< Deotoronomia 13 >
1 Raha tahìny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao
Ngati mneneri kapena wina aliyense amene amanena zamʼtsogolo mwa maloto atuluka pakati panu, nalengeza za chizindikiro chozizwitsa kapena chodabwitsa,
2 sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao,
chinthu nʼkuchitikadi, tsono iyeyo nʼkunena kuti, “Tiyeni titsatire milungu ina, tiyeni tiyipembedze,” (kunena milungu imene simunayidziwe),
3 dia aza mihaino ny tenin’ izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin’ ny fitiavana an’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo.
musamumvere mneneriyo kapena wolotayo. Yehova Mulungu wanu afuna akuyeseni kuti aone ngati mumamukonda ndi mtima wanu wonse ndi moyo wanu wonse.
4 Manaraha an’ i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
Muyenera kutsatira Yehova Mulungu wanu, ndipo ndi Iyeyo amene muyenera kumuopa. Muzisunga malamulo ake ndi kumamumvera, muzimutumikira ndipo kumukangamira Iyeyo.
5 Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin’ i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin’ ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin’ ny lalana izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Mneneri kapena wolotayo ayenera kuphedwa, popeza analalikira zopandukira Yehova Mulungu wanu, amene anakutulutsani ku Igupto ndi kukupulumutsani ku dziko la ukapolo. Wolalikirayo anafuna kukupatutsani pa njira imene Yehova Mulungu wanu anakulamulirani kuti muyitsatire. Muzichotsa choyipa pakati panu.
6 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao),
Ngati mʼbale wanu weniweni kapena mwana wanu wamwamuna kapena wamkazi, kapena mkazi wanu wokondedwa, kapena mnzanu wapamtima akukakamizani mwachinsinsi, nʼkumati, “Tiyeni tipite tikapembedze milungu ina” (milungu imene inuyo kapena makolo anu sanayidziwe,
7 dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin’ ny faran’ ny tany rehetra,
milungu ya anthu okuzungulirani, kaya ndi apafupi kapena akutali, kuchokera kumapeto mpaka kumapeto kwina kwa dziko lapansi),
8 dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran’ ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao;
musamugonjere kapena kumumvera. Musamumvere chisoni. Musamuleke kapena kumutchinjiriza.
9 fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan’ ny vahoaka rehetra.
Mumuphe ndithu. Dzanja lanu likhale loyambirira kumupha, kenaka manja a anthu ena onse.
10 Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin’ i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
Mumuponye miyala mpaka kumupha, chifukwa anafuna kukupatutsani pa njira ya Yehova Mulungu amene anakutulutsani ku Igupto, dziko la ukapolo.
11 Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.
Tsono Aisraeli onse adzamva nachita mantha, ndipo palibe mmodzi pakati panu amene adzachitenso choyipa chotere.
12 Raha mandre teny ianao ny amin’ ny tanànanao anankiray izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrao anao honenana, manao hoe:
Ngati mumvetsedwa kuti ku umodzi mwa mizinda imene Yehova Mulungu wanu akukupatsani kuti mukhalemo,
13 Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao ka nitaona ny mponina ao an-tanànany nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo).
kwapezeka anthu ena oyipa pakati panu ndipo asocheretsa anthu ambiri mʼmizinda yanu, pomanena kuti, “Tiyeni tikapembedze milungu ina” (milungu imene simunayidziwe),
14 dia diniho sy fotory ary adino tsara, ka raha, indro fa nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany,
mukuyenera kufunsa, kulondola ndi kufufuza bwino nkhaniyo. Ndipo ngati zitatsimikizikadi kuti ndi zoona kuti chinthu chonyansa chotere chachitikadi pakati panu,
15 dia asio ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin’ izany tanàna izany, ka levony ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin’ ny lelan-tsabatra.
muyenera kuwapha onse okhala mu mzinda umenewo. Muwonongeretu kwathunthu mzindawo, anthu ake ndi ziweto zake zomwe.
16 Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan’ ny kianja, ka doroy amin’ ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
Katundu yense wa anthu mu mzindawo mumuwunjike pamodzi pakatikati pa bwalo losonkhanako ndipo mutenthe mzindawo pamodzi ndi katundu wake yense monga nsembe yathunthu yopsereza ya kwa Yehova Mulungu wanu. Mzinda umenewo ukhale bwinja mpaka muyaya, usadzamangidwenso.
17 Ary aoka tsy hisy hiraikitra amin’ ny tananao akory ny zavatra efa natolotra holevonina, mba hitsaharan’ i Jehovah amin’ ny fahatezerany mirehitra hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hahamaroany anao araka izay nianianany tamin’ ny razanao,
Musapezeke ndi kanthu kalikonse koyenera kuwonongedwa kuti Yehova abweze mkwiyo wake wochititsa manthawu. Adzakuchitirani chifundo ndi kukumverani chisoni, ndipo adzakuchulukitsani monga analonjeza mwa lumbiro kwa makolo anu,
18 raha hohenoinao ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ka hotandremanao ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, mba hanaovana izay mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao.
chifukwa mumamvera Yehova Mulungu wanu, kusunga malamulo ake onse amene ndikukupatsani lero lino ndi kuchita zoyenera pamaso pake.