< Kolosiana 3 >

1 Koa raha niara-natsangana tamin’ i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ ny itoeran’ i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra.
Ако дакле васкрснусте с Христом, тражите оно што је горе где Христос седи с десне стране Бога.
2 Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
Мислите о ономе што је горе а не што је на земљи.
3 Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’ i Kristy ao amin’ Andriamanitra.
Јер умресте, и ваш је живот сакривен с Христом у Богу.
4 Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ ny voninahitra ianareo.
А кад се јави Христос, живот ваш, онда ћете се и ви с Њиме јавити у слави.
5 Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;
Поморите дакле уде своје који су на земљи: курварство, нечистоту, сласт, злу жељу и лакомство, које је идолопоклонство;
6 fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana;
За које иде гнев Божји на синове противљења;
7 izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.
У којима и ви некада хођасте кад живесте међу њима.
8 Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ ny vavanareo.
А сад одбаците и ви то све: гнев, љутину, пакост, хуљење, срамотне речи из уста својих.
9 Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ ny asany;
Не лажите један на другог; свуците старог човека с делима његовим,
10 ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ ny fahalalana tsara araka ny endrik’ izay nahary azy.
И обуците новог, које се обнавља за познање по обличју Оног који га је саздао:
11 Fa amin’ izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ ny rehetra.
Где нема Грка ни Јеврејина, обрезања ни необрезања, дивљака ни Скита, роба ни слободњака, него све и у свему Христос.
12 Koa mitafia famindram-po sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’ Andriamanitra sady masìna no malala.
Обуците се дакле као избрани Божији, свети и љубазни, у срдачну милост, доброту, понизност, кротост, и трпљење,
13 Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ ny sasany; tahaka ny namelan’ ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
Сносећи један другог, и опраштајући један другом ако има ко тужбу на кога: као што је и Христос вама опростио тако и ви.
14 Ary aoka ho ambonin’ izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ ny fahatanterahana izany.
А сврх свега тога обуците се у љубав, која је свеза савршенства.
15 Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’ i Kristy, fa ho amin’ izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
И мир Божји да влада у срцима вашим, на који сте и позвани у једном телу, и захвални будите.
16 Aoka ny tenin’ i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’ Andriamanitra.
Реч Христова се богато усели међу вас, у свакој премудрости учећи и саветујући сами себе са псалмима и појањем и песмама духовним, у благодати певајући у срцима својим Господу.
17 Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ ny teny, na amin’ ny asa, dia ataovy amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin’ ny alalany.
И све шта год чините речју или делом, све чините у име Господа Исуса Христа хвалећи Бога и Оца кроза Њ.
18 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ ny Tompo.
Жене! Слушајте своје мужеве као што треба у Господу.
19 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy.
Мужеви! Љубите жене своје и не срдите се на њих.
20 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ ny Tompo izany.
Децо! Слушајте родитеље своје у свачему; јер је ово угодно Господу.
21 Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.
Очеви! Не раздражујте деце своје, да не губе воље.
22 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ ny zavatra rehetra, tsy amin’ ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’ olona, fa amin’ ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;
Слуге! Слушајте у свему своје телесне господаре, не само пред очима радећи као да људима угађате, него у простоти срца, бојећи се Бога,
23 ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin’ ny fo, tahaka ny ho an’ ny Tompo, fa tsy ho an’ olona,
И све шта год чините, од срца чините као Господу, а не као људима:
24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’ i Kristy Tompo ianareo.
Знајући да ћете од Господа примити плату наследства; јер Господу Христу служите.
25 Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan’ olona,
А који скриви примиће шта је скривио: и нема гледања ко је ко.

< Kolosiana 3 >