fita.
20 Hampandehanin’ i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian’ ny nataonao tamin’ ny nahafoizanao Ahy.
Ubangiji zai aiko muku da la’ana, da ruɗewa, da damuwa cikin dukan abin da za ku yi, har ya hallaka ku, ku lalace da sauri saboda mugayen ayyukanku, domin kuma kuka rabu da ni.
21 Hampiraiketin’ i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.
Ubangiji zai aiko muku da annoba wadda za tă manne muku, tă cinye ku cikin ƙasar da za ku shiga, ku mallake ta.
22 Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main’ ny rivotra na maty fotsy no hamelezan’ i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao.
Ubangiji zai buga ku da cuta mai lalacewa, da zazzaɓi, da ƙuna, da zafin rana, da fāri, da burtuntuna, da fumfuna, waɗanda za su azabtar da ku sai kun hallaka.
23 Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin’ ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao.
Girgijen da yake bisanku zai zama tagulla, ƙasar da take ƙarƙashinku za tă zama ƙarfe.
24 Hataon’ i Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin’ ny taninao; avy any an-danitra no hidinan’ izany aminao mandra-paharinganao.
Ubangiji zai juye ruwan saman ƙasarku yă zama ƙura da gari; zai sauko daga gizagizai har sai kun hallaka.
25 Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloan’ ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany ianao.
Ubangiji zai sa a rinjaye ku a gaban abokan gābanku. Ta hanya guda za ku auka musu, amma ta hanyoyi bakwai za ku gudu daga gabansu. Za ku zama abin ƙi ga dukan mulkokin duniya.
26 Ary ny fatinao hohanin’ ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
Gawawwakinku za su zama abincin dukan tsuntsayen sarari da namun duniya, ba kuwa wanda zai kore su.
27 Hamelin’ i Jehovah anao ny vain’ i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody);
Ubangiji zai buge ku da maruran Masar, da ƙazuwa, da kuma ƙaiƙayi waɗanda ba za su warke ba
28 ary hamelin’ i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra.
Ubangiji zai buge ku da hauka, makanta, da rikicewar hankali.
29 Dia hitsapatsapa ianao na dia amin’ ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan’ ny jamba ao amin’ ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin’ izay halehanao; dia hampahorin’ ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianao, fa tsy hisy hamonjy.
Da tsakar rana za ku riƙa lallubawa kamar makaho. Za ku zama marasa nasara a cikin kome da kuka yi; kowace rana za a zalunce ku, a kuma yi muku ƙwace, ba tare da wani ya cece ku ba.
30 Hifofo vady ianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano ianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanim-boaloboka ianao, fa tsy hihinana ny vokatra.
Za ku yi tashin yarinya, amma wani ne zai ɗauke ta yă kwana da ita. Za ku gina gida amma wani ne zai zauna a ciki. Za ku shuka inabi, amma ba za ku ma fara jin daɗin’ya’yansa ba.
31 Ny ombinao hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana ny henany ianao. Ny borikinao halaina an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina aminao. Ny ondry aman’ osinao homena ho an’ ny fahavalonao, nefa tsy hanan-kamonjy ianao.
Za a yanka sanku a idanunku, amma ba za ko ci wani abu a cikinsa ba. Za a ƙwace jakinku ƙiri-ƙiri, amma ba za a mayar muku da shi ba. Za a ba da tumakinku ga abokan gābanku, kuma ba kowa da zai cece su.
32 Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an’ ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.
Za a ba da’ya’yanku maza da mata ga wata al’umma, za ku kuma yi ta zuba idanunku kuna neman su kullayaumi, amma a banza, domin ba ku da ikon yin kome.
33 Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin’ ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan’ ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao.
Mutanen da ba ku sani ba za su ci kayan gonarku da amfanin wahalarku, za a yi ta cucinku, ana kuma danne ku kullum.
34 Dia ho very saina ianao noho ny zavatra izay ho hitan’ ny masonao.
Abubuwan da za ku gani za su sa ku yi hauka.
35 Hamelin’ i Jehovah anao ny vay ratsy, izay tsy azom-panafody, dia amin’ ny lohalikao sy ny tongotrao, hatramin’ ny faladianao ka hatramin’ ny tampon-dohanao.
Ubangiji zai buge gwiwoyinku da ƙafafunku da marurai masu zafi da ba za a iya warkar da su ba, za su yaɗu daga tafin ƙafafu zuwa bisa kanku.
36 Ho entin’ i Jehovah ho any amin’ ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; any any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.
Ubangiji zai kore ku, ku da sarkin da kuka naɗa a bisanku zuwa al’ummar da ku, ko kakanninku ba su sani ba. A can za ku yi wa waɗansu alloli sujada, allolin itace da na dutse.
37 Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin’ ny firenena rehetra izay hitondran’ i Jehovah anao.
Za ku zama abin ƙi, abin dariya, da kuma abin habaici ga dukan al’ummai inda Ubangiji zai kore ku zuwa.
38 Voan-javatra betsaka no ho entinao hambolena any an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin’ ny valala ireny.
Za ku shuka iri da yawa a gona, amma za ku girbe kaɗan, domin fāra za su cinye su.
39 Hanao tanim-boaloboka ianao ka hiasa azy, nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka ianao, satria ho lanin’ ny fositra ireny.
Za ku shuka inabi ku kuma yi musu banƙasa, amma ba za ku sha ruwan inabin ba, domin tsutsotsi za su cinye su.
40 Hanana hazo oliva amin’ ny taninao rehetra ianao, nefa tsy hihosotra diloilo; fa hihintsana ny olivanao.
Za ku kasance da itatuwan zaitun ko’ina a ƙasarku, amma ba za ku yi amfani da mansu ba, domin’ya’yan zaitun za su kakkaɓe.
41 Hiteraka zazalahy sy zazavavy ianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo.
Za ku haifi’ya’ya maza da mata, amma za su zama naku ba, domin za a kai su bauta.
42 Ny hazonao sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho lanin’ ny valala.
Tarin fāra za su mamaye dukan itatuwanku da kuma hatsin gonarku.
43 Ny vahiny eo aminao hisandratra ho ambony dia ambony noho ianao, fa ianao kosa hietry ho ambany dia ambany.
Baƙin da suke tare da ku, za su yi ta ƙaruwa, ku kuwa za ku yi ta komawa baya-baya.
44 Izy hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy hampisambotra azy; izy ho lohany, fa ianao ho rambony.
Za su ba ku bashi, amma ba za ku ba su bashi ba. Za su zama kai, ku kuwa za ku zama wutsiya.
45 Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay nandidiany anao.
Dukan waɗannan la’anoni za su sauko a kanku. Za su bi ku, su same ku, sai an hallaka ku, domin ba ku yi biyayya ga Ubangiji Allahnku, kuka kuma kiyaye umarnai da ƙa’idodin da ya ba ku ba.
46 Ary ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay izany,
Za su zama alamu da al’ajabi gare ku da kuma zuriyarku har abada.
47 satria tsy nanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ ny fahafaliana sy ny faharavoam-po ianao noho ny habetsahan’ ny zavatra rehetra.
Gama ba ku bauta wa Ubangiji Allahnku da farin ciki da kuma murna a lokacin wadata ba,
48 Any amin’ ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin’ i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin’ ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.
saboda haka a cikin yunwa da ƙishirwa, cikin tsiraici da mugun talauci, za ku bauta wa abokan gāban da Ubangiji ya aiko muku. Zai sa karkiyar ƙarfe a wuyanku har sai ya hallaka ku ƙaf.
49 Ho entin’ i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin’ ny faran’ ny tany-tahaka ny fanidin’ ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,
Ubangiji zai kawo al’umma daga nesa, daga iyakar duniya, ta sauko a kanku kamar gaggafa, al’ummar da ba ku san yarenta ba,
50 firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora
al’umma mai zafin hali wadda ba ta ba wa tsofaffi girma, kuma ba ta tausayin yara.
51 dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman’ osinao, mandra-pandringany anao.
Za su cinye’ya’yan dabbobinku da hatsin gonarku sai an hallaka ku. Ba za su rage ko ƙwayar hatsi, ko sabon ruwan inabi, ko mai ba, ba kuwa za a bar’yan tumakinku ba, sai an lalatar da ku.
52 Dia hataony fahirano any amin’ ny tanànanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, eran’ ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin’ ny tanànanao rehetra eran’ ny taninao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Za su kuwa kewaye ku a dukan garuruwanku, har sai katangarku masu tsayi wadda kuke dogara gare su, sun fāɗi ko’ina a ƙasar da Ubangiji Allahnku yake ba ku.
53 Ary eo amin’ ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren’ ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon’ ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Saboda wahalar da abokan gābanku za su gasa muku a lokacin kwanto, za ku ci’ya’yan cikinku, naman’ya’yanku maza da mata waɗanda Ubangiji Allahnku ya ba ku.
54 Ny lehilahy malemilemy sy mihantahanta indrindra eo aminao dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vadiny andefimandry ary ny zanany sisa,
Kai, har da mutumin da ya fi hankali da kuma kirki a cikinku, ba zai ji tausayi ɗan’uwansa, ko matar da yake ƙauna, ko’ya’yansa da suka ragu ba,
55 ka tsy hisy amin’ ireo hanomezany ny nofon’ ny zanany izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho azy amin’ ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren’ ny fahavalonao anao any amin’ ny tanànanao rehetra.
ba kuwa zai ba waninsu wani naman’ya’yansa da yake ci ba. Gama dukan abin da ya rage masa ke nan saboda wahalar da abokan gābanku za su gasa muku a lokacin da ake kwanton wa dukan biranenku.
56 Ny vehivavy malemilemy sy mihantahanta eo aminao, izay tsy mbola nanandrana nandia tany noho ny fihantahantany sy ny fahalemilemeny, dia ho ratsy fiteny ny vadiny andefimandry sy ny zananilahy ary ny zananivavy
Mace mafi hankali da kuma kirki a cikinku, kai, mafi hankali da kirki da ba ta ma karambanin taɓa ƙasa da tafin ƙafarta, za tă hana wa mijinta da take ƙauna, da kuma ɗanta, ko’yarta abinci.
57 noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsi-fisian-javatra amin’ ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren’ ny fahavalonao anao any amin’ ny tanànanao.
A ɓoye za tă ci mahaifar da take biyo bayan ta haihu, da’ya’yan da za tă haifa, saboda ba ta da wani abinci lokacin da abokan gābanku za su kewaye garuruwanku da yaƙi mai tsanani.
58 Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin’ ity boky ity, hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: JEHOVAH ANDRIAMANITRAO,
In ba ku lura kuka bi dukan kalmomi wannan doka, waɗanda an rubuta a wannan littafi ba, ba ku kuma girmama wannan suna mai ɗaukaka da kuma mai banrazana na Ubangiji Allahnku ba,
59 dia hataon’ i Jehovah mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, dia kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy sady maharitra ela.
Ubangiji zai aika da annoba masu zafi a kanku da zuriyarku, masifu masu zafi waɗanda za su daɗe, da mugayen cututtuka waɗanda ba sa kawuwa.
60 Dia haveriny aminao indray ny aretin’ i Egypta rehetra, izay natahoranao ka hiraikitra aminao ireny.
Zai kawo muku dukan cututtukan Masar da kuke tsoro, za su kuwa manne muku.
61 Ary ny faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra koa, izay tsy voasoratra amin’ ny bokin’ ity lalàna ity aza, dia ho entin’ i Jehovah mamely anao mandra-paharinganao.
Ubangiji kuma zai kawo muku kowane irin ciwo da masifar da ba a rubuta a cikin wannan Littafin Doka ba, har sai an hallaka ku.
62 Ary olona vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao fahamaroanareo toy ny kintana eny amin’ ny lanitra izao, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.
Ku da kuke da yawa kamar taurari a sarari za ku ragu ku zama kaɗan, domin ba ku yi biyayya ga Ubangiji Allahnku ba.
63 Ary araka izay nifalian’ i Jehovah taminareo hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany kosa no hifalian’ i Jehovah handringana sy handrava anareo; dia hofongorana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany, izay efa hidiranao holovana.
Kamar yadda ya gamshi Ubangiji ya sa kuka yi arziki kuka kuma ƙaru, haka zai gamshe shi yă lalatar yă kuma hallaka ku. Za a tumɓuke ku daga ƙasar da kuke shiga ku mallaka.
64 Dia haelin’ i Jehovah any amin’ ny firerena rehetra hatramin’ ny faran’ ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.
Sa’an nan Ubangiji zai watsar da ku cikin dukan al’ummai, daga wannan bangon duniya zuwa wancan. A can za ku bauta waɗansu alloli, allolin itace da na dutse, waɗanda ko ku, ko kakanninku, ba ku sani ba.
65 Ary any amin’ ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan’ ny faladianao; fa any no hanomezan’ i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy.
A cikin waɗancan al’ummai ba za ku sami hutu ba, ba wurin hutu wa tafin ƙafanku. A can Ubangiji zai sa fargaba a zuciyarku, yă sa idanunku su lalace, ranku zai yi suwu.
66 Ar ny ainao hihevingevina eo anatrehanao; dia hatahotra andro aman’ alina ianao ka tsy hanampo izay ho velona.
Za ku yi zama cikin damuwa kullum, cike da tsoro, dare da rana, ba tabbacin abin da zai faru da ranku.
67 Nony maraina ny andro dia hanao hoe ianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe ianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan’ ny masonao.
Da safe za ku ce, “Da ma yamma ne!” Da yamma kuma ku ce, “Da ma safiya ce!” Saboda tsoron da ya cika zukatanku da kuma abubuwan da idanunku za su gani.
68 Ary ianao ho entin’ i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin’ izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin’ ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy.
Ubangiji zai komar da ku cikin jiragen ruwa zuwa Masar, tafiyar da na ce kada ku ƙara yi. A can za ku ba da kanku don sayarwa ga abokan gābanku a matsayin bayi maza da mata, amma ba wanda zai saye ku.