< Daniela 11 >
1 Fa tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Dariosa Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho.
Nami katika mwaka wa kwanza wa utawala wa Dario Mmedi, nilisimama kumsaidia na kumlinda.)
2 Ary ankehitriny izay tenany tokoa dia haharihariko aminao. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan’ i Grisia.
“Sasa basi, ninakuambia kweli: Wafalme watatu zaidi watatokea Uajemi, kisha atatokea mfalme wa nne, ambaye atakuwa tajiri sana kuliko wengine wote. Wakati atakapokuwa amekwisha kujipatia nguvu kwa utajiri wake, atamchochea kila mmoja dhidi ya ufalme wa Uyunani.
3 Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin’ ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony.
Ndipo mfalme mwenye nguvu atatokea, ambaye atatawala kwa nguvu nyingi na kufanya anavyopenda.
4 Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin’ ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an’ ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an’ ny hafa, fa tsy ho an’ ireo.
Baada ya kujitokeza, milki yake itavunjwa na kugawanyika katika pande nne za mbinguni. Hautakwenda kwa wazao wake, wala hautakuwa na nguvu alizotumia, kwa sababu milki yake itangʼolewa na kupewa wengine.
5 Ary hahery ny mpanjakan’ ny atsimo; nefa ny anankiray amin’ ny andriandahiny dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany.
“Mfalme wa Kusini atakuwa na nguvu, lakini mmoja wa majemadari wake atakuwa na nguvu zaidi kuliko mfalme, naye atatawala ufalme wake mwenyewe kwa nguvu nyingi.
6 Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin’ ny mpanjakan’ ny atsimo hankany amin’ ny mpanjakan’ ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin’ izay nampahery azy tamin’ izany andro izany.
Baada ya miaka kadha, wataungana. Binti wa mfalme wa Kusini ataolewa kwa mfalme wa Kaskazini ili kuimarisha mapatano, lakini huyo binti nguvu zake hazitadumu; hata mfalme hatadumu wala nguvu zake. Katika siku hizo atafukuzwa, pamoja na hao wasindikizaji wake wa kifalme, watoto wake, na yeyote aliyemuunga mkono.
7 Fa hisy solofony anankiray avy amin’ ny fakany hitsangana handimby azy, ka hihavian’ izay ny miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin’ ny mpanjakan’ ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy.
“Mmoja kutoka jamaa ya huyo binti atainuka na kuchukua nafasi yake. Atashambulia majeshi ya mfalme wa Kaskazini na kuingia katika ngome yake; atapigana dhidi yao naye atashinda.
8 Ary ny andriamaniny koa mbamin’ ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely ny mpanjakan’ ny avaratra izy.
Tena ataitwaa miungu yao, vinyago vyao vya chuma, na vitu vyao vya thamani vya fedha na dhahabu, na kuvichukua hadi Misri. Kwa miaka kadha atamwacha mfalme wa Kaskazini bila kumsumbua.
9 Ary ho tonga amin’ ny fanjakan’ ny mpanjakan’ ny atsimo izy, nefa hody any amin’ ny taniny ihany.
Kisha mfalme wa Kaskazini atashambulia nchi ya mfalme wa Kusini, lakini atarudi nyuma hadi kwenye nchi yake.
10 Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza.
Wana wa mfalme wa Kaskazini watajiandaa kwa vita na kukusanya jeshi kubwa, ambalo litafagia nchi kama mafuriko yasiyozuilika na kuendelea na vita hadi kwenye ngome ya mfalme wa Kusini.
11 Ary dia hisafoaka ny mpanjakan’ ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin’ ny mpanjakan’ ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany.
“Kisha mfalme wa Kusini atatoka kwa ghadhabu na kupigana dhidi ya mfalme wa Kaskazini, ambaye ataunda jeshi kubwa, lakini litashindwa.
12 Ary raha miainga ireo maro be ireo, dia hiavonavona ny fony; ary haharipaka alinalina izy, nefa tsy hahery.
Wakati jeshi litakapokuwa limechukuliwa, mfalme wa Kusini atajawa na kiburi na atachinja maelfu mengi, hata hivyo hatabaki na ushindi.
13 Fa hiverina ny mpanjakan’ ny avaratra ka hanangona olona maro be mihoatra noho ny teo; ary rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy fitaovana betsaka.
Kwa maana mfalme wa Kaskazini atakusanya jeshi jingine kubwa kuliko lile la kwanza; na baada ya miaka kadha, atasonga mbele na jeshi kubwa mno lililoandaliwa vizuri.
14 Ary amin’ izany andro izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan’ ny atsimo; ary ireo loza indrindra amin’ ny firenenao dia hanandra-tena hahatò ny fahitana, nefa ho lavo izy.
“Katika nyakati hizo wengi watainuka dhidi ya mfalme wa Kusini. Watu wenye ghasia miongoni mwa watu wako mwenyewe wataasi ili kutimiza maono, lakini bila mafanikio.
15 Ka dia ho avy ny mpanjakan’ ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin’ ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery hahombiazany.
Ndipo mfalme wa Kaskazini atakuja na kuuzunguka mji kwa majeshi, na kuuteka mji wa ngome. Majeshi ya Kusini yatakosa nguvu za kuyazuia; naam, hata vikosi vyao vya askari vilivyo bora zaidi, havitakuwa na nguvu ya kuwakabili.
16 Fa izay avy hamely azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin’ ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany.
Huyo mvamia nchi atafanya apendavyo; hakuna yeyote atakayeweza kumpinga. Atajiimarisha katika Nchi ya Kupendeza, na atakuwa na uwezo wa kuiangamiza.
17 Dia hivonona tsara handeha amin’ ny herin’ ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; ary homeny ny zanakavavin’ ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy; ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory.
Ataamua kuja na nguvu za ufalme wake wote na kufanya mapatano ya amani na mfalme wa Kusini. Naye atamtoa binti yake aolewe naye ili kuuangusha ufalme, lakini mipango yake haitafanikiwa wala kumsaidia.
18 Ary hitodika mankany amin’ ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony.
Ndipo atabadili nia yake kupigana na nchi za pwani na ataziteka nyingi, lakini jemadari mmoja atakomesha ufidhuli wake na kurudisha ufidhuli wake juu yake.
19 Dia hitodika hankany, amin’ ny fiarovana mafy any amin’ ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita.
Baada ya hili atazigeukia ngome za nchi yake mwenyewe, lakini atajikwaa na kuanguka, wala hataonekana tena.
20 Ary hitsangana handimby azy indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin’ izay tsara indrindra amin’ ny fanjakany; fa rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io, nefa tsy amin’ ny fahatezerana, na amin’ ny ady.
“Atakayetawala baada yake atamtuma mtoza ushuru ili kudumisha fahari ya kifalme. Hata hivyo, baada ya miaka michache ataangamizwa, lakini si katika hasira wala katika vita.
21 Ary hisy olona famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin’ ny fahafetsena,
“Atakayetawala baada yake atakuwa mtu wa kudharauliwa ambaye hajapewa heshima ya kifalme. Atauvamia ufalme wakati watu wake wanapojiona wako salama, naye atautwaa kwa hila.
22 ary ireo miaramila toy ny safotra no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin’ ny andriana vita fanekena aminy koa.
Ndipo jeshi kubwa litafagiliwa mbele yake; jeshi pamoja na mkuu mmoja wa agano wataangamizwa.
23 Eny, rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny olona entiny.
Baada ya kufanya mapatano naye, atatenda kwa udanganyifu, na akitumia watu wachache tu ataingia madarakani.
24 Hiditra tsy ampoizina amin’ ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon’ ny rainy na ny razany; hahahany eny amin’ ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin’ ny fotoana.
Wakati majimbo yaliyo tajiri sana yanajiona salama, atayavamia, naye atafanikisha kile ambacho baba zake wala babu zake hawakuweza. Atagawa nyara, mateka na utajiri miongoni mwa wafuasi wake. Atafanya hila ya kupindua miji yenye maboma, lakini kwa muda mfupi tu.
25 Ary hanaitra ny heriny sy ny fony izy hamely ny mpanjakan’ ny atsimo amin’ ny miaramila maro; ary ny mpanjakan’ ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona izy, satria hisy hamoron-tsaina hamely azy.
“Pamoja na jeshi kubwa atachochea nguvu zake na ushujaa wake dhidi ya mfalme wa Kusini. Mfalme wa Kusini atafanya vita na jeshi lenye nguvu sana, lakini hataweza kusimama kwa sababu ya kwa hila zilizofanywa dhidi yake.
26 Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra.
Wale wanaokula kutoka kwenye ruzuku za mfalme watajaribu kumwangamiza; jeshi lake litafagiliwa mbali, nao wengi watakufa vitani.
27 Ary ny fon’ ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin’ ny fotoana ihany.
Wafalme hawa wawili, mioyo yao ikiwa imekusudia mabaya, wataketi kwenye meza moja na kudanganyana wao kwa wao, lakini pasipo faida, kwa sababu bado mwisho utakuja katika wakati ulioamriwa.
28 Ary hiverina ho any amin’ ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masìna; ary hahefa sy hiverina ho any amin’ ny taniny izy
Mfalme wa Kaskazini atarudi katika nchi yake na utajiri mwingi, lakini atakuwa ameukaza moyo wake kinyume na agano takatifu. Atachukua hatua dhidi ya hilo agano, kisha atarudi nchi yake.
29 Amin’ ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany;
“Wakati ulioamriwa, atavamia tena Kusini, lakini wakati huu matokeo yake yatakuwa tofauti na yale ya wakati wa kwanza.
30 fa ny sambon’ i Kitima ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin’ ny fanekena masìna ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin’ ireo efa mahafoy ny fanekena masìna.
Meli za nchi ya Kitimu zitampinga, naye atavunjika moyo. Ndipo atarudi nyuma na kutoa wazi hasira yake dhidi ya agano takatifu. Atarudi na kuonyesha fadhili kwa wale waliachao agano takatifu.
31 Ary hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masìna, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan’ andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana.
“Majeshi yake yenye silaha yatainuka ili kunajisi ngome ya Hekalu, na kuondolea mbali sadaka ya kuteketezwa ya kila siku. Ndipo watalisimamisha chukizo la uharibifu lisababishalo ukiwa.
32 Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin’ ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an’ Andriamaniny kosa dia hifikitra amin’ izany ka hankatò azy.
Kwa udanganyifu atapotosha wale walionajisi agano, lakini watu wanaomjua Mungu wao watampinga kwa uthabiti.
33 Ary izay hendry ao amin’ ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon’ ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.
“Wenye hekima watawafundisha wengi, ingawa kwa kitambo watauawa kwa upanga au kuchomwa moto, au kukamatwa au kufanywa mateka.
34 Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin’ ny fihatsaram-belatsihy.
Watakapoanguka, watapokea msaada kidogo, nao wengi ambao si waaminifu wataungana nao.
35 Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan’ ny andro farany, fa mbola ho amin’ ny fotoana ihany izany.
Baadhi ya wenye hekima watajikwaa, ili waweze kusafishwa, kutakaswa na kufanywa wasio na waa mpaka wakati wa mwisho, kwa maana bado litakuja kwa wakati ulioamriwa.
36 Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin’ Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.
“Mfalme atafanya apendavyo. Atajikweza na kujitukuza juu ya kila mungu, naye atasema mambo ambayo hayajasikiwa dhidi ya Mungu wa miungu. Atafanikiwa hadi wakati wa ghadhabu utimie, kwa maana kile kilichokusudiwa lazima kitokee.
37 Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan’ ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy.
Hataonyesha heshima kwa miungu ya baba zake au kwa yule aliyetamaniwa na wanawake, wala hatajali mungu yeyote, bali atajikweza mwenyewe juu yao wote.
38 Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany.
Badala ya kuwajali miungu, ataheshimu mungu wa ngome; mungu ambaye hakujulikana na baba zake ndiye atamheshimu kwa dhahabu na fedha, kwa vito vya thamani na zawadi za thamani kubwa.
39 Dia homban’ ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia.
Atashambulia ngome zenye nguvu mno kwa msaada wa mungu wa kigeni naye atawaheshimu sana wale watakaomkubali yeye. Atawafanya watawala juu ya watu wengi, na atagawa nchi kwa gharama.
40 Ary amin’ ny faran’ ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan’ ny atsimo; ary ny mpanjakan’ ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin’ ny tany izy ka hanerana toy ny safotra.
“Katika wakati wa mwisho, mfalme wa Kusini atapigana naye vita, naye mfalme wa Kaskazini atamshambulia kwa magari ya vita, askari wapanda farasi, na idadi kubwa ya meli. Atavamia nchi nyingi na kuzikumba nchi hizo kama mafuriko.
41 Hiditra ao amin’ ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan’ ny taranak’ i Amona.
Pia ataivamia Nchi ya Kupendeza. Nchi nyingi zitapinduliwa, bali Edomu, Moabu na viongozi wa Amoni wataokolewa kutoka mkono wake.
42 Haninjitra ny tànany amin’ ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra.
Atapanua mamlaka yake juu ya nchi nyingi; hata Misri haitaepuka.
43 Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan’ i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy.
Atamiliki hazina za dhahabu, fedha na utajiri wote wa Misri, pamoja na Walibia na Wakushi kwa kujisalimisha.
44 Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin’ ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.
Lakini taarifa kutoka mashariki na kaskazini zitamshtua, naye ataondoka kwa ghadhabu nyingi ili kuangamiza na kuharibu kabisa wengi.
45 Ary haoriny eo anelanelan’ ny ranomasina sy ny tendrombohitra masìna mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin’ ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.
Atasimika hema zake za ufalme kati ya bahari na mlima mtakatifu wa kupendeza. Hata hivyo, atafikia mwisho wake, wala hakuna yeyote atakayemsaidia.