< Daniela 4 >
1 Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin’ ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin’ ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
2 Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon’ Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.
3 Akory ny halehiben’ ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.
4 Izaho Nebokadnezara niadana tao an-tranoko ary faly finaritra tao an-dapako.
5 Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan’ ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.
6 Ka dia nandidy aho mba ho entina eo anatrehako ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra hilaza amiko ny hevitry ny nofy.
7 Dia niditra ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny.
8 Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran’ andriamanitro, sady misy fanahin’ ireo andriamanitra masìna ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:
9 Ry Beltesazara, lehiben’ ny ombiasy, fantatro fa misy fanahin’ ireo andriamanitra masìna ao anatinao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin’ ny nofy mbamin’ ny heviny.
10 Fa izao no fahitan’ ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan’ ny tany, ary fatratra ny hahavony.
11 Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin’ ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin’ ny faran’ ny tany rehetra.
12 Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany, sady teo aminy no nisy hanina ho an’ ny rehetra; teny ambaniny no nialokalofan’ ny bibidia, ary teny amin’ ny sampany no nitoeran’ ny voro-manidina, ary ny nofo rehetra nahazo hanina avy aminy.
13 Nijery tamin’ ny fahitan’ ny lohako teo am-pandriako aho, ka, indro, nisy mpiambina masìna anankiray nidina avy tany an-danitra.
14 Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny amin’ ny rantsany.
15 Nefa avelao amin’ ny tany ao amin’ ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin’ ny biby any amin’ ny ahitra amin’ ny tany;
16 aoka hovana ny fony tsy ho fon’ olombelona, ary aoka ho fom-biby no ho ao aminy; ary aoka ho fetr’ andro fito no holanina aminy.
17 Didin’ ny mpiambina izany zavatra izany; eny, avy amin’ ny tendrin’ ireo masìna izany zavatra izany, hahafantaran’ ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona ka manome izany ho an’ izay tiany, ary olona ambany toetra no ampanapahiny azy.
18 Izany no nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin’ ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny hevitr’ izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin’ ireo andriamanitra masìna no anatinao.
19 Dia gaga vetivety Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an’ izay mankahala anao, ary ny heviny ho an’ izay fahavalonao.
20 Io hazo hitanao io, dia ilay nihalehibe sy nihahery, ka ny hahavony nipaka tamin’ ny lanitra, ary ny fijery azy hatramin’ ny tany rehetra,
21 ny raviny dia tsara tarehy, sady betsaka ny voany, ary teo aminy nisy hanina ho an’ ny rehetra, teny ambaniny no nitoeran’ ny bibi-dia, ary teny amin’ ny rantsany no nitoeran’ ny voro-manidina,
22 ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin’ ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin’ ny faran’ ny tany.
23 Ary ny nahitan’ ny mpanjaka ny mpiambina masìna anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin’ ny tany ao amin’ ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin’ ny bibi-dia, ambara-pahalanin’ ny fetr’ andro fito aminy,
24 izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin’ ny Avo Indrindra, izay mihatra amin’ itompokolahy mpanjaka:
25 Horoahina hiala amin’ ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin’ ny bibi-dia ary hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra, ary fetr’ andro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona ka manome izany ho an’ izay tiany.
26 Ary ny nasainy namelana ny fotony: ny fanjakanao mbola hampodina ho anao tokoa, rehefa fantatrao fa ny lanitra no manapaka.
27 Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra ny fahotanao, ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.
28 Izany rehetra izany no nanjo an’ i Nebokadnezara mpanjaka.
29 Ary nony afaka roa ambin’ ny folo volana, dia nitsangantsangana teo an-tampon’ ny tranony tao Babylona izy.
30 Ary ny mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan’ ny fanjakana tamin’ ny haben’ ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?
31 Raha mbola teo am-bavan’ ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao.
32 Fa horoahina hiala amin’ ny olona ianao, ka ho any amin’ ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fetr’ andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona ka manome izany ho an’ izay tiany.
33 Tamin’ izay indrindra no nahatanterahan’ izany tamin’ i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin’ ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan’ ny andon’ ny lanitra ambara-panirin’ ny volony ho toy ny an’ ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an’ ny vorona.
34 Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin’ ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby;
35 ary ny mponina rehetra etỳ an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin’ ireo maro be any an-danitra sy amin’ ny mponina etỳ an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?
36 Tamin’ izay dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan’ ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin’ ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza.
37 Koa amin’ izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan’ ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin’ ny fiavonavonana dia hainy aetry.