< Daniela 1 >

1 Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, no nankanesan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
In the third year of the reign of Jehoiakim, the king of Judah, came Nebuchadnezzar, the king of Babylon, against Jerusalem, and besieged it.
2 Ary ny Tompo nanolotra an’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, mbamin’ ny fanaka sasany tao an-tranon’ Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin’ ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon’ andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ ny trano firaketan’ andriamaniny.
And the Lord gave Jehoiakim, the king of Judah, into his hand, with part of the vessels of the house of God; and he carried them into the land of Shinar, to the house of his god; and he brought the vessels into the treasure-house of his god.
3 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Aspenaza, lehiben’ ny tandapany, hitondra ny sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely, dia amin’ ny zanak’ andriana na amin’ ny ambony firazanana,
And the king commanded Ashpenaz, the master of his eunuchs, that he should bring certain of the sons of Israel of the king's race, and of the princes,
4 dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin’ ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan’ ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin’ ny Kaldeana.
youths in whom was no blemish, and well favored, and skilful in all wisdom, and having knowledge and intelligence and strength, to stand as servants in the king's palace, and be taught the writing and the language of the Chaldaeans.
5 Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an’ ireo isan’ andro avy tamin’ ny haniny sy avy tamin’ ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan’ ny mpanjaka izy.
And the king appointed them a daily provision of the king's food, and of the wine which he drank; so nourishing them three years, that at the end thereof they might stand as servants before the king.
6 Ary tamin’ ireo dia nisy avy amin’ ny taranak’ i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
Now among these were, of the sons of Judah, Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah.
7 Ary izy ireo nomen’ ny lehiben’ ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
And the prince of the eunuchs gave them other names. To Daniel he gave the name of Belteshazzar; and to Hananiah, of Shadrach; and to Mishael, of Meshach; and to Azariah, of Abednego.
8 Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ ny anjara-hanina avy tamin’ ny hanin’ ny mpanjaka, na tamin’ ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin’ ny lehiben’ ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
But Daniel purposed in his heart that he would not defile himself with the portion of the king's meat, nor with the wine which he drank; therefore he requested of the prince of the eunuchs that he might not defile himself.
9 Dia nataon’ Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin’ ilay lehiben’ ny tandapa Daniela.
And God gave Daniel favor and kindness from the prince of the eunuchs.
10 Ary hoy ilay lehiben’ ny tandapa tamin’ i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an’ ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin’ ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?
And the prince of the eunuchs said to Daniel, I fear my lord the king, who hath appointed your meat and your drink; for he might see your faces in worse condition than the youths of your age; then shall ye make me endanger my head to the king.
11 Dia hoy Daniela tamin’ ny mpiadidy, izay notendren’ ny lehiben’ ny tandapa ho mpiadidy an’ i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
Then said Daniel to the steward whom the prince of the eunuchs had set over Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah,
12 Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.
Try thy servants ten days, and let them give us pulse to eat, and water to drink.
13 Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin’ ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin’ ny hanin’ ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin’ ny mpanomponao.
Then let our countenances be looked upon before thee, and the countenances of the youths that eat of the portion of the king's meat; and as thou seest, deal with thy servants.
14 Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.
And he consented to them in this matter, and tried them ten days.
15 Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an’ ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ ny hanin’ ny mpanjaka.
And at the end of ten days their countenances appeared fairer and fatter in flesh than all the youths who ate the portion of the king's meat.
16 Dia najanon’ ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy.
So the steward took away the portion of their meat, and the wine which they should drink, and gave them pulse.
17 Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’ Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin’ ny fahitana sy ny nofy rehetra.
And God gave these four youths knowledge and skill in all learning and wisdom; and Daniel had understanding in all visions and dreams.
18 Ary nony tonga ny andro nasain’ ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin’ ilay lehiben’ ny tandapa niditra teo anatrehan’ i Nebokadnezara izy.
And at the end of the days, when the king had commanded him to bring them before him, then the prince of the eunuchs brought them in before Nebuchadnezzar.
19 Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an’ i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin’ izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ireo.
And the king conversed with them; and among them all was found none like Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah. Therefore they stood as servants before the king.
20 Ary ny amin’ ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ ny fanjakany rehetra aza izy.
And in all matters of wisdom and understanding concerning which the king inquired of them, he found them ten times better than all the scribes and magicians that were in all his realm.
21 Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy mpanjaka.
And Daniel lived even to the first year of Cyrus the king.

< Daniela 1 >