< Deotoronomia 24 >

1 Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.
Ngati mwamuna wakwatira mkazi amene sakukondwera naye chifukwa wapeza vuto pa mkaziyo, namulembera mkaziyo kalata ya chisudzulo, namupatsa ndi kumutulutsa mʼnyumba mwake,
2 Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.
mkaziyo ndi kukakwatiwa ndi mwamuna wina,
3 Ary raha tsy tia an-dravehivavy ilay vao manambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-tànany ka mampiala azy ao an-tranony, na maty ilay nanambady azy taoriana:
ndipo mwamuna wachiwiriyo nʼkuyipidwa nayenso ndi kumulemberanso kalata ya chisudzulo nʼkumutulutsa mʼnyumba mwake, kapena ngati mwamunayo amwalira,
4 ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
mwamuna wake woyamba uja, amene anamuleka saloledwanso kumukwatira kachiwiri popeza mkaziyo wadetsedwa. Chimenechi ndi chonyansa pamaso pa Yehova. Musalowetse tchimo mʼdziko limene Yehova Mulungu wanu akukupatsani ngati cholowa chanu.
5 Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
Mwamuna akangokwatira kumene asamatumizidwe ku nkhondo kapena kupatsidwa ntchito ina iliyonse. Kwa chaka chathunthu akhale ndi ufulu wokhala pa khomo pake kumasangalatsa mkazi wakeyo.
6 Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatòka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatòka izany.
Munthu akakhala nanu ndi ngongole musamutengere mwala wake wa mphero ngati chikole, chifukwa kutero nʼkumutengera moyo kukhala chikole cha ngongole.
7 Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin’ ny Zanak’ Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Ngati munthu agwidwa akuba mʼbale wake wa Chiisraeli namamuzunza ngati kapolo kapena kumugulitsa, wogulitsa mnzakeyo ayenera kuphedwa. Muyenera kuchotsa choyipa pakati panu.
8 Mitandrema ny amin’ ny habokana, ka araho tsara izay rehetra hatoron’ ireo Levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina.
Pakagwa matenda a khate, samalitsani kuchita zonse zimene ansembe, amene ndi Alevi, anakulangizani. Mutsatire mosamalitsa zimene ndinawalamula.
9 Tsarovy izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ i Miriama teny an-dalana tamin’ ny nandehananareo avy tany Egypta.
Kumbukirani zimene Yehova Mulungu wanu anachita kwa Miriamu muli paulendo mutatuluka mu Igupto.
10 Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.
Ukabwereketsa mnzako kanthu kena kalikonse, usalowe mʼnyumba mwake kukatenga chimene wachipereka ngati chikole.
11 Mijanòna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.
Uziyima kunja kwa nyumba kuti munthu amene wamubwereketsa kanthuyo akubweretsere kunja komweko.
12 Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka,
Ngati munthuyo ndi wosauka, usamutengere chikolecho mpaka kukagona nacho kwanu.
13 fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao izany.
Pomalowa dzuwa ukhale utamubwezera mkanjo wakewo kuti akafunde. Pamenepo adzakuthokoza, ndipo amenewa adzawerengedwa ngati machitidwe olungama kwa iweyo pamaso pa Yehova Mulungu wako.
14 Aza manao fitondrana sarotra amin’ ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin’ ny taninao sy ao an-tanànanao.
Osamapezera mwayi pa anthu aganyu osauka ndi aumphawi, kaya ndi Mwisraeli kapena mlendo wokhala mu umodzi mwa mizinda yanu.
15 Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin’ ny fony; fandrao hitaraina amin’ i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany.
Mumulipire malipiro ake a tsiku dzuwa lisanalowe chifukwa ndi wosauka ndipo akudalira malipirowo. Kupanda kutero adzakudandaulirani kwa Yehova ndipo mudzapezeka ochimwa.
16 Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy; fa samy hatao maty amin’ ny fahotany avy ihany ny olona.
Makolo asaphedwe chifukwa cha ana awo, ndipo ana asaphedwe chifukwa cha makolo awo, koma aliyense ayenera kufa chifukwa cha zolakwa zake.
17 Aza manao fitsarana miangatra amin’ ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ ny mpitondratena ho tsatòka.
Musachitire mlendo kapena mwana wamasiye zoyipa, kapena kulanda mkazi wamasiye chovala ngati chikole cha ngongole.
18 Fa tsarovy fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
Kumbukirani kuti munali akapolo mʼdziko la Igupto ndipo Yehova Mulungu wanu anakuwombolani kumeneko. Nʼchifukwa chake ndikukulamulani kuti muzichita zimenezi.
19 Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ ny asa rehetra ataon’ ny tananao.
Mukamakolola mʼmunda mwanu ndipo zokolola zina zikasiyidwa, musamabwerere kukazitola. Muzilekere alendo, ana ndi akazi amasiye, kuti Yehova Mulungu wanu akudalitseni pa zochita zanu zonse.
20 Raha manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
Mukathyola zipatso mu mtengo wa olivi, musamabwererenso kachiwiri ku mtengo womwewo. Zotsalazo zilekereni alendo, ana ndi akazi amasiye.
21 Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
Mukakolola mphesa mʼmunda mwanu musamabwereremonso kachiwiri. Zotsalazo muzilekere alendo, ana ndi akazi amasiye.
22 Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
Kumbukirani kuti munali akapolo mʼdziko la Igupto. Nʼchifukwa chake ndikukulamulani kuti muzichita zimenezi.

< Deotoronomia 24 >