< Deotoronomia 27 >

1 Ary Mosesy sy ny loholon’ ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio.
Moisés y los ancianos de Israel ordenaron al pueblo diciendo: “Guarden todo el mandamiento que hoy les ordeno.
2 Ary amin’ ny andro izay hitànareo an’ i Jordana ho any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay;
El día en que pases el Jordán a la tierra que Yahvé vuestro Dios te da, levantarás grandes piedras y las cubrirás con yeso.
3 dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity, rehefa tafita ianao mba hiditra ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao taminao.
En ellas escribirás todas las palabras de esta ley, cuando hayas pasado, para entrar en la tierra que Yahvé vuestro Dios te da, una tierra que fluye leche y miel, como Yahvé, el Dios de tus padres, te ha prometido.
4 Ary rehefa tafita an’ i Jordana ianareo, dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo andro any ka lalory sokay.
Cuando hayas cruzado el Jordán, colocarás estas piedras que hoy te ordeno en el monte Ebal, y las cubrirás con yeso.
5 Ary manorena alitara ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehim-by izy.
Allí construirás un altar a Yahvé, tu Dios, un altar de piedras. No usarás ninguna herramienta de hierro en ellas.
6 Vato tsy voapaika no hataonao alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao; ka manatera fanatitra dorana eo amboniny ho an’ i Jehovah Andriamanitrao.
Construirás el altar del Señor, tu Dios, con piedras sin cortar. En él ofrecerás holocaustos al Señor, tu Dios.
7 Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.
Sacrificarás ofrendas de paz y comerás en él. Te alegrarás ante el Señor, tu Dios.
8 Ary soraty amin’ ireo vato ireo ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity, ka ataovy velona tsara ny soratra.
Escribirás en las piedras todas las palabras de esta ley con toda claridad.”
9 Dia niteny tamin’ ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangìna, ka mihainoa, ry Isiraely ô: androany no efa tonga firenen’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.
Moisés y los sacerdotes levitas hablaron a todo Israel diciendo: “¡Cállate y escucha, Israel! Hoy te has convertido en el pueblo de Yahvé, tu Dios.
10 Koa henoy ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalàny, izay andidiako anao anio.
Por lo tanto, obedecerás la voz de Yahvé, tu Dios, y pondrás en práctica sus mandamientos y sus estatutos, que yo te ordeno hoy.”
11 Dia nandidy ny vahoaka tamin’ izany andro izany Mosesy ka nanao hoe:
Ese mismo día Moisés ordenó al pueblo diciendo:
12 Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina.
“Estos se pondrán en el monte Gerizim para bendecir al pueblo, cuando hayáis cruzado el Jordán: Simeón, Leví, Judá, Isacar, José y Benjamín.
13 Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly.
Estos estarán en el monte Ebal para la maldición: Rubén, Gad, Aser, Zabulón, Dan y Neftalí.
14 Dia hiteny ny Levita ka hanao amin’ ny Isiraely rehetra amin’ ny feo mahery hoe:
Los levitas dirán en voz alta a todos los hombres de Israel:
15 Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason’ i Jehovah, asan’ ny tanan’ ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin’ ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.
‘Maldito el hombre que hace una imagen grabada o fundida, abominación a Yahvé, obra de las manos del artesano, y la coloca en secreto.’ Todo el pueblo responderá y dirá: “Amén”.
16 Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
‘Maldito el que deshonra a su padre o a su madre’. Todo el pueblo dirá: “Amén”.
17 Hozonina izay mamindra ny faritanin’ ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
‘Maldito el que quita el mojón de su vecino’. Todo el pueblo dirá: “Amén”.
18 Hozonina izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
“Maldito el que extravía a los ciegos en el camino”. Todo el pueblo dirá: “Amén”.
19 Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
‘Maldito el que niega la justicia al extranjero, al huérfano y a la viuda’. Todo el pueblo dirá: “Amén”.
20 Hozonina izay mandry amin’ ny vadin-drainy, fa mandry amin’ izay nandrian-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
‘Maldito el que se acuesta con la mujer de su padre, porque deshonra el lecho de su padre.’ Todo el pueblo dirá: “Amén”.
21 Hozonina izay mandry amin’ ny biby. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
‘Maldito sea el que se acueste con cualquier clase de animal’. Todo el pueblo dirá: “Amén”.
22 Hozonina izay mandry amin’ ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
‘Maldito el que se acueste con su hermana, con la hija de su padre o con la hija de su madre’. Todo el pueblo dirá: “Amén”.
23 Hozonina izay mandry amin’ ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
‘Maldito el que se acuesta con su suegra’. Todo el pueblo dirá: “Amén”.
24 Hozonina izay mamely ny namany ao amin’ ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
‘Maldito el que mata en secreto a su prójimo’. Todo el pueblo dirá: “Amén”.
25 Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
‘Maldito el que acepta un soborno para matar a un inocente’. Todo el pueblo dirá: “Amén”.
26 Hozonina izay tsy mankatò ny tenin’ ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
‘Maldito el que no cumpla las palabras de esta ley poniéndolas en práctica. Todo el pueblo dirá: “Amén””.

< Deotoronomia 27 >