< Daniela 9 >
1 Tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Dariosa, zanak’ i Ahasoerosy, avy amin’ ny taranaky ny Mediana, izay nampanjakaina tamin’ ny fanjakan’ ny Kaldeana,
За першого року Дарія, Ахашверо́шового сина, з насіння мі́дян, що зацарював над халдейським царством,
2 tamin’ ny taona voalodany nanjakany, izaho Daniela nahalala tamin’ ny boky ny isan’ ny taona nampahafantarin’ ny tenin’ i Jehovah an’ i Jeremia mpaminany, izay hahataperan’ ny fito-polo taona amin’ ny hahafoanan’ i Jerosalema.
за першого року його царюва́ння я, Даниїл, бачив у книгах число тих ро́ків, про які було́ Господнє слово до пророка Єремії, — що спо́вниться для руїн Єрусалиму сімдеся́т ро́ків.
3 Ary nampanatrehiko an’ Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin’ ny fifadian-kanina ny lamba fisaonana ary ny lavenona.
І звернув я своє обличчя до Господа Бога, — проха́ти з молитвою та з блага́ннями, у по́сті, у вере́тищі та в по́пелі.
4 Ary nivavaka tamin’ i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindram-po ho amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
І молився я Господе́ві, Богові своєму, і сповіда́вся й казав: „О мій Господи, Боже великий і грізни́й, що стережеш заповіта та милість для тих, хто кохає Тебе, та для тих, хто виконує Твої за́повіді!
5 efa nanota izahay sady nanao meloka ary nanao ratsy sy niodina, eny, efa niala tamin’ ny didinao sy ny fitsipikao izahay,
Ми прогрішилися та чинили беззако́ння, і були несправедливі, і бунтува́лися, і відверта́лися від Твоїх заповідей та від постанов Твоїх.
6 ary tsy nohenoinay ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin’ ny anaranao tamin’ ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny razanay ary ny vahoaka rehetra.
І не прислуха́лися ми до Твоїх рабів пророків, що говорили в Твоїм Імені до наших царів, наших начальників та наших батьків, і до всього наро́ду землі.
7 Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa anay kosa ny fangaihaizana, tahaka ny amin’ izao anio izao, dia an’ ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ary ny Isiraely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, dia any amin’ ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoany izay nandisoany taminao;
Тобі, Господи, справедливість, а нам сором на обличчя, як цього дня для юдея, і для ме́шканців Єрусалиму, і для всього Ізраїля, близьки́х та далеких, по всіх тих края́х, куди Ти їх вигнав за їхнє спроневі́рення, що допустилися його перед Тобою.
8 eny, anay ny fangaihaizana, Tompo ô, dia an’ ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny razanay, satria efa nanota taminao izahay.
Господи, сором на обличчя нам, нашим царям, князя́м нашим та нашим батька́м, що згрішили перед Тобою!
9 An’ ny Tompo Andriamanitray kosa ny famindram-po sy ny famelan-keloka, satria efa niodina taminy izahay
А Господе́ві, нашому Богові, — милість та про́щення, бо ми бунтува́лися проти Нього,
10 ka tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàny izay nasainy napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloanay.
і не слухалися голосу Господа, нашого Бога, щоб ходити зако́нами Його, які Він дав нам через Своїх рабів пророків.
11 Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.
І ввесь Ізраїль переступив Зако́на Твого, і відвернулися, щоб не слухатися Твого голосу, і було вилите на нас те прокля́ття й та прися́га, що написана в Зако́ні Мойсея, Божого раба, бо ми прогріши́лися Йому.
12 Ary notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tetỳ ambanin’ ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema.
І Він спо́внив Своє слово, яке говорив на нас та на наших су́ддів, що судили нас, щоб спрова́дити на нас велике зло, — такого не було вчи́нено під ці́лим небом, яке було́ вчинене в Єрусалимі!
13 Araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy no nahatongavan’ izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin’ ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao.
Як написано в Мойсеєвому Зако́ні, усе те лихо прийшло на нас, та ми не вблагали Господа, нашого Бога, щоб вернутися нам від свого гріха́, і щоб порозумнішати в Твоїй правді.
14 Koa izany no nitehirizan’ i Jehovah ny loza, ka nataony mihatra aminay, fa marina Jehovah Andriamanitray amin’ ny asany rehetra izay efa nataony; fa izahay no tsy nihaino ny feony.
І Господь пильнував того лиха, і спровадив його на нас, бо справедливий Господь, Бог наш, у всіх Своїх чи́нах, які Він зробив, та ми не слухали Його голосу.
15 Koa ankehitriny, Tompo Andriamanitray ô, Izay nitondra ny olonao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny tanana mahery ka nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’ izao anio izao, efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay.
А тепер, Господи, Боже наш, що вивів з єгипетського краю Свій наро́д поту́жною рукою, і зробив Собі славне Ім'я́, як цього дня, — згрішили ми, стали несправедливі!
16 Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin’ i Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masìna, fa ny helokay sy ny fahotan’ ny razanay no nahatonga an’ i Jerosalema sy ny olonao ho latsa amin’ izay rehetra manodidina anay.
Господи, у міру всієї Твоєї справедливости нехай відве́рнеться гнів Твій та Твоя ревність від Твого міста Єрусалиму, Твоєї святої гори́, бо через наші гріхи та через провини наших батьків Єрусалим та наро́д Твій відда́ний на га́ньбу для всіх наших око́лиць.
17 Fa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fifonany, ary ampamirapirato ny tavanao amin’ ny fitoeranao masìna izay efa foana, satria Tompo Hianao.
І ни́ні прислу́хайся, Боже наш, до молитви Твого раба та до його блага́нь, і нехай засві́титься Твоє лице над Твоєю спусто́шеною святинею, ради Господа!
18 Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka mihainoa; ahirato ny masonao, ka jereo ny fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina amin’ ny anaranao; fa tsy amin’ ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin’ ny halehiben’ ny indrafonao.
Нахили, Боже мій, вухо Своє та й послухай, відкрий Свої очі й побач наші спусто́шення та те місто, де кли́калося Ім'я́ Твоє в ньому, бо ми кладемо свої блага́ння перед Твоїм лицем не через свої справедливості, але через велику Твою милість.
19 Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin’ ny anaranao.
Господи, вислухай! Господи, прости! Господи, прислу́хайся й зроби! Не опізняйся ради Себе, мій Боже, бо Ім'я́ Твоє кли́четься над Твоїм містом і над Твоїм наро́дом!“
20 Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin’ ny fahotan’ ny Isiraely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitro ho an’ ny tendrombohitra masin’ Andriamanitro,
А ще я говорив і молився, та іспові́дував гріх свій та наро́ду мого Ізраїля, і клав свою молитву перед лице Господа, мого Бога, за святу го́ру мого Бога,
21 eny, raha mbola niteny nivavaka aho, dia, indro, ilay lehilahy Gabriela izay hitako tamin’ ny fahitana voalohany, dia nampanidinina faingana ka nanatona ahy tokony ho tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva.
і ще я говорив на цій молитві, а той муж Гавриїл, якого я бачив у видінні напоча́тку, швидко прилетів, і доторкну́вся до мене за ча́су вечірньої хлі́бної жертви.
22 Ary izy nampahalala ahy sy niresaka tamiko ka nanao hoe: Ry Daniela ô, avy hampahazava saina anao aho.
І він напу́чував мене, і говорив зо мною та й сказав: „Даниїле, я тепер вийшов, щоб умудри́ти тебе в розумінні.
23 Tamin’ ny niantombohan’ ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra ianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana.
На поча́тку молито́в твоїх вийшло слово, і я прийшов об'явити його тобі, бо ти улю́блений, і приглянься до цього слова, і придивися до виді́ння.
24 Fito-polo herinandro no voatendry ho an’ ny firenenao sy ny tanànanao masìna, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masìna indrindra.
Сімдеся́т ро́ків -ти́жнів призна́чено для твого наро́ду та для міста твоєї святині, аж поки пере́ступ буде докі́нчений, і міра гріха́ буде повна, аж поки вина буде споку́тувана, і вічна правда приве́дена, аж поки будуть потверджені видіння й пророк, і щоб пома́зати Святеє Святих.
25 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ ny hivoahan’ ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’ i Jerosalema ka hatramin’ i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin’ izay andro mampahory.
Та знай і розумій: від ви́ходу нака́зу, щоб вернути Ізраїля й збудувати Єрусалим, аж до Владики Месі́ї сім тижнів та шістдеся́т і два тижні. І ве́рнеться наро́д, і відбудо́ваний буде майда́н і вулиця, і то буде за тяжко́го ча́су.
26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masìna; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin’ ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.
І по тих шостидесятьо́х і двох ти́жнях буде погу́блений Месі́я, хоч не буде на Ньому вини. А це місто й святиню знищить наро́д воло́даря, що при́йде, а кінець його — у пові́дді. І аж до кінця буде війна, гострі спусто́шення.
27 Ary hanorina fanekena ho herinandro amin’ ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin’ ny antsasaky ny herinandro, ary amin’ ny elatry ny fahavetavetana no nihavian’ ny mpandrava, hatramin’ ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin’ ny mpandrava.
І він зміцни́ть заповіта для багатьох на один ти́ждень, а на півтижня припинить жертву та жертву хлібну. І на святиню при́йде гидо́та спусто́шення, поки зни́щення й рішучий суд кари не виллється на спустоши́теля“.