< Daniela 10 >

1 Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, dia nisy nambara tamin’ i Daniela, izay atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana.
I KE kolu o ka makahiki o Kuro, ke alii o Peresia, ua hoikeia mai kekahi mea ia Daniela, ka mea i kapaia o Beletesaza; he oiaio keia mea, a na pili i na mea kaumaha nui; ua ike oia i ua mea la, a ua akaka ia ia ke ano o ka hihio.
2 Tamin’ izany andro izany izaho Daniela dia nisaona roatokom-bolana mipaka.
Ia mau la no, owau o Daniela, kanikau iho la au i ekolu hebedoma.
3 Tsy nihinana hanim-py aho, sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy nihosotra diloilo akory aho ambara-pahatapitry ny roatokom-bolana mipaka.
Aole au i ai i ka berena maikai, aole hoi i hookomoia ka io, a me ka waina iloko o kuu waha, aole loa au i hamo ia'u iho, a pau ua mau hebedoma la ekolu.
4 Ary tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana voalohany, raha teo amoron’ ny ony lehibe aho (Hidekela izany),
A i ka la iwakaluakumamaha, o ka malama mua, i ko'u noho ana ma ke kapa o ka muliwai nui, o Hidekela;
5 dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany;
Alaila, leha ae la ko'u mau maka, nana aku ia au, aia hoi, he kanaka ua aahuia i ke kapa olona, a o kona puhaka ua kakooia i ke gula maikai o Upaza:
6 tahaka ny krysolita ny tenany, ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy ny feon’ olona maro be;
O kona kino ua like ia me ka topaza, a o kona helehelena maka ua like ia me ka uila, o kona mau maka ua like ia me na kukuiahi, o kona mau lima a me na wawae ua like me ke keleawe melemele i anaiia, a o ka leo o kana olelo ana ua like ia me ka leo o ka lehulehu.
7 ary izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana; fa ny olona izay teo amiko kosa tsy mba nahita izany, fa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery.
A owau wale no, o Daniela, ka i ike i kela mea i hoikeia; o na kanaka pu me au, aole lakou i ike ia mea; aka, ua haule iho maluna o lakou ka eehia nui, a holo kiki aku lakou a pee aku la.
8 Ary dia nilaozana ho irery aho ary nahita izany fahitana lehibe izany, dia tsy nisy hery tafajanona tato amiko; fa nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko.
Nolaila, owau wale no ka i koe iho, a ua ike no au ia hihio nui, aole nae he ikaika i koe iloko o'u; no ka mea, ua lilo ko'u helehelena me he keokeo make la, aole ikaika i koe iloko o'u.
9 Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin’ ny tany.
Ua lohe no nae au i ka leo o kana olelo; a i kuu lohe ana i ka leo o kana olelo, alaila hiamoe loa iho la au ma ko'u maka, a ilalo ko'u maka i ka honua.
10 Ary, indro, nisy tanana nanohina ka nanarina ahy handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany.
Aia hoi, hoopaa mai la kekahi lima ia'u, a hoala mai la ia'u ma ko'u mau kuli, a me na poho lima o'u.
11 Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho.
I mai la ia ia'u, E Daniela, ke kanaka i aloha nui ia, e hoomaopopo mai oe i na olelo a'u e olelo aku nei ia oe, a e ku iluna; no ka mea, ia oe no ka'u i hoounaia mai ai. A i kana olelo ana mai ia'u i keia olelo, ku ae la au iluna me ka haalulu.
12 Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin’ ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan’ Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.
Alaila, olelo mai la oia ia'u, Mai makau oe, e Daniela, no ka mea, mai ka la mua mai au i hoomakaukau ai i kou naau e hoomaopopo aku, a e hoohaabaa ia oe iho imua. o kou Akua, ua loheia kau mau olelo, a no kau mau olelo, ua hiki mai nei au.
13 Fa ilay andrianan’ ny fanjakan’ i Persia nanohitra ahy iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa Mikaela, anankiray amin’ ireo andriana lehibe, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin’ ny mpanjakan’ i Persia.
Aka, o ke alii o ke aupuni o Peresia, ua ku e mai ia'u he iwakalua na la a me kumamakahi. Aka hoi, ua hele mai o Mikaela, kekahi o na'lii nui e kokua mai ia'u, a ua noho au malaila me na'lii o Peresia.
14 Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin’ izany andro izany ny fahitana.
Ano, ua hele mai nei au e hoakaka i ike oe i na mea e hiki mai ana i kou poe kanaka i na la mahope; no ka mea, ua nui na la i koe o ua hihio la.
15 Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin’ ny tany aho sady tsy nahateny.
A i kana olelo ana mai ia'u i keia mau olelo, haka pono iho la au i ka honua, a paa iho la kuu leo.
16 Ary, indro, nisy anankiray miendri-janak’ olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny nanao tamin’ ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon’ ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony.
Aia hoi kekahi ua like me ke ano o ke kanaka, hoopa mai la ia i ko'u lehelehe; alaila oaka ao la ko'u waha, a olelo aku la au i ka mea e ku ana imua o'u, i aku, E kuu Haku, no ua hihio la ua hoi hou ko'u weliweli maluna o'u, aole loa o'u ikaika i koe.
17 Fa aiza no ahazoan’ ity izaho mpanompon’ ny tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary tamin’ izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa tato amiko.
Pehea la e hiki ai i ke kauwa a kuu Haku nei ke kamailio pu me kuu Haku? No ka mea, owau, ua emo ole, aole ikaika i koe iloko o'u, aole hoi he hanu iloko o'u.
18 Ary nisy indray nanana endrik’ olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy
Alaila, hele hou mai kekahi e like me ke kanaka kona ano, a hoopa mai ia'u, a hooikaika mai ia'u,
19 ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.
I mai la ia, e ke kanaka i aloha nui ia, mai makau oe; he maluhia kou; e ikaika oe, oia e ikaika oe. A i kana olelo ana mai ia'u, ua ikaika ae la au, i aku la au, E olelo mai, e kuu Haku, no ka mea, ua hooikaika mai oe ia'u.
20 Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin’ ny andrianan’ i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan’ i Grisia.
Alaila, olelo mai la oia, Ua ike anei oe i ka'u mea i hele mai ai ia oe? Ano e hoi ana au e kana aku i ke alii o Peresia; a i ko'u puka ana aku iwaho, aia hoi, e hiki mai no ke alii o Helene.
21 Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin’ ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikìna amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo.
Aka, e hoike aku au ia oe i na mea i kakauia ma ka palapala oiaio; aohe mea e kokua mai ia'u ma keia mau mea, o Mikaela wale no o kou alii.

< Daniela 10 >