< Kolosiana 2 >
1 Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin’ izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin’ ny nofo,
2 mba hampifalina ny fony amin’ ny ampiraisana azy amin’ ny fitiavana sy ho amin’ ny haren’ ny fahatokiana be avy amin’ ny fahazavan-tsaina, ho amin’ ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra, dia Kristy,
3 Izay iafenan’ ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
4 Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ ny teny toa marina.
5 Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan’ ny finoanareo an’ i Kristy.
6 Koa tahaka ny nandraisanareo an’ i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa,
7 ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ ny fisaorana.
8 Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, fa tsy araka an’ i Kristy.
9 Fa ao amin’ ny tenany no itoeran’ ny fahafenoan’ ny fomban’ Andriamanitra rehetra;
10 ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan’ ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,
11 ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ ny fanesorana ny tenan’ ny nofo, dia tamin’ ny famoran’ i Kristy;
12 fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’ Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ ny maty.
13 Ary ianareo, izay efa matin’ ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’ i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;
14 ary novonoiny ny sora-tànan’ ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana,
15 ary nesoriny tsy ho eo amin’ ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon’ izay avy nandresy.
16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’ i Kristy.
18 Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin’ ny anjely, ka mitompo amin’ ny zavatra efa hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan’ ny nofony
19 ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan’ ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan’ Andriamanitra.
20 Ary raha niara-maty tamin’ i Kristy ianareo ka efa afaka tamin’ ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’ izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe:
21 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry ―
22 levona amin’ ny fanaovana ihany izany rehetra izany ― araka ny didy sy ny fampianaran’ olona?
23 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.