< Daniela 8 >

1 Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho tamiko, izaho Daniela, taorian’ ilay niseho tamiko tamin’ ny voalohany.
貝爾沙匝王在位第三年,在以前顯現給我的異象之後,又有異象顯現給我達尼爾。
2 Ary nahita tamin’ ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka izay ao amin’ ny tany Elama aho; ary nahita tamin’ ny fahitana aho, ka teo amoron’ ny ony Olay aho.
我觀看這異象;我觀看時,恍惚見我在厄藍省的穌撒禁城;在神視中,我恍惚見我在烏來河畔。
3 Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron’ ny ony, izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.
我舉目仰視,看見有一隻公綿羊站在河畔,牠有兩隻角,這兩隻角都很高,但一隻角卻高於另一隻角,且那較高的是較晚長出來的。
4 Hitako ny ondrilahy manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy ka tonga lehibe.
我見那隻公綿羊向西、向北、向南牴撞,走獸中沒有能抵禦牠,能擺脫牠勢力的;牠任意行事,自高自大。
5 Ary raha mbola nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan’ ny masony.
我定睛注視之時,看見有一隻公山羊由西而來,跑遍天下而腳不著地;這隻公山羊在兩眼之間,有一隻顯著的角。
6 Ary izy nankeo amin’ ilay ondrilahy nanana tandroka roa, dia ilay efa hitako nitsangana eo amoron’ ny ony, ka nanazakazaka azy tamin’ ny fahatezeran’ ny heriny.
牠來到我所見立在河畔而有兩隻角的公綿羊那裏,就憤怒地猛力向牠衝去。
7 Ary hitako nanatona ho eo anilan’ ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin’ ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.
我見牠走近公綿羊前憤怒地觝撞牠,將牠的雙角撞斷,那公綿羊就再無力抵抗,公山羊把牠擊倒在地,用腳踐踏,竟沒有誰能救公綿羊擺脫牠的勢力。
8 Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin’ ny rivotra efatry ny lanitra.
後來這公山羊長的極其強大;正當牠極強大的時候,牠那隻高大的角被折斷了,代替這角而生出來的是四隻卓絕的角,向著天下四方:
9 Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin’ ny anankiray amin’ ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin’ ny tany mahafinaritra.
其中之一又生出一小角來,長得極其高大,向南、向東,亦向著光華之地。
10 Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin’ ireo maro be eny amin’ ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin’ ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.
這角逐漸增高,直達天上的萬象,且把一些天象和星宿打落在地,加以蹂躪。
11 Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin’ ny Komandin’ ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan’ andro, ary ny fitoerana masìna noravana.
他又自高自大,直達天象之君,取消了他的日常祭,破壞了他的聖所,且加以劫掠;
12 Ary nisy maro be mbamin’ ny fanatitra isan’ andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin’ ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.
又在獻日常祭處,安放了罪孽,將真理拋棄於地;他如此作了,也成功了。
13 Dia nandre ny masìna anankiray niteny aho, ary nisy masìna iray koa nanao tamin’ ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masìna sy ireo maro be ho fanitsaka?
我聽見一位聖者在說話,另一位聖者問那說話的說:「關於廢除日常祭,招致毀滅的罪孽,聖所和天軍遭蹂躪的異象,要延長到何時呢﹖」
14 Ary hoy izy tamiko: Taon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin’ izay vao hodiovina ny fitoerana masìna.
那說話的回答他說:「要延長二千三百晝夜,以後聖所再要恢復原狀。」
15 Ary nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako.
我達尼爾見了這異象之後,便渴望明瞭其中的意義;看見有一個外貌像人的立在我面前,
16 Ary nandre feon’ olona tao afovoan’ i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity.
同時我聽見在烏來河中間有人的聲音呼喊說:「加俾額爾! 給這人解說這異象罷! 」
17 Ary dia nankeo amin’ ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak’ olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.
他便向我站立的地方走來;我見他來近,就害怕起來,俯伏在地;他對我說:「人子,你要明白! 這異象是關於末世時期的。」
18 Ary raha niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin’ ny tany aho; fa izy nanohina nampitsangana ahy.
他與我說話時,我就昏迷過去了,臉伏於地上;他撫摸了我,使我起來,站在原處。
19 Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin’ ny fahatezerana farany; fa ho amin’ ny fotoana any am-parany izany.
他說:「看,我要把在盛怒末期將要發生的事告訴你,因為這事是關於末期的。
20 Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’ i Media sy Persia.
你所見具有兩角的公綿羊是瑪待和波斯君王,
21 Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’ i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ ny masony dia ny mpanjaka voalohany.
多毛的公山羊是雅汪君王,牠兩眼之間高大的角是第一位君王,
22 Ary ny amin’ ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.
代替被折斷的腳而另生出的四隻角,是指由他的民族中崛起的四個王國,但沒有前一個那樣強盛。
23 Ary ny hiafaran’ ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.
在他們王國的末期,惡貫滿盈之時,要興起一位面貌凶惡,詭計多端的君王。
24 Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin’ ny herin’ ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masìna.
他必勢力強大,但那力量不是出於自己;他卻有驚人的破壞力,他所行的無不成功,要摧毀強有力者和聖民,
25 Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin’ izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan’ ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.
憑自己的機智必攻擊聖民,靠自己的權術獲得成功;他心中妄自尊大,趁人不備而毀滅許多人民,且起而攻擊萬君之君,但終於未經人手而自趨崩潰。
26 Ary dia marina ny amin’ ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany.
關於所說的晝夜數目的異象,是真實的,但你對這異象要保守秘密,因為是關於遙遠日期的事而說的。」
27 Ary izaho Daniela dia torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan’ ny mpanjaka; ary ka aho ny amin’ ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.
我達尼爾疲憊患病數日,然後纔起來處理君王的政務。我對這異象仍驚奇不已,因我不能明白其中的意義。

< Daniela 8 >