< Amosa 4 >
1 Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr’ ombivavin’ i Basana, izay eny an-tendrombohitr’ i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin’ ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika.
你們這些欺壓弱小,虐待窮人,且對自己丈夫說:「拿酒來,我們暢飲」的撒馬黎雅山上巴商母牛,聽聽這話吧!
2 Jehovah Tompo efa nianiana tamin’ ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin’ ny farango sy izay sisa aminareo amin’ ny fintana.
吾主上主指著的神聖起誓說:「看,對付你們的日子快到,人必用鉤子把你們鉤去;直到你們最後一個也必被人用魚鉤鉤去。
3 Ary avy eo amin’ ny banga no hivoahanareo, samy amin’ izay hitsiny avy; Ary horoahina ho any Harmona ianareo, hoy Jehovah.
你們一個一個地經過城牆的裂口,被押到赫爾孟去」──上主的斷語。
4 Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drà ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo;
你們去貝特耳犯罪吧! 去基耳加耳罪上加罪吧! 每晨奉獻你們的犧牲,每三天奉獻你們的什一之物,
5 Mandoroa zavatra misy masirasira ho fanati-pisaorana, ary miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
焚燒有酵供物當作感恩祭,高聲宣揚你們自願獻的祭獻! 以色列子民,你們原喜歡這樣──吾主上主的斷語──
6 Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra, sy ny tsi-fahampian-kanina tamin’ ny fonenanareo rehetra; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
雖然我使你們一切城市饑荒,到處缺糧,但你們還是不歸向我──上主的斷語──
7 Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin’ ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin’ ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan’ ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
收割前三個月,我就不給你們降雨,或者在這城下雨,在另一城卻不降雨;這塊地得了雨,而另一塊地沒有得雨,因而枯乾了;
8 Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin’ ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
兩三座城的人踉踉蹌蹌走到另一城去喝水,卻不能喝足;雖然如此,你們還是不歸向我──上主的斷語──
9 Efa nasiako tamin’ ny vary main’ ny rivotra sy maty fotsy ianareo; Ny habetsahan’ ny tanimbolinareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin’ ny valala; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
我使熱風和霉爛襲擊你們,使你們的田園和葡萄園乾旱;蝗蟲又吃光了你們的無花果檥和橄欖樹,但你們還是不歸向我──上主的斷語──
10 Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan’ ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
我在你們中間下了瘟疫,如在埃及一樣,用刀劍殺了你們的精兵,令人擄掠你們的戰馬,使你們營中腥臭撲鼻,但你們還是不歸向我──上主的斷語─
11 Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin’ ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
我傾覆了你們,像天主傾覆了索多瑪和哈摩辣,你們好似由火中抽出來的木柴,但你們還是不歸向我──上主的斷語──
12 Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin’ Andriamanitrao, ry Isiraely ô.
為此,以色列! 我必要這樣對待你。以色列! 因我要這樣對待你,你準備迎接你的天主吧!
13 Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin’ ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
看,是衪形成了山嶽,創造了風暴,向人宣示衪的旨意,造成黎明和黑暗,在大地高處巡行,衪的名字叫「雅威,」萬軍的天主。