< Daniela 12 >

1 Ary amin’ izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ ny firenena ka hatramin’ izany andro izany; ary amin’ izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ ny boky.
“And at that time Michael stands up, the great head, who is standing up for the sons of your people, and there has been a time of distress, such as has not been since there has been a nation until that time, and at that time your people escape, everyone who is found written in the scroll.
2 Ary maro amin’ izay matory ao amin’ ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin’ ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin’ ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
And the multitude of those sleeping in the dust of the ground awake, some to continuous life, and some to reproaches—to continuous abhorrence.
3 Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.
And those teaching shine as the brightness of the expanse, and those justifying the multitude as stars for all time and forever.”
4 Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.
“And you, O Daniel, hide the things, and seal the scroll until the time of the end, many go to and fro, and knowledge is multiplied.”
5 Dia nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron’ ny ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny.
“And I have looked—I, Daniel—and behold, two others are standing, one here at the edge of the flood and one there at the edge of the flood,
6 Ary hoy ny anankiray tamin’ ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ ny rano amin’ ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran’ ireo fahagagana ireo?
and he says to the one clothed in linen, who [is] on the waters of the flood, Until when [is] the end of these wonders?
7 Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ ny rano amin’ ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin’ ny lanitra ka reko nianiana tamin’ Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ ny olo-masìna, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
And I hear the one clothed in linen, who [is] on the waters of the flood, and he lifts up his right hand and his left to the heavens, and swears by Him who is living for all time, that, After a time, times, and a half, and at the completion of the scattering of the power of the holy people, all these are finished.
8 Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran’ ireo zavatra ireo?
And I have heard, and I do not understand, and I say, O my lord, what [is] the latter end of these?
9 Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ ny andro farany.
And he says, Go, Daniel; for hidden and sealed [are] the things until the time of the end.
10 Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin’ ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
Purify themselves, indeed, make themselves white, indeed, many are refined: and the wicked have done wickedly, and none of the wicked understand, and those acting wisely understand;
11 Ary hatramin’ ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan’ andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.
and from the time of the turning aside of the continuous [sacrifice], and to the giving out of the desolating abomination, [are] one thousand, two hundred, and ninety days.
12 Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.
O the blessedness of him who is waiting earnestly, and comes to the one thousand, three hundred, thirty-five days.
13 Fa mandehana ianao mandra-pihavin’ ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin’ ny anjaranao amin’ ny andro farany.
And you, go on to the end, then you rest, and stand in your lot at the end of the days.”

< Daniela 12 >