< Daniela 12 >

1 Ary amin’ izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ ny firenena ka hatramin’ izany andro izany; ary amin’ izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ ny boky.
I A manawa, e ku mai iluna o Mikaela, ua alii nui la, ka mea nana e kokua i na keiki o kou poe kanaka; a e hiki mai po ka manawa popilikia, ka mea like ole me ia mai ka wa o ka lahuikanaka, a hiki mai ia manawa; a ia manawa no e hoopakeleia mai kou poe kanaka o kela mea keia mea i kakauia iloko o ka buke.
2 Ary maro amin’ izay matory ao amin’ ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin’ ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin’ ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
A e ala mai auanei na mea he nui e hiamoe ana iloko o ka lepo o ka honua; o kekahi poe, e ala lakou i ke ola mau loa, a o kekahi poe i ka hilahila, a me ka hoowahawaha mau loa ia.
3 Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.
O ka poe naauao e alohilohi auanei lakou me he malamalama la ma ke aouli; a o ka poe i hoohuli i na lehulehu ma ka pono, e like me na hoku ia ao aku ia ao aku.
4 Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.
Aka, e hoopaa oe, e Daniela, i na olelo, a e hoopili i ka buke a hiki i ka hope: he nui ka poe e holo i o a i o, a e mahuahua ana no ka ike.
5 Dia nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron’ ny ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny.
Alaila, owau o Daniela, nana aku la au, aia hoi, ku mai la he mau mea e ae elua, o kekahi ma keia kapa, a o kekahi ma kela kapa o ka muliwai.
6 Ary hoy ny anankiray tamin’ ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ ny rano amin’ ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran’ ireo fahagagana ireo?
Olelo aku la kekahi i ke kanaka i hoaahuia i ke olona, ka mea i noho maluna o ka wai o ua muliwai la, Pehea ka loihi a hiki i ka hopena o keia mau mea kupaianaha?
7 Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ ny rano amin’ ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin’ ny lanitra ka reko nianiana tamin’ Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ ny olo-masìna, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
A hoolohe aku au i ka ua kanaka la i hoaahuia i ke olona, ka mea maluna o ka wai o ka muliwai, a i kona kikoo ana i kona lima akau a me kona lima hema i ka lani, a hoohiki ma ka Mea e ola mau loa ana, ma ka manawa, a me na manawa, a me ka hapa o ka manawa, a hoopauia ka hoopuehu ana i ka ikaika o ka poe kanaka laa, alaila e hookoia'i ia mau mea a pau.
8 Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran’ ireo zavatra ireo?
A lohe aku la au, aole nae au i hoomaopopo aku; alaila i aku la au, E ko'u Haku, heaha ka hopena o keia mau mea?
9 Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ ny andro farany.
Olelo mai la oia, O hele oe, e Daniela, no ka mea, ua hoopaaia keia mau olelo, a ua hoopiliia hoi a hiki aku i ka manawa o ka hopena.
10 Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin’ ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
Nui no ka poe e hoomaemaeia, a e hookeokeoia, a e hoaoia; aka, o ka poe hewa, e hana hewa no lakou; aole nae e hoomaopopo aku kekahi o ka poe hewa; aka, e hoomaopopo no nae ka poe naauao.
11 Ary hatramin’ ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan’ andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.
A mai ka manawa e laweia aku ai ka mohai o na la, a e hoonohoia'i hoi ka mea ino e hooneoneo ai, hookahi tausani elua haneri a me kanaiwa ia mau la.
12 Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.
Pomaikai ka mea e kakali ana a hiki i na la he tausani ekolu haneri a me kanakolukumamalima.
13 Fa mandehana ianao mandra-pihavin’ ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin’ ny anjaranao amin’ ny andro farany.
Aka, e hele oe i kou wahi e hele ai a hiki aku i ka hope; no ka mea, e hoomaha oe, a e ku ae ma kou kuleana ma ka hope o ua mau la la.

< Daniela 12 >