< Deotoronomia 25 >
1 Raha misy olona manana ady ka mankeo amin’ ny fitsarana ary tsarain’ ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
2 Ary raha tokony hokapohina ny meloka, dia aoka hampandrin’ ny mpitsara izy ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony no isan’ ny kapoka hatao aminy.
3 Hatramin’ ny efa-polo no kapoka azo hatao aminy, fa tsy hatao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany, dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.
4 Aza manakombona ny vavan’ ny omby mively vary.
5 Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty momba ny anankiray, dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin’ ny maty; fa ny rahalahin’ ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy.
6 Ary ny lahimatoa izay haterany dia hitondra ny anaran’ ilay rahalahy izay efa maty, mba tsy ho faty maso eo amin’ ny Isiraely izy.
7 Ary raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hankeo amin’ ny vavahady ho eo amin’ ny loholona ravehivavy ka hanao hoe: Ny rahalahin’ ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny, fa tsy mety mitondra loloha ahy.
8 Dia hantsoin’ ny loholona amin’ ny tanàna ralehilahy ka hadininy; ary raha mikiry izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy,
9 dia hanatona azy eo anatrehan’ ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin’ ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin’ ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin’ izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.
10 Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin’ ny Isiraely hoe: Fianakavian’ ilay nalan-kapa.
11 Raha misy olona miady, ary ny vadin’ ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin’ ny tànan’ izay mamely azy, ary maninjitra ny tànany ka mandray azy an-kasarotana,
12 dia hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny masonao.
13 Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao.
14 Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao.
15 Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro ianao any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
16 Fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina.
17 Tsarovy izay nataon’ ny Amalekita taminao teny an-dalana tamin’ ny nandehananareo avy tany Egypta,
18 dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodi-lalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aorianao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an’ Andriamanitra izy.
19 Ary rehefa omen’ i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin’ ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin’ ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.