< Amosa 5 >

1 Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak’ Isiraely;
Ku ji wannan magana, ya gidan Isra’ila, ina makokin nan dominku.
2 Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin’ ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy.
“Budurwa Isra’ila ta fāɗi, ba za tă ƙara tashi ba, an yashe ta a ƙasarta, ba wanda zai ɗaga ta.”
3 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an’ ny taranak’ Isiraely.
Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka ya ce, “Birnin da ta fitar da masu ƙarfi dubbai don Isra’ila guda ɗari kaɗai za su dawo; garin da ya fitar da masu ƙarfi ɗari kuwa goma kaɗai za su dawo.”
4 Fa izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny taranak’ Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;
Ga abin da Ubangiji ya ce wa gidan Isra’ila. “Ku neme ni ku rayu;
5 Fa aza mitady an’ i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.
kada ku nemi Betel, kada ku je Gilgal, kada ku yi tafiya zuwa Beyersheba. Gama ba shakka Gilgal za tă tafi bauta, za a kuwa mai da Betel ba kome ba.”
6 Mitadiava an’ i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin’ ny taranak’ i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,
Ku nemi Ubangiji ku kuma rayu, ko kuwa zai ratsa yă share gidan Yusuf kamar wuta; zai cinye Betel kuwa ba zai sami wanda zai kashe ta ba.
7 Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin’ ny tany.
Ku ne masu mai da gaskiya ta koma ɗaci ku kuma zubar da adalci.
8 Ilay nanao an’ Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin’ ny tany: Jehovah no anarany,
(Shi wanda ya yi Taurarin nan da ake ce Kaza da’Ya’yanta da kuma Mai Farauta da Kare, wanda ya mai da duhu ya zama haske ya kuma baƙanta rana ta zama dare, yakan kwashe ruwan teku ya zubar a ƙasa, Ubangiji ne sunansa,
9 Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin’ ny tanàna mimanda ny fandravana.
yakan kawo hallaka a mafaka mai ƙarfi yakan kuma mai da birnin mai katanga ya zama kufai).
10 Halany eo am-bavahady izay mananatra, ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina.
Ba ku son mai yin gaskiya a ɗakin shari’a kuna ƙin mai faɗar gaskiya.
11 Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
Kuna matsa wa matalauta kuna sa su dole su ba ku hatsi. Saboda haka, ko da yake kun gina gidajen duwatsu, ba za ku zauna a cikinsu ba; ko da yake kun nome gonaki masu kyau, ba za ku sha ruwan inabinsu ba.
12 Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady.
Gama na san yawan laifofinku da kuma girman zunubanku. Kuna danne masu adalci kuna kuma cin hanci kuna kuma hana a yi wa matalauta shari’ar adalci a majalisa.
13 Koa izay manan-tsaina dia hangina amin’ izao andro izao, fa andro mampahory izao.
Saboda haka mai hankali yakan yi shiru a lokuta kamar haka, gama lokutan mugaye ne.
14 Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.
Ku yi nagarta, ba mugunta ba; don ku rayu sa’an nan Ubangiji Allah Maɗaukaki zai kasance da ku, kamar yadda kuka ce zai yi.
15 Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin’ izay sisa amin’ i Josefa.
Ku ƙi mugunta, ku ƙaunaci nagarta; ku dinga yin shari’ar gaskiya a ɗakunan shari’a. Mai yiwuwa Ubangiji Allah Maɗaukaki zai ji tausayin raguwar Yusuf.
16 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.
Saboda haka ga abin da Ubangiji, Ubangiji Allah Maɗaukaki yana cewa, “Za a yi kururuwa a dukan tituna a kuma yi kuka don azaba a dukan wuraren da jama’a sukan taru. Za a yi kira ga manoma su yi kuka masu makoki kuma su yi kuka.
17 Ary any amin’ ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.
Za a yi kuka a dukan gonakin inabi, gama zan ratsa a cikinku,” in ji Ubangiji.
18 Lozan’ izay maniry ny andron’ i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron’ i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,
Kaitonku masu son ganin ranar Ubangiji! Don me kuke son ganin ranar Ubangiji? Za a duhunta ranan nan, ba haske ba.
19 Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin-tanana amin’ ny rindrina, dia kekerin’ ny menarana.
Za ku zama kamar mutanen da suka guje wa zaki sai suka fāɗa a hannun beyar, ko kuma kamar wanda ya shiga gida ya dāfa hannu a bango sai maciji ya sare shi.
20 Moa tsy aizina va ny andron’ i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?
Ashe, ranar Ubangiji ba duhu ba ce, a maimakon haske, duhu wuluk, ba tare da ko ɗan haske ba.
21 Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masìna.
“Na ƙi, ina kuma ƙyamar bukukkuwanku na addini; ba na son ganin tarurrukanku.
22 Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak’ omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
Ko da kun kawo mini hadayu na ƙonawa da kuma hadayu na hatsi, ba zan karɓa ba. Ko da kun kawo zaɓaɓɓun hadayu na zumunta, ba zan ɗauke su a bakin kome ba.
23 Atsaharo ny finaonaonan’ ny hiranareo, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon’ ny lokanganareo Aho.
Ku tashi daga nan da surutan waƙoƙinku! Ba zan saurari kaɗe-kaɗe da bushe bushenku ba.
24 Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
Amma bari gaskiya ta kwararo kamar kogi, adalci kuma kamar rafin da ba ya taɓa bushewa!
25 Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak’ i Isiraely?
“Kun kawo mini hadayu da sadakoki shekaru arba’in a cikin jeji, ya ku gidan Isra’ila?
26 Tsia, fa ny nitondra ny tabernakelin’ ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan’ ny sampinareo ihany no nataonareo, dia ny kintan’ ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo
Kun ɗaga masujadar sarkinku, siffofin gumakanku, tauraron allahnku, wanda kuka yi wa kanku.
27 Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr’ i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.
Saboda haka zan tura ku zaman bauta gaba da Damaskus,” in ji Ubangiji, wanda sunansa ne Allah Mai Iko.

< Amosa 5 >