< Deotoronomia 21 >

1 Raha tahìny misy maty novonoin’ olona hita miampatra any an-tsaha amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,
If one be found slain in the land which the LORD your God gives you to possess it, lying in the field, and it isn't known who has struck him;
2 dia hivoaka ny loholonao sy ny mpitsaranao ka horefesiny hatreo amin’ ny faty ka hatramin’ izay tanàna manodidina azy.
then your elders and your judges shall come forth, and they shall measure to the cities which are around him who is slain:
3 Ary ny loholona amin’ ny tanàna izay akaikin’ ny faty indrindra dia haka ombivavy kely izay tsy mbola nampiasaina na nasiana zioga hitarihany.
and it shall be, that the city which is nearest to the slain man, even the elders of that city shall take a heifer of the herd, which hasn't been worked with, and which has not drawn in the yoke;
4 Ary ilay ombivavy kely dia ho entin’ ny loholona amin’ izany tanàna izany midìna any amin’ izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.
and the elders of that city shall bring down the heifer to a valley with running water, which is neither plowed nor sown, and shall break the heifer's neck there in the valley.
5 Ary ireo mpisorona, taranak’ i Levy, dia hanatona, fa izy no nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin’ ny anaran’ i Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny vonoana rehetra;
The priests the sons of Levi shall come near; for them the LORD your God has chosen to minister to him, and to bless in the name of the LORD; and according to their word shall every controversy and every stroke be.
6 ary ny loholona rehetra amin’ izany tanàna akaikin’ ny faty izany dia hanasa ny tànany eo ambonin’ ilay ombivavy kely izay efa voafolaka tany an-dohasaha ny vozony;
All the elders of that city, who are nearest to the slain man, shall wash their hands over the heifer whose neck was broken in the valley;
7 dia hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Tsy ny tananay no nandatsaka ity rà ity, sady tsy nahita izany ny masonay.
and they shall answer and say, "Our hands have not shed this blood, neither have our eyes seen it.
8 Jehovah ô, mamelà ny heloky ny Isiraely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Isiraely olonao ny rà marina! Dia ho afa-keloka ny amin’ izany rà izany izy.
Forgive, LORD, your people Israel, whom you have redeemed, and do not allow innocent blood in the midst of your people Israel." The blood shall be forgiven them.
9 Ka dia hesorinao ho afaka aminao ny rà marina, raha hanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah ianao.
So you shall put away the innocent blood from the midst of you, when you shall do that which is right in the eyes of the LORD.
10 Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao, ary atolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy ka voababonao,
When you go forth to battle against your enemies, and the LORD your God delivers them into your hands, and you carry them away captive,
11 ary misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin’ ny babo ka tianao hovadina,
and see among the captives a beautiful woman, and you desire to take her to be your wife;
12 dia ento ho ao an-tranonao izy, ka asaovy haratany ny lohany sy alàny ny hohony,
then you shall bring her home to your house; and she shall shave her head, and trim her nails;
13 ary asaovy esoriny koa ny fitafiany tamin’ ny nahababo azy, dia aoka hitoetra ao an-tranonao andro iray volana izy hitomany ny ray aman-dreniny; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo mandry aminy ianao ka ho tompom-bady azy, ary ho vadinao izy.
and she shall remove the clothing she was wearing when captured, and shall remain in your house, and mourn her father and her mother a full month. And after that you may go in to her and be her husband, and she shall be your wife.
14 Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.
It shall be, if you are not pleased with her, then you must let her go where she wants; but you may not sell her for money or treat her as a commodity, since you have had relations with her.
15 Raha misy lehilahy mamporafy, ka ny anankiray tiany, fa ny anankiray kosa tsy tiany, ary samy miteraka zaza aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak’ ilay tsy tiany no lahimatoa:
If a man has two wives, the one loved, and the other unloved, and they have borne him children, both the loved and the unloved; and if the firstborn son is hers who was unloved;
16 amin’ ny andro handidiany fananana ho an’ ny zananilahy dia tsy azo hatao lahimatoa ny zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany ny zanaky ny tsy tiany, izay tena lahimatoany;
then it shall be, in the day that he causes his sons to inherit that which he has, that he may not make the son of the loved the firstborn before the son of the unloved, who is the firstborn:
17 fa ny lahimatoa, zanak’ ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa amin’ izay rehetra ananany; fa voalohan’ ainy izy, ka azy ny fizokiana.
but he shall acknowledge the firstborn, the son of the unloved, by giving him a double portion of all that he has; for he is the beginning of his strength; the right of the firstborn is his.
18 Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon’ ny rainy, na ny feon’ ny reniny, ka tsy zakany anarina,
If a man have a stubborn and rebellious son, who will not obey the voice of his father, or the voice of his mother, and, though they chasten him, will not listen to them;
19 dia hosamborin’ ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin’ ny loholona amin’ ny tanànany, eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna onenany,
then shall his father and his mother lay hold on him, and bring him out to the elders of his city, and to the gate of his place;
20 dia hiteny amin’ ny loholona amin’ ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony.
and they shall tell the elders of his city, "This our son is stubborn and rebellious, he will not obey our voice; he is a glutton, and a drunkard."
21 Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra.
All the men of his city shall stone him to death with stones: so you shall put away the evil from the midst of you; and all Israel shall hear, and fear.
22 Ary raha misy olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka atao maty ary ahantona amin’ ny hazo.
If a man have committed a sin worthy of death, and he be put to death, and you hang him on a tree;
23 dia tsy havela hiloaka alina eo amin’ ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr’ iny ihany izy (fa voaozon’ Andriamanitra ny mihantona amin’ ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.
his body shall not remain all night on the tree, but you shall surely bury him the same day; for everyone who hangs on a tree is cursed by God; that you do not defile your land which the LORD your God gives you for an inheritance.

< Deotoronomia 21 >