< Amosa 3 >

1 Henoy izao teny izao, izay lazain’ i Jehovah ny aminareo, ry Zanak’ Isiraely, dia ny amin’ io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta io:
Ecoutez cette parole que prononce l’Eternel sur vous, enfants d’Israël, sur toute la famille que j’ai retirée du pays d’Egypte! La voici:
2 Hianareo ihany no fantatro tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
"C’Est vous seuls que j’ai distingués entre toutes les familles de la terre, c’est pourquoi je vous demande compte de toutes vos fautes.
3 Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?
Deux hommes marchent-ils de concert, s’ils ne se sont pas entendus d’avance?
4 Mierona any an’ ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?
Le lion rugit-il dans la forêt, s’il ne tient une proie? Le lionceau grince-t-il du fond de sa tanière, s’il n’a fait une capture?
5 Voan’ ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
Le passereau tomberait-il dans le piège dressé sur le sol, si le piège ne l’attendait? Et le piège se soulèverait-il de terre, s’il n’avait fait une prise?
6 Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
La trompette sonnera-t-elle dans une ville sans mettre le peuple en émoi? Un malheur atteindra-t-il la cité, si l’Eternel n’en est l’auteur?
7 Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony.
Ainsi le Seigneur Dieu n’accomplit rien qu’il n’ait révélé son dessein à ses serviteurs, les prophètes.
8 Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?
Le lion a rugi: qui n’aurait peur? Le Seigneur Dieu a parlé: qui ne prophétiserait?
9 Ambarao ao an-tranoben’ i Asdoda sy ao an-tranobe any amin’ ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr’ i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny.
Faites une proclamation près des palais d’Asdod, près des palais du pays d’Egypte, dites: "Venez tous ensemble sur les monts de Samarie, venez voir les grands désordres qui y règnent et les violences qui s’y commettent.
10 Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.
Ils ne savent pas agir avec droiture, dit l’Eternel, eux qui entassent dans leurs palais les produits de la rapine et de l’oppression!"
11 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.
Eh bien! dit le Seigneur Dieu, c’est l’ennemi! Il enserre le pays, il te dépouillera de ta puissance, tes palais seront pillés.
12 Izao no lazain’ i Jehovah: Toy ny famonjin’ ny mpiandry ondry ny tongotr’ ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan’ ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak’ Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin’ ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
Ainsi parle l’Eternel: "De même que le berger n’arrache de la gueule du lion que deux pattes ou un bout d’oreille, ainsi seront sauvés les enfants d’Israël qui, à Samarie, sont assis aux angles des lits et sur des tapis de Damas.
13 Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak’ i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro:
Ecoutez et rendez-en témoignage à la maison de Jacob, dit le Seigneur Dieu, le Dieu-Cebaot:
14 Amin’ ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin’ ny tany.
Le jour où je punirai Israël pour ses péchés, je sévirai contre les autels de Béthel: les coins de l’autel seront abattus et tomberont à terre.
15 Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.
Alors je ferai crouler le palais d’hiver sur le palais d’été, les maisons d’ivoire seront ruinées, et c’en sera fini des habitations imposantes, dit l’Eternel."

< Amosa 3 >