< Deotoronomia 18 >

1 Ny Levita mpisorona, dia ny firenen’ i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin’ ny Isiraely; ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah sy ny anjaran’ i Jehovah no ho fihinany.
Les prêtres, les Lévites, et tous ceux qui sont de la même tribu n’auront point de part et d’héritage avec le reste d’Israël, parce qu’ils mangeront des sacrifices du Seigneur et de ses oblations;
2 Fa tsy hanan-dova eo amin’ ny rahalahiny izy; Jehovah no lovany, araka izay nolazainy taminy.
Et ils ne recevront rien autre chose de la possession de leurs frères; car le Seigneur lui-même est leur héritage, comme il leur a dit.
3 Ary izao no ho anjaran’ ny mpisorona avy amin’ ny olona, dia avy amin’ izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an’ ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny;
Voici le droit des prêtres sur le peuple, et sur ceux qui offrent les victimes; soit qu’ils immolent un bœuf ou une brebis, ils donneront au prêtre l’épaule et la poitrine;
4 ary ny voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan’ ny volon’ ondrinao no homenao azy.
Les prémices du blé, du vin, de l’huile et une partie de la tonte des brebis;
5 Fa izy sy ny taranany no nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin’ ny anaran’ i Jehovah.
Car c’est lui que le Seigneur ton Dieu a choisi d’entre toutes les tribus, afin qu’il assiste devant le Seigneur, et qu’il exerce le ministère en son nom, lui et ses enfants pour toujours.
6 Ary raha misy Levita miala amin’ ny tanànanao anankiray, izay nivahiniany, amin’ ny Isiraely rehetra, ka mandeha araka ny fanirian’ ny fony ho any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah,
Si un Lévite sort d’une de vos villes de tout Israël, dans laquelle il habite, et qu’il veuille et désire venir au lieu qu’aura choisi le Seigneur,
7 ka manao fanompoam-pivavahana amin’ ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny, tahaka ny Levita rahalahiny rehetra, izay mitsangana eo anatrehan’ i Jehovah,
Il exercera le ministère au nom du Seigneur son Dieu, comme tous ses frères les Lévites, qui assisteront en ce temps-là devant le Seigneur.
8 dia anjara mitovy amin’ ny an’ ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay vidin’ ny azony tamin-drainy.
Il recevra la même part d’aliments que tous les autres, outre ce qu’il lui est dû dans sa ville de la succession paternelle.
9 REHEFA tonga any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon’ ireo firenena ireo.
Quand tu seras entré dans la terre que le Seigneur ton Dieu te donnera, prends garde de vouloir imiter les abominations de ces nations;
10 Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,
Et qu’il ne se trouve au milieu de toi personne qui purifie son fils ou sa fille, les faisant passer par le feu, ou qui interroge des devins, et qui observe les songes et les augures, ni qui use de maléfices,
11 na manao ho masim-bava, na mpanadina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ ny maty.
Ni qui soit enchanteur, ni qui consulte ceux qui ont l’esprit de python et les devins, ou qui demande aux morts la vérité;
12 Fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao.
Car le Seigneur a toutes ces choses en abomination, et c’est à cause de ces sortes de crimes qu’il détruira ces nations à ton entrée.
13 Aoka ho tanteraka amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.
Tu seras parfait et sans tache avec le Seigneur ton Dieu.
14 Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan’ i Jehovah Andriamanitrao hanao izany.
Ces nations dont tu posséderas la terre, écoutent les augures et les devins; mais toi, tu as été instruit autrement par le Seigneur ton Dieu.
15 Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo;
Le Seigneur ton Dieu te suscitera un Prophète de ta nation et d’entre tes frères, comme moi; c’est lui que tu écouteras;
16 araka izay rehetra nangatahinao tamin’ i Jehovah Andriamanitrao tao Horeba tamin’ ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty.
Comme tu as demandé au Seigneur ton Dieu à Horeb, quand l’assemblée fut réunie, et comme tu as dit: Que je n’entende plus la voix du Seigneur mon Dieu, et que je ne voie plus ce très grand feu, afin que je ne meure pas.
17 Dia hoy Jehovah tamiko: Tsara ny teny izay nolazainy.
Et le Seigneur me répondit: Ils ont bien dit toutes choses.
18 Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.
Je leur susciterai un prophète du milieu de leurs frères, semblable à toi, et je mettrai mes paroles en sa bouche, et il leur dira tout ce que je lui aurai ordonné.
19 Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.
Or, celui qui ne voudra pas écouter ses paroles, qu’il dira en mon nom, c’est moi qui m’en vengerai.
20 Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ ny anaran’ andriamani-kafa, dia hatao maty.
Mais le prophète qui, corrompu par orgueil, voudra dire en mon nom des choses que je ne lui ai pas ordonné de dire, ou qui parlera au nom de dieux étrangers, sera mis à mort.
21 Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain’ i Jehovah?
Que si tu réponds secrètement par la pensée: Comment puis-je discerner la parole que le Seigneur n’a pas dite?
22 Raha miteny amin’ ny anaran’ i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain’ i Jehovah izany: tamin’ ny fahasahisahiana no nilazan’ ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
Tu auras ce signe: Ce que ce prophète aura prédit au nom du Seigneur, n’arrivant pas, le Seigneur ne l’a pas dit, mais c’est par l’enflure de son esprit que le prophète l’a inventé: et c’est pourquoi tu ne le craindras pas.

< Deotoronomia 18 >