< Amosa 9 >

1 Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan’ ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan’ ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin’ ny lohan’ izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.
I saw the Lord standing by the altar; and he said: Smite the capital, so that the thresholds shall tremble! Break them in pieces upon the heads of all of them! And their residue will I slay with the sword. He that fleeth of them shall not flee from danger, And he that escapeth of them shall not escape into safety.
2 Na dia mibosesika ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita aza izy, dia any no hanalan’ ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy. (Sheol h7585)
Though they dig down to the under-world, Thence shall my hand take them; Though they climb up to heaven, Thence will I bring them down. (Sheol h7585)
3 Ary na dia miery any an-tampon’ i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin’ ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan’ ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
Though they hide themselves on the top of Carmel, There will I search for them, and take them away; Though they hide themselves from mine eyes in the bottom of the sea, There will I command the serpent, and he shall bite them.
4 Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan’ ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.
Though they go into captivity before their enemies, There will I command the sword, and it shall slay them; I will set mine eyes upon them for evil, and not for good.
5 Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an’ i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin’ i Egypta,
For the Lord Jehovah of hosts Is he, that toucheth the earth, and it shall melt, And all that dwell therein shall mourn; All of it shall rise in waves like a river, And shall be overflowed, as by the river of Egypt;
6 Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin’ ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin’ ny tany, Jehovah no anarany.
He that buildeth his upper rooms in the heavens, And foundeth his arch upon the earth, —That calleth the waters of the sea, And poureth them out upon the face of the earth, —Jehovah is his name.
7 Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va ianareo raha amiko, ry Zanak’ Isiraely? hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora, Ary ny Syriana avy tany Kira?
Are ye not as the Ethiopians to me, O children of Israel? saith Jehovah. Did I not bring Israel from the land of Egypt, And the Philistines from Caphtor, and the Syrians from Kir?
8 Indro, ny mason’ i Jehovah Tompo no manandrina ity fanjakana feno ota ity, ka dia hofongorako tsy ho eo ambonin’ ny tany izy; Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak’ i Jakoba, hoy Jehovah.
Behold, the eyes of the Lord Jehovah are upon the sinful kingdom, And I will destroy it from the face of the earth; Yet will I not utterly destroy the house of Jacob, saith Jehovah.
9 Fa, indro, Izaho no handidy, ka hosivaniko any amin’ ny firenena rehetra ny taranak’ Isiraely, tahaka ny fanasivana vary amin’ ny sivana; Nefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin’ ny tany na dia iray akory aza.
For, behold, I will command, And I will sift the house of Israel among all the nations, As one sifteth corn with a sieve, And not a grain shall fall upon the ground.
10 Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin’ ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay.
But all the sinners of my people shall die by the sword, Who say, Evil shall not approach, nor fall upon us.
11 Amin’ izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon’ i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,
In that day I will raise up the fallen tabernacle of David, And I will close up the breaches thereof, And raise up its ruins, And I will build it, as in the days of old.
12 Mba hananany izay sisa amin’ i Edoma sy amin’ ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin’ ny anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany.
That they may possess the remnant of Edom, And all the nations, which shall be called by my name. Thus saith Jehovah, who doeth this.
13 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran’ ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.
Behold the days come, saith Jehovah, That the plougher shall draw near to the reaper, And the treader of grapes to the sower of the seed; And the mountains shall drop new wine, And all the hills shall melt.
14 Ary hampodiko ny Isiraely avy amin’ ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.
I will bring back the captives of my people Israel, And they shall build the desolate cities, and shall inhabit them; And they shall plant vineyards, and drink their wine; They shall also make gardens, and eat their fruit.
15 Eny, hamboleko ao amin’ ny taniny izy, ka tsy hongotana amin’ ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.
I will plant them in their land, And they shall no more be rooted up from the land which I have given them, Saith Jehovah, thy God.

< Amosa 9 >