< Deotoronomia 23 >

1 Tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany.
Tuenla hoehpawiteh, tongpa e puengcang tâtueng lah kaawm e teh BAWIPA e tamihu dawk kâen mahoeh.
2 Ny zazasary tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
Cataca teh, BAWIPA e tamihu dawk kâen mahoeh. Se hra totouh kâen mahoeh.
3 Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah hatramin’ ny mandrakizay ireny,
Amon miphun hoi Moab miphun hai BAWIPA e tamihu dawk kâen mahoeh. Se hra totouh kâen mahoeh.
4 satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an’ i Balama, zanak’ i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
Bangkongtetpawiteh, nangmouh ni Izip ram hoi na tâco awh navah, ahnimouh ni vaiyei hoi tui a sin awh teh na dawn awh hoeh. Nangmouh thoebo sak hanelah, Mesopotamia ram, Pethor kho e Beor capa Balaam hah a hlai awh.
5 Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an’ i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao.
Hatei, nange BAWIPA Cathut ni Balaam e lawk tarawi pouh hoeh. Nang na pahren dawkvah, thoebonae hah yawhawinae lah a kâthungsak.
6 Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin’ ny andronao rehetra mandrakizay.
Nang teh ahnimae bawirengnae hoi a hnopai na hringyung thung na khen mahoeh.
7 Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin’ ny taniny ianao.
Edom miphunnaw hah, na pahnawt awh mahoeh. Ahni teh nange hmaunawngha lah ao. Izipnaw hai na pahnawt mahoeh. Ahnimae ram dawk san lah ouk na o boi toe.
8 Ny zafiafin’ ireo dia hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
Ahnimae catoun teh se thum touh hnukkhu BAWIPA e tamihu dawk a kâen thainae kâ ao.
9 Raha mivoaka hiady amin’ ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra.
Taran tuknae koe na kamthaw nah, kamsoumhoehe hno pueng rounh.
10 Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin’ ny alina, dia hivoaka eny ivelan’ ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny.
Nangmouh thung dawk tami bangpatet hai amae a tâco dawk thounghoehnae awm pawiteh, roenae alawilah a tâco han. Roenae thung kâen mahoeh.
11 Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin’ ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin’ ny toby indray izy.
Tangminlasa a pha toteh tui hoi a pâsu han. Kanî a khup torei roenae thung bout a kâen han.
12 Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan’ ny toby ho fivoahanao;
Vaipuen ceinae teh roenae alawilah na ta awh han. Hote hmuen koe alawilah na cei awh han.
13 ary mitondrà fantaka miaraka amin’ ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin’ ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.
Na hnopainaw dawk sumtaboung na tawn han. Nang ni a alawilah na tahung toteh, hot hoi tangkawm na tai vaiteh, na kamlang sin vaiteh, na vaipuen hah na pakawp han.
14 Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan’ ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masìna ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.
Bangkongtetpawiteh, nange BAWIPA Cathut ni nang hah na rungngang vaiteh, na tarannaw hah nang koe na poe nahanelah, roenae thung a kâhlai toe. Hatdawkvah, BAWIPA teh nang koe a tho navah, nangmouh koe kathounghoehe hah hmawt vaiteh, nangmouh koehoi a kamlang hoeh nahanelah, roenae teh a thoung han.
15 Aza atolotrao amin’ ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.
A bawipa koehoi ka yawng niteh, nang koe ka tho e san teh a bawipa koe na ban sak mahoeh.
16 Eo aminao no hitoerany, dia eo amin’ ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
Nangmouh koe kho a sak thai nahan a ngai poung e hmuen a rawi vaiteh, ao van han. Na pacekpahlek mahoeh.
17 Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
Isarel napuinaw thung takkâyawt e awm hanh naseh. Napuitongpanaw awm hanh naseh.
18 Aza mitondra ny tangin’ ny vehivavy janga, na ny karaman’ alika, ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
Takkâyonae phu hoi ui phu hah na BAWIPA Cathut e im dawk poe hanelah na sin mahoeh. Hot patetlah e hno teh, na BAWIPA Cathut hanelah panuettho e lah ao.
19 Aza mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina.
Na hmaunawngha koe apung la hanelah, tangka, rawca, apung la thai e hnopai pueng na cawi mahoeh.
20 Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.
Jentelnaw koe apung la hanelah na cawi sak awh han. Na cei awh teh na coe awh hane ram, na BAWIPA Cathut ni yawhawi na poe awh nahanelah, na hmaunawngha koe apung la hanelah na cawi sak awh mahoeh.
21 Raha mivoady amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao.
Nange BAWIPA Cathut koe lawk na kam pawiteh, na kam e patetlah sak laipalah awm hanh. Nange BAWIPA Cathut ni atangcalah, a hei han. Na sak laipalah na awm pawiteh, nang koe a yonae a pha han.
22 Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany.
Hatei, lawk na kam hoehpawiteh, yon mahoeh.
23 Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin’ i Jehovah ihany, dia izay nolazain’ ny vavanao.
Na pahni dawk hoi ka tâcawt e lawk hah na kâhruetcuet han. Na BAWIPA Cathut koe nama lungtho lahoi na kam e patetlah na sak han.
24 Raha mankany amin’ ny tanim-boaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody.
Nang teh, na imri e misur takha koe na kâen navah, misur paw na ngai totouh na ca han, hatei, na yawngya dawk hoi na phawt pouh mahoeh.
25 Raha mankany amin’ ny tanimbarin’ ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin’ ny namanao.
Na imri e laikawk na cei navah, na kut hoi cavui hah na pahroe thai. Hatei, na imri e cavui hah tangkoun hoi na ca mahoeh.

< Deotoronomia 23 >