< Deotoronomia 24 >

1 Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.
「人若娶妻以後,見她有甚麼不合理的事,不喜悅她,就可以寫休書交在她手中,打發她離開夫家。
2 Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.
婦人離開夫家以後,可以去嫁別人。
3 Ary raha tsy tia an-dravehivavy ilay vao manambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-tànany ka mampiala azy ao an-tranony, na maty ilay nanambady azy taoriana:
後夫若恨惡她,寫休書交在她手中,打發她離開夫家,或是娶她為妻的後夫死了,
4 ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
打發她去的前夫不可在婦人玷污之後再娶她為妻,因為這是耶和華所憎惡的;不可使耶和華-你上帝所賜為業之地被玷污了。」
5 Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
「新娶妻之人不可從軍出征,也不可託他辦理甚麼公事,可以在家清閒一年,使他所娶的妻快活。
6 Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatòka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatòka izany.
「不可拿人的全盤磨石或是上磨石作當頭,因為這是拿人的命作當頭。
7 Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin’ ny Zanak’ Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
「若遇見人拐帶以色列中的一個弟兄,當奴才待他,或是賣了他,那拐帶人的就必治死。這樣,便將那惡從你們中間除掉。
8 Mitandrema ny amin’ ny habokana, ka araho tsara izay rehetra hatoron’ ireo Levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina.
「在大痲瘋的災病上,你們要謹慎,照祭司利未人一切所指教你們的留意遵行。我怎樣吩咐他們,你們要怎樣遵行。
9 Tsarovy izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ i Miriama teny an-dalana tamin’ ny nandehananareo avy tany Egypta.
當記念出埃及後,在路上,耶和華-你上帝向米利暗所行的事。
10 Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.
「你借給鄰舍,不拘是甚麼,不可進他家拿他的當頭。
11 Mijanòna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.
要站在外面,等那向你借貸的人把當頭拿出來交給你。
12 Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka,
他若是窮人,你不可留他的當頭過夜。
13 fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao izany.
日落的時候,總要把當頭還他,使他用那件衣服蓋着睡覺,他就為你祝福;這在耶和華-你上帝面前就是你的義了。
14 Aza manao fitondrana sarotra amin’ ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin’ ny taninao sy ao an-tanànanao.
「困苦窮乏的雇工,無論是你的弟兄或是在你城裏寄居的,你不可欺負他。
15 Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin’ ny fony; fandrao hitaraina amin’ i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany.
要當日給他工價,不可等到日落-因為他窮苦,把心放在工價上-恐怕他因你求告耶和華,罪便歸你了。
16 Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy; fa samy hatao maty amin’ ny fahotany avy ihany ny olona.
「不可因子殺父,也不可因父殺子;凡被殺的都為本身的罪。
17 Aza manao fitsarana miangatra amin’ ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ ny mpitondratena ho tsatòka.
「你不可向寄居的和孤兒屈枉正直,也不可拿寡婦的衣裳作當頭。
18 Fa tsarovy fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
要記念你在埃及作過奴僕。耶和華-你的上帝從那裏將你救贖,所以我吩咐你這樣行。
19 Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ ny asa rehetra ataon’ ny tananao.
「你在田間收割莊稼,若忘下一捆,不可回去再取,要留給寄居的與孤兒寡婦。這樣,耶和華-你上帝必在你手裏所辦的一切事上賜福與你。
20 Raha manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
你打橄欖樹,枝上剩下的,不可再打;要留給寄居的與孤兒寡婦。
21 Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
你摘葡萄園的葡萄,所剩下的,不可再摘;要留給寄居的與孤兒寡婦。
22 Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
你也要記念你在埃及地作過奴僕,所以我吩咐你這樣行。

< Deotoronomia 24 >