< Deotoronomia 25 >

1 Raha misy olona manana ady ka mankeo amin’ ny fitsarana ary tsarain’ ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
Watu wanapokuwa na ugomvi, wapeleke mahakamani na waamuzi wataamua shauri hilo; watawaachia wasio na kosa na kuwahukumu wenye hatia.
2 Ary raha tokony hokapohina ny meloka, dia aoka hampandrin’ ny mpitsara izy ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony no isan’ ny kapoka hatao aminy.
Kama mtu mwenye hatia anastahili kuchapwa, mwamuzi atamwamuru alale chini ili achapwe mbele yake idadi ya viboko kulingana na kosa lake,
3 Hatramin’ ny efa-polo no kapoka azo hatao aminy, fa tsy hatao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany, dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.
lakini kamwe asichapwe zaidi ya viboko arobaini. Ikiwa atachapwa zaidi ya viboko arobaini, nduguyo atadhalilika machoni pako.
4 Aza manakombona ny vavan’ ny omby mively vary.
Usimfunge maksai kinywa anapopura nafaka.
5 Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty momba ny anankiray, dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin’ ny maty; fa ny rahalahin’ ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy.
Ikiwa ndugu wanaishi pamoja na mmoja wao akafa bila kuacha mwana, kamwe mjane wake asiolewe nje ya jamaa hiyo. Ndugu wa mumewe atamchukua, amwoe na kutimiza wajibu wa shemeji kwake.
6 Ary ny lahimatoa izay haterany dia hitondra ny anaran’ ilay rahalahy izay efa maty, mba tsy ho faty maso eo amin’ ny Isiraely izy.
Mwana wa kwanza atakayemzaa atapewa jina la ndugu aliyekufa ili jina lake lisifutike katika Israeli.
7 Ary raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hankeo amin’ ny vavahady ho eo amin’ ny loholona ravehivavy ka hanao hoe: Ny rahalahin’ ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny, fa tsy mety mitondra loloha ahy.
Hata hivyo, ikiwa ndugu huyo wa mume hataki kuoa huyo mke wa nduguye, mjane atawaendea wazee kwenye lango la mji na kusema, “Ndugu wa mume wangu anakataa kuendeleza jina la nduguye katika Israeli. Hataki kutimiza wajibu wa shemeji kwangu.”
8 Dia hantsoin’ ny loholona amin’ ny tanàna ralehilahy ka hadininy; ary raha mikiry izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy,
Ndipo wazee wa mji wake watamwita na kuzungumza naye. Kama atashikilia kukataa akisema, “Sitaki kumwoa,”
9 dia hanatona azy eo anatrehan’ ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin’ ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin’ ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin’ izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.
mjane wa nduguye atamwendea mbele ya wazee, atamvua kiatu kimoja na kumtemea mate usoni, na kusema, “Hivi ndivyo ambavyo hufanywa kwa mtu ambaye atakataa kuendeleza jamaa ya ndugu yake.”
10 Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin’ ny Isiraely hoe: Fianakavian’ ilay nalan-kapa.
Jamaa ya mtu huyo itafahamika katika Israeli kama Jamaa ya Aliyevuliwa Kiatu.
11 Raha misy olona miady, ary ny vadin’ ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin’ ny tànan’ izay mamely azy, ary maninjitra ny tànany ka mandray azy an-kasarotana,
Ikiwa watu wawili wanapigana na mke wa mmoja wao akaja kumwokoa mumewe na yule anayemshambulia, naye mke huyo akifika na kumkamata sehemu za siri,
12 dia hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny masonao.
huyo mwanamke utamkata mkono wake. Usimhurumie.
13 Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao.
Usiwe na mawe ya kupimia ya aina mbili katika mkoba wako, moja zito na jingine jepesi.
14 Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao.
Usiwe na vipimo viwili tofauti katika nyumba yako, kimoja kikubwa, kingine kidogo.
15 Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro ianao any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Ni lazima uwe na uzito na vipimo sahihi na vya haki, ili upate kuishi maisha marefu katika nchi anayokupa Bwana Mungu wako.
16 Fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina.
Kwa maana Bwana Mungu wako humchukia yeyote ambaye hufanya mambo kama haya, yeyote anayetenda kwa udanganyifu.
17 Tsarovy izay nataon’ ny Amalekita taminao teny an-dalana tamin’ ny nandehananareo avy tany Egypta,
Kumbuka kile Waamaleki walichowatendea mlipokuwa njiani mkitoka Misri.
18 dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodi-lalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aorianao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an’ Andriamanitra izy.
Wakati mlipokuwa mmechoka na kuishiwa nguvu kwa safari yenu, wakawapiga wale wote waliokuja nyuma. Waamaleki hawakumwogopa Mungu.
19 Ary rehefa omen’ i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin’ ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin’ ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.
Bwana Mungu wako atakapokupa pumziko mbali na adui zako wote wanaokuzunguka katika nchi akupayo kuimiliki kuwa urithi, utafutilia mbali kumbukumbu lote la Waamaleki chini ya mbingu. Usisahau!

< Deotoronomia 25 >