< Kolosiana 4 >
1 Hianareo tompo, ataovy amin’ ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
Ye masters, doe vnto your seruants, that which is iust, and equall, knowing that ye also haue a master in heauen.
2 Mahareta amin’ ny fivavahana, ka miambena amin’ izany amin’ ny fisaorana,
Continue in prayer, and watch in the fame with thankesgiuing,
3 ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’ Andriamanitra varavarana ho an’ ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an’ i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
Praying also for vs, that God may open vnto vs the doore of vtterance, to speake ye mysterie of Christ: wherefore I am also in bonds,
4 mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
That I may vtter it, as it becommeth mee to speake.
5 Mandehana amin’ ny fahendrena amin’ izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
Walke wisely towarde them that are without, and redeeme the season.
6 Aoka ny fiteninareo ho amin’ ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
Let your speach be gracious alwayes, and powdred with salt, that ye may know how to answere euery man.
7 Ny toetro rehetra dia holazain’ i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin’ ny Tompo;
Tychicus our beloued brother and faithfull minister, and fellow seruant in the Lord, shall declare vnto you my whole state:
8 ny anton’ ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;
Whom I haue sent vnto you for the same purpose that he might know your state, and might comfort your hearts,
9 ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ.
With Onesimus a faithfull and a beloued brother, who is one of you. They shall shew you of all things here.
10 Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan’ i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
Aristarchus my prison fellow saluteth you, and Marcus, Barnabas cousin (touching whom ye receiued commandements. If he come vnto you, receiue him)
11 ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin’ ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’ Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
And Iesus which is called Iustus, which are of the circumcision. These onely are my worke fellowes vnto the kingdome of God, which haue bene vnto my consolation.
12 Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon’ i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin’ izay rehetra mety ho sitrapon’ Andriamanitra.
Epaphras the seruant of Christ, which is one of you, saluteth you, and alwayes striueth for you in prayers, that ye may stand perfect, and full in all the will of God.
13 Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an’ ny any Laodikia ary ho an’ ny any Hierapolia izy.
For I beare him record, that he hath a great zeale for you, and for them of Laodicea, and them of Hierapolis.
14 Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
Luke the beloued physician greeteth you, and Demas.
15 Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an-tranony.
Salute the brethren which are of Laodicea, and Nymphas, and the Church which is in his house.
16 Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin’ ny fiangonan’ ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin’ ny Laodikiana.
And when this Epistle is read of you, cause that it be read in the Church of the Laodiceans also, and that ye likewise reade the Epistle written from Laodicea.
17 Ary lazao amin’ i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ ny Tompo mba hahatanterahanao izany.
And say to Archippus, Take heede to the ministerie, that thou hast receiued in the Lord, that thou fulfill it.
18 Ity no veloma ataon’ ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
The salutation by the hand of me Paul. Remember my bands. Grace be with you, Amen. ‘Written from Rome to the Colossians, and sent by Tychicus, and Onesimus.’