< Deotoronomia 22 >

1 Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin’ ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin’ ny rahalahinao mihitsy izany.
Si tu vois errant dans le chemin le bœuf de ton frère, ou sa brebis, tu ne les y laisseras pas; tu te hâteras de les ramener à ton frère et tu les lui rendras.
2 Ary raha tsy akaiky anao, na tsy fantatrao, ny rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra aminao mandra-pitadin’ ny rahalahinao azy, dia haverinao any aminy.
Si ton frère ne demeure point près de toi, si tu ne le connais pas, tu mèneras la bête en ta maison, ou elle restera jusqu'à ce que ton frère la réclame, alors tu la lui rendras.
3 Ary toy izany koa no hataonao amin’ ny borikiny, na ny fitafiany, na ny zavatry ny rahalahinao, na inona na inona izay very ka hitanao; fa aza atao tsy ho raharahanao izany.
Tu feras de même pour son âne, pour son manteau, pour tout ce qu'aura perdu ton frère; quoi que ce soit qu'il ait perdu, si tu le trouves, tu ne pourras pas le négliger.
4 Ary raha hitanao ny borikin’ ny rahalahinao, na ny ombiny, potraka any an-dalana, dia aza atao tsy ho raharahanao izany; fa manampia ny rahalahinao hanarina azy.
Aussitôt que tu auras vu l'âne de ton frère ou son bœuf tombé dans le chemin, tu ne passeras pas outre sans l'aider à le relever.
5 Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.
La femme ne portera pas de vêtements d'homme, l'homme ne portera pas de robe de femme; quiconque fait ces choses est en abomination au Seigneur ton Dieu.
6 Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin’ ny efa foy, na mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny mbamin’ ny zanany.
Si tu trouves devant toi dans le chemin, ou sur un arbre, ou à terre, un nid d'oiseau, avec les petits ou les œufs, et la mère qui les couve, tu ne prendras pas la mère en même temps que sa couvée;
7 Alefaso mihitsy ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, mba hahita soa ianao ka ho maro andro.
Tu laisseras aller la mère et n'emporteras que la couvée, afin que tu sois heureux et que tu vives de longs jours.
8 Raha manao trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin’ ny rà ho ao an-tranonao ianao.
Si tu achèves de bâtir une maison, tu y mettras une balustrade, et tu n'auras point occasionné de meurtre en ta maison, si quelqu'un vient à tomber de la terrasse.
9 Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao.
Tu ne sèmeras pas dans ta vigne de graines de diverses espèces, de peur que le grain que tu aurais semé ne soit consacré en même temps que le fruit de ta vigne.
10 Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.
Tu n'attelleras pas ensemble pour labourer un bœuf et un âne.
11 Aza mitafy lamba volon’ ondry sy rongony mifamahofaho.
Tu ne te revêtiras pas d'étoffes trompeuses de laine et de lin tissus ensemble.
12 Asio somotraviaviny ny zorony efatra amin’ ny lambanao izay itafianao.
Tu te feras des torsades sur les quatre franges des manteaux que tu porteras.
13 Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,
Si un homme a pris une femme, si, ayant cohabité avec elle, il la prend en haine.
14 dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:
S'il la flétrit par ses prétextes, s'il lui donne un mauvais renom, disant: J'ai pris cette femme, j'ai eu commerce avec elle, je n'ai point trouvé chez elle les signes de la virginité,
15 dia halain’ ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virijina ka ho entiny ho eo amin’ ny loholona amin’ ny tanàna eo am-bavahady.
Le père et la mère de la femme présenteront aux anciens, devant la porte de la ville, les preuves de la virginité de leur enfant;
16 Dia hiteny amin’ ny loholona ny rain-drazazavavy hoe: Ny zanako-vavy nomeko ho vadin’ io lehilahy io, kanefa tsy tiany indray izy;
Le père et la mère de la femme diront aux anciens: J'ai donné ma fille que voici pour femme à cet homme et il l'a prise en haine,
17 ary indro fa efa noharatsiny izy ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina; kanefa indreto ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan’ ny loholona amin’ ny tanàna izy mivady.
Et il la flétrit par ses prétextes, disant: Je n'ai point trouvé à ta fille les signes de la virginité. Or, voici les preuves de la virginité de ma fille; à ces mots ils déploieront le vêtement devant les anciens de la ville.
18 Ary halain’ ny loholona amin’ ny tanàna izany lehilahy izany ka hofaizany.
Alors, les anciens prendront le mari et lui feront une réprimande.
19 Dia hosaziny sekely volafotsy zato koa izy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baraka ny virijina anankiray tamin’ ny Isiraely ralehilahy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony hisaorana amin’ ny andro rehetra hiainany.
Puis, ils le condamneront à une amende de cent sicles, qu'ils donneront au père de la jeune femme, parce que l'époux aura terni le renom d'une vierge israélite; celle-ci restera sa femme, et il ne pourra jamais la répudier.
20 Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina,
Mais si les paroles de l'époux sont véritables, si l'on n'a point trouvé chez la jeune femme les signes de la virginité,
21 dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan’ ny mponina amin’ ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
On entraînera la jeune femme devant la maison de son père; elle sera lapidée, elle mourra, parce qu'elle se sera livrée à l'impudicité parmi les fils d'Israël, et se sera prostituée dans la maison de son père; ainsi vous aurez déraciné du milieu de vous le mal.
22 Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin’ olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny fanao ratsy.
Si un homme est trouvé couché avec la femme d'autrui, faites-les mourir tous les deux, la femme et l'homme surpris avec elle, et tous aurez déraciné parmi vous le mal.
23 Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin’ olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy,
Si une jeune vierge est fiancée à un homme, et si un autre homme l'ayant rencontrée dans la ville a eu commerce avec elle,
24 dia ho entinareo mivoaka ho eo amin’ ny vavahadin’ izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin’ ny vadin’ ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Conduisez-les tous les deux devant la porte de la ville, lapidez-les, qu'ils meurent: la jeune fille, parce que dans la ville, elle n'aura point crié au secours; l'homme, parce qu'il aura souillé la femme de son prochain; ainsi vous aurez déraciné parmi vous le mal.
25 Fa raha any an-tsaha kosa no ahitan-dralehilahy an-drazazavavy voafofo ho vadin’ olona, ary misavika azy ralehilahy ka mandry aminy, dia ralehilahy izay nandry taminy ihany no hatao maty.
Mais si l'homme a surpris la fille aux champs, et si, usant de violence, il a eu commerce avec elle, ne faites périr que l'homme qui aura abusé d'elle.
26 Fa ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona; fa tsy misy ota tokony hahafaty azy; fa tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy no hevitr’ izany zavatra izany.
Quant à la jeune fille, elle ne sera point coupable du crime capital, mais l'homme sera punissable autant que s'il s'était levé contre son prochain et l'eût tué.
27 Fa tany an-tsaha no nahitany azy; ary niantso ihany razazavavy voafofo ho vadin’ olona, nefa tsy nisy hamonjy azy.
Parce qu'il aura surpris la jeune fiancée dans les champs, et que, quand même elle eut crié, il n'y aurait eu là personne pour la secourir.
28 Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin’ olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa,
Si un homme rencontre une jeune fille vierge et non fiancée, si, usant de violence, il a commerce avec elle et s'il est surpris,
29 dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an’ ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin’ ny andro rehetra hiainany.
Il donnera au père de la jeune fille cinquante doubles drachmes d'argent, et elle sera sa femme, car il aura attenté à son honneur: il ne pourra jamais la répudier.
30 Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin’ izay nandrian-drainy.
Nul ne prendra la femme de son père, et ne soulèvera la couverture de son père.

< Deotoronomia 22 >