< Deotoronomia 15 >

1 Ary isam-pito taona dia manaova fanafahana ianao.
Kila mwisho wa kila miaka saba, mnapaswa kufuta madeni.
2 Ary izao no ho fomban’ ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola tamin’ ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan’ i Jehovah.
Hii ni tabia ya ukombozi. Kila mkopeshaji atafuta kile alichompa jirani yake, hata dai kutoka kwa jirani yake au ndugu yake kwa sababu ufutaji wa madeni wa Yahwe umetangazwa.
3 Ny olona hafa firenena ihany no azonao terena handoa; fa izay anao amin’ ny rahalahinao kosa dia hafoinao;
Kutoka kwa mgeni mnaweza kudai; lakini kwa chochote chenu kilicho na ndugu yenu mnapaswa mkitoe.
4 kanefa tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao,
Hata hivyo, pasiwepo maskini miongoni mwenu (kwa kuwa Yahwe kwa hakika atawabariki kwenye nchi ambayo anawapa kama urithi kumiliki)
5 raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio.
kama peke yenu mnasikiliza kwa bidii sauti ya Yahwe Mungu wenu, kuzishika amri zote ambazo anawaamuru leo.
6 Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao.
Kwa kuwa Yahwe Mungu wenu atawabariki, kama alivyowaahidia; mtakopesha mataifa mengi, lakini hamtaazima; mtaongoza juu ya mataifa mengi, lakini hayatawaongoza ninyi.
7 Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin’ ny taninao izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin’ ny rahalahinao malahelo;
Kama kuna mtu maskini miongoni mwenu, moja wa ndugu zenu, ndani ya malango yenu yoyote kwenye nchi yenu ambayo Yahwe Mungu wenu anawapa, msifanye migumu mioyo yenu wala kufunga mkono wenu toka kwa ndugu yenu,
8 fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy.
Lakini mnapaswa hakika kufungua mkono wenu kwake na hakika mkopeshe yeye vya kutosha hitaji lake.
9 Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin’ i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.
Muwe makini kutokuwa na wazo ovu au potovu katika moyo wenu, kusema, “Mwaka wa saba, mwaka wa ukombozi u karibu; ili kwamba msiwe wachoyo kuhusiana na ndugu zenu maskini na haumpi chochote; anaweza kumlilia Yahwe kuhusu nyie, na itakuwa dhambi yenu.
10 Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao amin’ ny asanao rehetra sy amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao.
Mnapaswa kwa hakika mmpe, na moyo wenu hampaswi kuhuzunika wakati mnampa, kwa sababu kurudishiwa kwa Yahwe huyu Mungu wenu atawabariki katika kazi zenu zote na katika chochote mnaweka mkono wenu.
11 Fa ny tany tsy ilaozan’ olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin’ ny rahalahinao ny tananao, dia amin’ ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ ny taninao.
Kwa kuwa maskini kamwe hatakoma kuishi katika nchi, kwa hiyo nakuamuru wewe na kusema, “Unapaswa kwa hakika ufungue mkono wako kwa ndugu yako, kwa mhitaji wako, na kwa maskini wako katika nchi yako.
12 Raha hamidy aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin’ ny taona fahafito.
Kama ndugu yako, ni mwebrania wa kiume au mwebrania wa kike, ameuzwa kwako na anakutumikia kwa miaka saba, basi katika mwaka wa saba unapaswa umwache aende zake huru.
13 Ary raha hovotsoranao ho afaka izy, dia tsy havelanao handeha fotsiny;
Unapomwacha aende zake huru, usimwache aende mkono mtupu.
14 fa hisy hampitondrainao azy avy amin’ ny ondry aman’ osinao ary avy amin’ ny famoloanao sy ny famiazanao: araka izay efa nitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao no hanomezanao azy.
Unapaswa kwa ukarimu hutoe kwake kutoka mifugo yako, kutoka pura iliyo chini, na kinu chako cha mvinyo. Kama Yahwe Mungu wako alivyokubariki, unapaswa umpe yeye.
15 Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio.
Unapaswa kukumbuka kwamba ulikuwa mtumwa kwenye nchi ya Misri, na kwamba Yahwe Mungu wako alikukomboa; kwa hiyo ninakuamuru leo kufanya hivi.
16 Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao, ka finaritra aminao izy,
Itakuwa kwamba kama atasema kwako, “Sitaenda mbali yako; kwa sababu anakupenda na nyumba yako, na kwa sababu ni mzuri kwako,
17 dia halainao ny haolo ka hotevehinao amin’ ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin’ ny ankizivavinao.
basi unapaswa kuchukua uma na msukumo kupitia sikio lake kwenye mlango, na atakuwa mtumwa wako milele. Na pia kwa mtumwa wako wa kike utafanya vilevile.
18 Aza ataonao ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman’ ny mpikarama no azonao tamin’ ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra ataonao.
Isionekane kuwa vigumu kwako kumwachia aende zake huru, kwa sababu amekutumikia kwa miaka sita na amekupa mara mbili udhamani wa mtu aliyeajiriwa. Yahwe Mungu wako atakubariki katika yote unayofanya.
19 Ny lahy rehetra amin’ ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao dia hohamasininao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’ osinao.
Wazao wote wa kwanza wa kiume katika wanyama na mifugo wako unapaswa uwatenge kwa Yahwe Mungu wako. Hautafanya kazi na mzao wa kwanza wa wanyama wako wala kumnyoa mzao wa kwanza wa mfugo wako.
20 Eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao sy ny ankohonanao azy isan-taona isan-taona eo amin’ ny fitoerana izay hofidin’ i Jehovah.
Unapaswa umle mzaliwa wa kwanza mbele ya Yahwe Mungu wako kila mwaka katika eneo ambalo Yahwe atachagua, wewe na nyumba yako.
21 Fa raha misy kilemany izy: na mandringa, na jamba, na izay kilema ratsy hafa akory, dia aza vonoinao hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ireny.
Kama ina kasoro yoyote- kwa mfano, kama ni kilema au kipofu, au ana kasoro yoyote- haupaswi kumtoa dhabihu kwa Yahwe Mungu wako.
22 Ao an-tanànanao ihany no hihinananao ireny; na ny olona maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
Utamla ndani ya malango yako; mtu asiye najisi na aliye najisi ni sawa unapaswa kula, kama ungekula paa au kulungu.
23 Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin’ ny tany toy ny rano.
Pekee haupaswi kunywa damu yake; unapaswa kuimwanga damu yake juu ya ardhi kama maji.

< Deotoronomia 15 >