< Kolosiana 1 >

1 Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Timoty rahalahy,
īśvarasyecchayā yīśukhrīṣṭasya preritaḥ paulastīmathiyo bhrātā ca kalasīnagarasthān pavitrān viśvastān khrīṣṭāśritabhrātṛn prati patraṁ likhataḥ|
2 mamangy ny olona masìna any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin’ i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika.
asmākaṁ tāta īśvaraḥ prabhu ryīśukhrīṣṭaśca yuṣmān prati prasādaṁ śāntiñca kriyāstāṁ|
3 Misaotra an’ Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin’ ny fangatahanay mandrakariva ho anareo,
khrīṣṭe yīśau yuṣmākaṁ viśvāsasya sarvvān pavitralokān prati premnaśca vārttāṁ śrutvā
4 rehefa renay ny finoanareo an’ i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masìna rehetra,
vayaṁ sadā yuṣmadarthaṁ prārthanāṁ kurvvantaḥ svarge nihitāyā yuṣmākaṁ bhāvisampadaḥ kāraṇāt svakīyaprabho ryīśukhrīṣṭasya tātam īśvaraṁ dhanyaṁ vadāmaḥ|
5 noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin’ ny tenin’ ny fahamarinan’ ny filazantsara,
yūyaṁ tasyā bhāvisampado vārttāṁ yayā susaṁvādarūpiṇyā satyavāṇyā jñāpitāḥ
6 izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin’ izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin’ ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’ Andriamanitra araka ny marina;
sā yadvat kṛsnaṁ jagad abhigacchati tadvad yuṣmān apyabhyagamat, yūyañca yad dinam ārabhyeśvarasyānugrahasya vārttāṁ śrutvā satyarūpeṇa jñātavantastadārabhya yuṣmākaṁ madhye'pi phalati varddhate ca|
7 tahaka ny efa renareo tamin’ i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon’ i Kristy mahatoky ho anay,
asmākaṁ priyaḥ sahadāso yuṣmākaṁ kṛte ca khrīṣṭasya viśvastaparicārako ya ipaphrāstad vākyaṁ
8 sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin’ ny Fanahy.
yuṣmān ādiṣṭavān sa evāsmān ātmanā janitaṁ yuṣmākaṁ prema jñāpitavān|
9 Ary noho izany izahay koa hatramin’ ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ ny Fanahy,
vayaṁ yad dinam ārabhya tāṁ vārttāṁ śrutavantastadārabhya nirantaraṁ yuṣmākaṁ kṛte prārthanāṁ kurmmaḥ phalato yūyaṁ yat pūrṇābhyām ātmikajñānavuddhibhyām īśvarasyābhitamaṁ sampūrṇarūpeṇāvagaccheta,
10 mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra,
prabho ryogyaṁ sarvvathā santoṣajanakañcācāraṁ kuryyātārthata īśvarajñāne varddhamānāḥ sarvvasatkarmmarūpaṁ phalaṁ phaleta,
11 ary ampahatanjahina amin’ ny hery rehetra araka ny herin’ ny voninahiny ho amin’ ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ ny hafaliana,
yathā ceśvarasya mahimayuktayā śaktyā sānandena pūrṇāṁ sahiṣṇutāṁ titikṣāñcācarituṁ śakṣyatha tādṛśena pūrṇabalena yad balavanto bhaveta,
12 ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ ny lovan’ ny olona masìna eo amin’ ny mazava,
yaśca pitā tejovāsināṁ pavitralokānām adhikārasyāṁśitvāyāsmān yogyān kṛtavān taṁ yad dhanyaṁ vadeta varam enaṁ yācāmahe|
13 sady nahafaka antsika tamin’ ny fahefan’ ny maizina ka namindra antsika ho amin’ ny fanjakan’ ny Zanany malalany,
yataḥ so'smān timirasya karttṛtvād uddhṛtya svakīyasya priyaputrasya rājye sthāpitavān|
14 Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
tasmāt putrād vayaṁ paritrāṇam arthataḥ pāpamocanaṁ prāptavantaḥ|
15 Izy no endrik’ Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’ izao zavatra ary rehetra izao;
sa cādṛśyasyeśvarasya pratimūrtiḥ kṛtsnāyāḥ sṛṣṭerādikarttā ca|
16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany;
yataḥ sarvvameva tena sasṛje siṁhāsanarājatvaparākramādīni svargamarttyasthitāni dṛśyādṛśyāni vastūni sarvvāṇi tenaiva tasmai ca sasṛjire|
17 ary Izy no talohan’ ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ ny zavatra rehetra.
sa sarvveṣām ādiḥ sarvveṣāṁ sthitikārakaśca|
18 Ary Izy no Lohan’ ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ ny maty, mba ho Lohany amin’ ny zavatra rehetra Izy.
sa eva samitirūpāyāstano rmūrddhā kiñca sarvvaviṣaye sa yad agriyo bhavet tadarthaṁ sa eva mṛtānāṁ madhyāt prathamata utthito'graśca|
19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran’ ny fahafenoana rehetra,
yata īśvarasya kṛtsnaṁ pūrṇatvaṁ tamevāvāsayituṁ
20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin’ ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana ― eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin’ ny tany, na ny any an-danitra.
kruśe pātitena tasya raktena sandhiṁ vidhāya tenaiva svargamarttyasthitāni sarvvāṇi svena saha sandhāpayituñceśvareṇābhileṣe|
21 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin’ ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny
pūrvvaṁ dūrasthā duṣkriyāratamanaskatvāt tasya ripavaścāsta ye yūyaṁ tān yuṣmān api sa idānīṁ tasya māṁsalaśarīre maraṇena svena saha sandhāpitavān|
22 tao amin’ ny tenan’ ny nofony, tamin’ ny fahafatesana, mba hatolony ho masìna sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
yataḥ sa svasammukhe pavitrān niṣkalaṅkān anindanīyāṁśca yuṣmān sthāpayitum icchati|
23 raha maharitra amin’ ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ ny fanantenana avy amin’ ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin’ ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.
kintvetadarthaṁ yuṣmābhi rbaddhamūlaiḥ susthiraiśca bhavitavyam, ākāśamaṇḍalasyādhaḥsthitānāṁ sarvvalokānāṁ madhye ca ghuṣyamāṇo yaḥ susaṁvādo yuṣmābhiraśrāvi tajjātāyāṁ pratyāśāyāṁ yuṣmābhiracalai rbhavitavyaṁ|
24 Ankehitriny dia mifaly amin’ ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ ny nofoko izay tsy vita tamin’ ny fahorian’ i Kristy ho an’ ny tenany, dia ny fiangonana,
tasya susaṁvādasyaikaḥ paricārako yo'haṁ paulaḥ so'ham idānīm ānandena yuṣmadarthaṁ duḥkhāni sahe khrīṣṭasya kleśabhogasya yoṁśo'pūrṇastameva tasya tanoḥ samiteḥ kṛte svaśarīre pūrayāmi ca|
25 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran’ Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra,
yata īśvarasya mantraṇayā yuṣmadartham īśvarīyavākyasya pracārasya bhāro mayi samapitastasmād ahaṁ tasyāḥ samiteḥ paricārako'bhavaṁ|
26 dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin’ ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin’ ny olony masìna, (aiōn g165)
tat nigūḍhaṁ vākyaṁ pūrvvayugeṣu pūrvvapuruṣebhyaḥ pracchannam āsīt kintvidānīṁ tasya pavitralokānāṁ sannidhau tena prākāśyata| (aiōn g165)
27 izay efa tian’ Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren’ ny voninahitr’ ity zava-niafina ity any amin’ ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;
yato bhinnajātīyānāṁ madhye tat nigūḍhavākyaṁ kīdṛggauravanidhisambalitaṁ tat pavitralokān jñāpayitum īśvaro'bhyalaṣat| yuṣmanmadhyavarttī khrīṣṭa eva sa nidhi rgairavāśābhūmiśca|
28 Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin’ ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’ i Kristy izy rehetra.
tasmād vayaṁ tameva ghoṣayanto yad ekaikaṁ mānavaṁ siddhībhūtaṁ khrīṣṭe sthāpayema tadarthamekaikaṁ mānavaṁ prabodhayāmaḥ pūrṇajñānena caikaikaṁ mānavaṁ upadiśāmaḥ|
29 Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan’ ny herin’ ilay miasa mahery ato anatiko.
etadarthaṁ tasya yā śaktiḥ prabalarūpeṇa mama madhye prakāśate tayāhaṁ yatamānaḥ śrābhyāmi|

< Kolosiana 1 >