< Deotoronomia 28 >

1 Raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’ i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany ianao;
And it shall come to pass, if thou shalt hearken diligently to the voice of the LORD thy God, to observe [and] to do all his commandments which I command thee this day; that the LORD thy God will set thee on high above all nations of the earth:
2 ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao
And all these blessings shall come on thee, and overtake thee, if thou shalt hearken to the voice of the LORD thy God.
3 Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha.
Blessed [shalt] thou [be] in the city, and blessed [shalt] thou [be] in the field.
4 Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao.
Blessed [shall be] the fruit of thy body, and the fruit of thy ground, and the fruit of thy cattle, the increase of thy cattle, and the flocks of thy sheep.
5 Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
Blessed [shall be] thy basket and thy store.
6 Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka.
Blessed [shalt] thou [be] when thou comest in, and blessed [shalt] thou [be] when thou goest out.
7 Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao.
The LORD shall cause thy enemies that rise up against thee to be smitten before thy face: they shall come out against thee one way, and flee before thee seven ways.
8 Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin’ ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon’ ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
The LORD shall command the blessing upon thee in thy store-houses, and in all that thou settest thy hand to: and he shall bless thee in the land which the LORD thy God giveth thee.
9 Hanandratra anao ho firenena masìna ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin’ ny lalany.
The LORD shall establish thee a holy people to himself, as he hath sworn to thee, if thou shalt keep the commandments of the LORD thy God, and walk in his ways.
10 Dia ho hitan’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa ny anaran’ i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.
And all the people of the earth shall see that thou art called by the name of the LORD; and they shall be afraid of thee.
11 Ary hataon’ i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanao homena anao.
And the LORD shall make thee to abound in goods, in the fruit of thy body, and in the fruit of thy cattle, and in the fruit of thy ground, in the land which the LORD swore to thy fathers to give thee.
12 Hovohan’ i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin’ ny taninao amin’ ny fotoany sy hitahiany ny asan’ ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra.
The LORD shall open to thee his good treasure, the heaven to give rain to thy land in its season, and to bless all the work of thy hand: and thou shalt lend to many nations, and thou shalt not borrow.
13 Dia hataon’ i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy.
And the LORD shall make thee the head, and not the tail; and thou shalt be above only, and thou shalt not be beneath; if thou shalt hearken to the commandments of the LORD thy God, which I command thee this day, to observe and to do [them]:
14 Ary aza miala amin’ ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.
And thou shalt not go aside from any of the words which I command thee this day, [to] the right hand or [to] the left, to go after other gods to serve them.
15 Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
But it shall come to pass, if thou wilt not hearken to the voice of the LORD thy God, to observe to do all his commandments and his statutes which I command thee this day; that all these curses shall come upon thee, and overtake thee:
16 Hozonina ianao ao an-tanàna, ary hozonina ianao any an-tsaha.
Cursed [shalt] thou [be] in the city, and cursed [shalt] thou [be] in the field.
17 Hozonina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
Cursed [shall be] thy basket and thy store.
18 Hozonina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao.
Cursed [shall be] the fruit of thy body, and the fruit of thy land, the increase of thy kine, and the flocks of thy sheep.
19 Hozonina ianao, raha miditra; ary hozonina ianao, raha mivoaka.
Cursed [shalt] thou [be] when thou comest in, and cursed [shalt] thou [be] when thou goest out.
20 Hampandehanin’ i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian’ ny nataonao tamin’ ny nahafoizanao Ahy.
The LORD shall send upon thee cursing, vexation, and rebuke, in all that thou undertakest to perform, until thou shalt be destroyed, and until thou shalt perish quickly; because of the wickedness of thy doings by which thou hast forsaken me.
21 Hampiraiketin’ i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.
The LORD shall make the pestilence cleave to thee, until he shall have consumed thee from off the land, whither thou goest to possess it.
22 Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main’ ny rivotra na maty fotsy no hamelezan’ i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao.
The LORD shall smite thee with a consumption, and with a fever, and with an inflammation, and with an extreme burning, and with the sword, and with blasting, and with mildew: and they shall pursue thee until thou dost perish.
23 Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin’ ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao.
And thy heaven that [is] over thy head shall be brass, and the earth that [is] under thee [shall be] iron.
24 Hataon’ i Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin’ ny taninao; avy any an-danitra no hidinan’ izany aminao mandra-paharinganao.
The LORD shall make the rain of thy land powder and dust: from heaven shall it come down upon thee, until thou art destroyed.
25 Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloan’ ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany ianao.
The LORD shall cause thee to be smitten before thy enemies: thou shalt go out one way against them, and flee seven ways before them; and shalt be removed into all the kingdoms of the earth.
26 Ary ny fatinao hohanin’ ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
And thy carcass shall be food to all fowls of the air, and to the beasts of the earth, and no man shall drive [them] away.
27 Hamelin’ i Jehovah anao ny vain’ i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody);
The LORD will smite thee with the botch of Egypt, and with the emerods, and with the scab, and with the itch, of which thou canst not be healed.
28 ary hamelin’ i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra.
The LORD shall smite thee with the madness, and blindness, and astonishment of heart:
29 Dia hitsapatsapa ianao na dia amin’ ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan’ ny jamba ao amin’ ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin’ izay halehanao; dia hampahorin’ ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianao, fa tsy hisy hamonjy.
And thou shalt grope at noon-day, as the blind gropeth in darkness, and thou shalt not prosper in thy ways: and thou shalt be only oppressed and spoiled evermore, and no man shall save [thee].
30 Hifofo vady ianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano ianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanim-boaloboka ianao, fa tsy hihinana ny vokatra.
Thou shalt betroth a wife, and another man shall lie with her: thou shalt build a house, and thou shalt not dwell in it: thou shalt plant a vineyard, and shalt not gather the grapes of it.
31 Ny ombinao hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana ny henany ianao. Ny borikinao halaina an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina aminao. Ny ondry aman’ osinao homena ho an’ ny fahavalonao, nefa tsy hanan-kamonjy ianao.
Thy ox [shall be] slain before thy eyes, and thou shalt not eat of it: thy ass [shall be] violently taken away from before thy face, and shall not be restored to thee: thy sheep [shall be] given to thy enemies, and thou shalt have none to rescue [them].
32 Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an’ ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.
Thy sons and thy daughters [shall be] given to another people, and thy eyes shall look, and fail [with longing] for them all the day long: and [there shall be] no might in thy hand.
33 Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin’ ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan’ ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao.
The fruit of thy land, and all thy labors, shall be eaten by a nation which thou knowest not: and thou shalt be only oppressed and crushed always:
34 Dia ho very saina ianao noho ny zavatra izay ho hitan’ ny masonao.
So that thou shalt be mad for the sight of thy eyes which thou shalt see.
35 Hamelin’ i Jehovah anao ny vay ratsy, izay tsy azom-panafody, dia amin’ ny lohalikao sy ny tongotrao, hatramin’ ny faladianao ka hatramin’ ny tampon-dohanao.
The LORD shall smite thee in the knees, and in the legs, with a sore botch that cannot be healed, from the sole of thy foot to the top of thy head.
36 Ho entin’ i Jehovah ho any amin’ ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; any any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.
The LORD shall bring thee, and thy king which thou shalt set over thee, to a nation which neither thou nor thy fathers have known; and there shalt thou serve other gods, wood and stone.
37 Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin’ ny firenena rehetra izay hitondran’ i Jehovah anao.
And thou shalt become an astonishment, a proverb, and a by-word, among all nations whither the LORD shall lead thee.
38 Voan-javatra betsaka no ho entinao hambolena any an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin’ ny valala ireny.
Thou shalt carry much seed into the field, and shalt gather [but] little: for the locust shall consume it.
39 Hanao tanim-boaloboka ianao ka hiasa azy, nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka ianao, satria ho lanin’ ny fositra ireny.
Thou shalt plant vineyards and dress [them], but shalt neither drink [of] the wine, nor gather [the grapes]: for the worm shall eat them.
40 Hanana hazo oliva amin’ ny taninao rehetra ianao, nefa tsy hihosotra diloilo; fa hihintsana ny olivanao.
Thou shalt have olive-trees throughout all thy coasts, but thou shalt not anoint [thyself] with the oil: for thy olive shall cast [its fruit].
41 Hiteraka zazalahy sy zazavavy ianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo.
Thou shalt beget sons and daughters, but thou shalt not enjoy them: for they shall go into captivity.
42 Ny hazonao sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho lanin’ ny valala.
All thy trees and fruit of thy land shall the locust consume.
43 Ny vahiny eo aminao hisandratra ho ambony dia ambony noho ianao, fa ianao kosa hietry ho ambany dia ambany.
The stranger that [is] within thee shall rise above thee very high; and thou shalt come down very low.
44 Izy hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy hampisambotra azy; izy ho lohany, fa ianao ho rambony.
He shall lend to thee, and thou shalt not lend to him: he shall be the head, and thou shalt be the tail.
45 Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay nandidiany anao.
Moreover, all these curses shall come upon thee, and shall pursue thee, and overtake thee, till thou art destroyed: because thou hearkenedst not to the voice of the LORD thy God, to keep his commandments and his statutes which he commanded thee:
46 Ary ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay izany,
And they shall be upon thee for a sign and for a wonder, and upon thy seed for ever.
47 satria tsy nanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ ny fahafaliana sy ny faharavoam-po ianao noho ny habetsahan’ ny zavatra rehetra.
Because thou didst not serve the LORD thy God with joyfulness and with gladness of heart, for the abundance of all [things]:
48 Any amin’ ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin’ i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin’ ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.
Therefore shalt thou serve thy enemies which the LORD shall send against thee, in hunger, and in thirst, and in nakedness, and in want of all [things]: and he shall put a yoke of iron upon thy neck, until he hath destroyed thee.
49 Ho entin’ i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin’ ny faran’ ny tany-tahaka ny fanidin’ ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,
The LORD shall bring a nation against thee from far, from the end of the earth, [as swift] as the eagle flieth, a nation whose language thou shalt not understand:
50 firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora
A nation of fierce countenance, which shall not regard the person of the old, nor show favor to the young:
51 dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman’ osinao, mandra-pandringany anao.
And he shall eat the fruit of thy cattle, and the fruit of thy land, until thou art destroyed: which [also] shall not leave thee [either] corn, wine, or oil, [or] the increase of thy cattle, or flocks of thy sheep, until he hath destroyed thee.
52 Dia hataony fahirano any amin’ ny tanànanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, eran’ ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin’ ny tanànanao rehetra eran’ ny taninao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
And he shall besiege thee in all thy gates, until thy high and fortified walls come down, in which thou didst trust, throughout all thy land; and he shall besiege thee in all thy gates throughout all thy land which the LORD thy God hath given thee.
53 Ary eo amin’ ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren’ ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon’ ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
And thou shalt eat the fruit of thy own body, the flesh of thy sons and of thy daughters which the LORD thy God hath given thee, in the siege and in the straitness with which thy enemies shall distress thee:
54 Ny lehilahy malemilemy sy mihantahanta indrindra eo aminao dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vadiny andefimandry ary ny zanany sisa,
[So that] the man [that is] tender among you, and very delicate, his eye shall be evil towards his brother, and towards the wife of his bosom, and towards the remnant of his children whom he shall leave:
55 ka tsy hisy amin’ ireo hanomezany ny nofon’ ny zanany izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho azy amin’ ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren’ ny fahavalonao anao any amin’ ny tanànanao rehetra.
So that he will not give to any of them of the flesh of his children whom he shall eat: because he hath nothing left him in the siege and in the straitness with which thy enemies shall distress thee in all thy gates.
56 Ny vehivavy malemilemy sy mihantahanta eo aminao, izay tsy mbola nanandrana nandia tany noho ny fihantahantany sy ny fahalemilemeny, dia ho ratsy fiteny ny vadiny andefimandry sy ny zananilahy ary ny zananivavy
The tender and delicate woman among you, who would not venture to set the sole of her foot upon the ground for delicateness and tenderness, her eye shall be evil towards the husband of her bosom, and towards her son, and towards her daughter,
57 noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsi-fisian-javatra amin’ ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren’ ny fahavalonao anao any amin’ ny tanànanao.
And towards her young one, her own offspring, and towards her children which she shall bear: for she shall eat them for want of all [things] secretly in the siege and straitness with which thy enemy shall distress thee in thy gates.
58 Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin’ ity boky ity, hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: JEHOVAH ANDRIAMANITRAO,
If thou wilt not observe to do all the words of this law that are written in this book, that thou mayest fear this glorious and fearful name, THE LORD THY GOD;
59 dia hataon’ i Jehovah mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, dia kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy sady maharitra ela.
Then the LORD will make thy plagues wonderful, and the plagues of thy seed, [even] great plagues, and of long continuance, and severe sicknesses, and of long continuance.
60 Dia haveriny aminao indray ny aretin’ i Egypta rehetra, izay natahoranao ka hiraikitra aminao ireny.
Moreover, he will bring upon thee all the diseases of Egypt, of which thou wast afraid; and they shall cleave to thee.
61 Ary ny faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra koa, izay tsy voasoratra amin’ ny bokin’ ity lalàna ity aza, dia ho entin’ i Jehovah mamely anao mandra-paharinganao.
Also every sickness, and every plague which [is] not written in the book of this law, them will the LORD bring upon thee, until thou art destroyed.
62 Ary olona vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao fahamaroanareo toy ny kintana eny amin’ ny lanitra izao, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.
And ye shall be left few in number, whereas ye were as the stars of heaven for multitude; because thou wouldst not obey the voice of the LORD thy God.
63 Ary araka izay nifalian’ i Jehovah taminareo hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany kosa no hifalian’ i Jehovah handringana sy handrava anareo; dia hofongorana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany, izay efa hidiranao holovana.
And it shall come to pass, [that] as the LORD rejoiced over you to do you good, and to multiply you; so the LORD will rejoice over you to destroy you, and to bring you to naught; and ye shall be plucked from off the land whither thou goest to possess it.
64 Dia haelin’ i Jehovah any amin’ ny firerena rehetra hatramin’ ny faran’ ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.
And the LORD shall scatter thee among all people from the one end of the earth even to the other; and there thou shalt serve other gods, which neither thou nor thy fathers have known, [even] wood and stone.
65 Ary any amin’ ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan’ ny faladianao; fa any no hanomezan’ i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy.
And among these nations shalt thou find no ease, neither shall the sole of thy foot have rest: but the LORD shall give thee there a trembling heart, and failing of eyes, and sorrow of mind:
66 Ar ny ainao hihevingevina eo anatrehanao; dia hatahotra andro aman’ alina ianao ka tsy hanampo izay ho velona.
And thy life shall hang in doubt before thee; and thou shalt fear day and night, and shalt have no assurance of thy life:
67 Nony maraina ny andro dia hanao hoe ianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe ianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan’ ny masonao.
In the morning thou shalt say, O that it were evening, and at evening thou shalt say, O that it were morning! for the fear of thy heart with which thou shalt fear, and for the sight of thy eyes which thou shalt see.
68 Ary ianao ho entin’ i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin’ izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin’ ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy.
And the LORD shall bring thee into Egypt again with ships, by the way of which I have said to thee, Thou shalt see it no more again: and there ye shall be sold to your enemies for bond-men and bond-women, and no man shall buy [you].

< Deotoronomia 28 >