< Deotoronomia 16 >
1 Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao fa tamin’ ny volana Abiba no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny alina.
Take note of the month of Abib and keep the Passover to the Lord your God: for in the month of Abib the Lord your God took you out of Egypt by night.
2 Ary vonoy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman’ osy sy omby, eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah hampitoerany ny anarany.
The Passover offering, from your flock or your herd, is to be given to the Lord your God in the place marked out by him as the resting-place of his name.
3 Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin’ ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta.
Take no leavened bread with it; for seven days let your food be unleavened bread, that is, the bread of sorrow; for you came out of the land of Egypt quickly: so the memory of that day, when you came out of the land of Egypt, will be with you all your life.
4 Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao ao anatin’ ny fari-taninao rehetra hafitoana; ary aoka tsy hisy hitoetra miloaka alina ny henan’ ny fanatitra izay novonoinao tamin’ ny harivan’ ny andro voalohany.
For seven days let no leaven be used through all your land; and nothing of the flesh which is put to death in the evening of the first day is to be kept through the night till morning.
5 Tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tanànanao rehetra izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao;
The Passover offering is not to be put to death in any of the towns which the Lord your God gives you:
6 fa eo amin’ ny fitoerana izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta.
But in the place marked out by the Lord your God as the resting-place of his name, there you are to put the Passover to death in the evening, at sundown, at that time of the year when you came out of Egypt.
7 Ary atsatsiho amin’ ny afo izy, ka hano eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao; ary miverena nony maraina, ka modia any amin’ ny lainao.
It is to be cooked and taken as food in the place marked out by the Lord: and in the morning you are to go back to your tents.
8 Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara-fivoriana ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy hanao raharaha ianao amin’ izany.
For six days let your food be unleavened bread; and on the seventh day there is to be a holy meeting to the Lord your God; no work is to be done.
9 Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin’ ny andro iandohan’ ny fijinjam-bary no hanisanao azy.
Let seven weeks be numbered from the first day when the grain is cut.
10 Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao;
Then keep the feast of weeks to the Lord your God, with an offering freely given to him from the wealth he has given you:
11 ary mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
Then you are to be glad before the Lord your God, you and your son and your daughter, your man-servant and your woman-servant, and the Levite who is with you, and the man from a strange country, and the child without a father, and the widow, who are living among you, in the place marked out by the Lord your God as a resting-place for his name.
12 Ary tsarovy fa andevo tany Egypta ianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo.
And you will keep in mind that you were a servant in the land of Egypt: and you will take care to keep all these laws.
13 Tandremo hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin’ ny famoloanao sy ny famiazanao.
You are to keep the feast of tents for seven days after you have got in all your grain and made your wine:
14 Ary mifalia amin’ ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao.
You are to keep the feast with joy, you and your son and your daughter, your man-servant and your woman-servant, and the Levite, and the man from a strange country, and the child without a father, and the widow, who are living among you.
15 Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao.
Keep the feast to the Lord your God for seven days, in the place marked out by the Lord: because the blessing of the Lord your God will be on all the produce of your land and all the work of your hands, and you will have nothing but joy.
16 Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, eo amin’ ny tany izay hofidiny, dia amin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah;
Three times in the year let all your males come before the Lord your God in the place named by him; at the feast of unleavened bread, the feast of weeks, and the feast of tents: and they are not to come before the Lord with nothing in their hands;
17 fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian’ i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.
Every man is to give as he is able, in the measure of the blessing which the Lord your God has given you.
18 Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin’ ny fitsarana marina ireo.
You are to make judges and overseers in all your towns which the Lord your God gives you, for every tribe: and they are to be upright men, judging the people in righteousness.
19 Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’ olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny hendry ary mamadika ny tenin’ ny marina.
You are not to be moved in your judging by a man's position, you are not to take rewards; for rewards make the eyes of the wise man blind, and the decisions of the upright false.
20 Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Let righteousness be your guide, so that you may have life, and take for your heritage the land which the Lord your God is giving you.
21 Aza manangana hazo ho Aseraha ho anao eo anilan’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao, izay ataonao ho anao.
Let no holy tree of any sort be planted by the altar of the Lord your God which you will make.
22 Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan’ i Jehovah Andriamanitrao izany.
You are not to put up stone pillars, for they are hated by the Lord your God.