< Amosa 7 >

1 Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin’ ny voalohan’ ny nitsimohan’ ny kolokolon’ ahitra Izy; ary, indro, kolokolon’ izay nojinjana ho an’ ny mpanjaka izany.
Hæc ostendit mihi Dominus Deus: et ecce fictor locustæ in principio germinantium serotini imbris, et ecce serotinus post tonsionem regis.
2 Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin’ ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon’ i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
Et factum est, cum consummasset comedere herbam terræ, dixi: Domine Deus, propitius esto, obsecro; quis suscitabit Jacob, quia parvulus est?
3 Nanenenan’ i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah.
Misertus est Dominus super hoc: Non erit, dixit Dominus.
4 Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin’ ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.
Hæc ostendit mihi Dominus Deus: et ecce vocabat judicium ad ignem Dominus Deus; et devoravit abyssum multam, et comedit simul partem.
5 Dia hoy izaho: Jehovah Tompo, Mifona aminao aho, mitsahara! Hataon’ i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
Et dixi: Domine Deus, quiesce, obsecro; quis suscitabit Jacob, quia parvulus est?
6 Nanenenan’ i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah Tompo.
Misertus est Dominus super hoc: Sed et istud non erit, dixit Dominus Deus.
7 Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin’ ny manda natao amin’ ny pilao, sady nisy pilao teny an-tànany.
Hæc ostendit mihi Dominus: et ecce Dominus stans super murum litum, et in manu ejus trulla cæmentarii.
8 Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin’ ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy intsony;
Et dixit Dominus ad me: Quid tu vides, Amos? Et dixi: Trullam cæmentarii. Et dixit Dominus: [Ecce ego ponam trullam in medio populi mei Israël; non adjiciam ultra superinducere eum.
9 Dia ho foana ny fitoerana avon’ Isaka, ary ho rava ny fitoera-masin’ Isiraely; Ary hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak’ i Jeroboama.
Et demolientur excelsa idoli, et sanctificationes Israël desolabuntur, et consurgam super domum Jeroboam in gladio.]
10 Dia naniraka tany amin’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin’ ny taranak’ Isiraely, ary tsy zakan’ ny tany ny teniny rehetra,
Et misit Amasias, sacerdos Bethel, ad Jeroboam, regem Israël, dicens: Rebellavit contra te Amos in medio domus Israël; non poterit terra sustinere universos sermones ejus.
11 satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin’ ny taniny tokoa ny Isiraely.
Hæc enim dicit Amos: In gladio morietur Jeroboam, et Israël captivus migrabit de terra sua.
12 Ary hoy Amazia tamin’ i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin’ ny tanin’ ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;
Et dixit Amasias ad Amos: Qui vides, gradere: fuge in terram Juda, et comede ibi panem, et prophetabis ibi.
13 fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin’ ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.
Et in Bethel non adjicies ultra ut prophetes, quia sanctificatio regis est, et domus regni est.
14 Dia namaly Amosa ka nanao tamin’ i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho,
Responditque Amos, et dixit ad Amasiam: Non sum propheta, et non sum filius prophetæ: sed armentarius ego sum vellicans sycomoros.
15 saingy nalain’ i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin’ ny Isiraely oloko.
Et tulit me Dominus cum sequerer gregem, et dixit Dominus ad me: Vade, propheta ad populum meum Israël.
16 Ka mba henoy ny tenin’ i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak’ Isaka;
Et nunc audi verbum Domini: [Tu dicis: Non prophetabis super Israël, et non stillabis super domum idoli.
17 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin’ ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin’ ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin’ ny taniny tokoa.
Propter hoc hæc dicit Dominus: Uxor tua in civitate fornicabitur, et filii tui et filiæ tuæ in gladio cadent, et humus tua funiculo metietur: et tu in terra polluta morieris, et Israël captivus migrabit de terra sua.]

< Amosa 7 >