< Deotoronomia 23 >

1 Tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany.
He that is fractured or mutilated in his private parts shall not enter into the assembly of the Lord.
2 Ny zazasary tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
[One born] of a harlot shall not enter into the assembly of the Lord.
3 Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah hatramin’ ny mandrakizay ireny,
The Ammanite and Moabite shall not enter into the assembly of the Lord, even until the tenth generation he shall not enter into the assembly of the Lord, even for ever:
4 satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an’ i Balama, zanak’ i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
because they met you not with bread and water by the way, when you went out of Egypt; and because they hired against you Balaam the son of Beor of Mesopotamia to curse you.
5 Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an’ i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao.
But the Lord your God would not listen to Balaam; and the Lord your God changed the curses into blessings, because the Lord your God loved you.
6 Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin’ ny andronao rehetra mandrakizay.
You shall not speak peaceably or profitably to them all your days for ever.
7 Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin’ ny taniny ianao.
You shall not abhor an Edomite, because he is your brother; you shall not abhor an Egyptian, because you were a stranger in his land.
8 Ny zafiafin’ ireo dia hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
If sons be born to them, in the third generation they shall enter into the assembly of the Lord.
9 Raha mivoaka hiady amin’ ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra.
And if you should go forth to engage with your enemies, then you shall keep you from every wicked thing.
10 Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin’ ny alina, dia hivoaka eny ivelan’ ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny.
If there should be in you a man who is not clean by reason of his issue by night, then he shall go forth out of the camp, and he shall not enter into the camp.
11 Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin’ ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin’ ny toby indray izy.
And it shall come to pass toward evening he shall wash his body with water, and when the sun has gone down, he shall go into the camp.
12 Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan’ ny toby ho fivoahanao;
And you shall have a place outside of the camp, and you shall go out there,
13 ary mitondrà fantaka miaraka amin’ ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin’ ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.
and you shall have a trowel on your girdle; and it shall come to pass when you would relieve yourself abroad, that you shall dig with it, and shall bring back the earth and cover your nuisance.
14 Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan’ ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masìna ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.
Because the Lord your God walks in your camp to deliver you, and to give up your enemy before your face; and your camp shall be holy, and there shall not appear in you a disgraceful thing, and [so] he shall turn away from you.
15 Aza atolotrao amin’ ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.
You shall not deliver a servant to his master, who [coming] from his master attaches himself to you.
16 Eo aminao no hitoerany, dia eo amin’ ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
He shall dwell with you, he shall dwell among you where he shall please; you shall not afflict him.
17 Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
There shall not be a harlot of the daughters of Israel, and there shall not be a fornicator of the sons of Israel; there shall not be an idolatress of the daughters of Israel, and there shall not be an initiated person of the sons of Israel.
18 Aza mitondra ny tangin’ ny vehivavy janga, na ny karaman’ alika, ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
You shall not bring the hire of a harlot, nor the price of a dog into the house of the Lord your God, for any vow; because even both are an abomination to the Lord your God.
19 Aza mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina.
You shall not lend to your brother on usury of silver, or usury of meat, or usury of any thing which you may lend out.
20 Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.
You may lend on usury to a stranger, but to your brother you shall not lend on usury; that the Lord your God may bless you in all your works upon the land, into which you are entering to inherit it.
21 Raha mivoady amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao.
And if you will vow a vow to the Lord your God, you shall not delay to pay it; for the Lord your God will surely require it of you, and [otherwise] it shall be sin in you.
22 Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany.
But if you should be unwilling to vow, it is not sin in you.
23 Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin’ i Jehovah ihany, dia izay nolazain’ ny vavanao.
You shall observe the words that proceed from between your lips; and as you have vowed a gift to the Lord God, [so] shall you do that which you have spoken with your mouth.
24 Raha mankany amin’ ny tanim-boaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody.
And if you should go into the corn field of your neighbor, then you may gather the ears with your hands; but you shall not put the sickle to your neighbor's corn.
25 Raha mankany amin’ ny tanimbarin’ ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin’ ny namanao.
And if you should go into the vineyard of your neighbor, you shall eat grapes sufficient to satisfy your desire; but you may not put them into a vessel.

< Deotoronomia 23 >