< Amosa 2 >

1 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan’ ny mpanjakan’ i Edoma;
Hivi ndivyo Yahwe asemavyo: “Kwa dhambi tatu za Moabu, hata kwa nne, sintobadilisha adhabu, kwa sababu amechoma moto mifupa ya mfalme wa Edomu hadi kuwa chokaa.
2 Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben’ i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin’ ny tabataba sy amin’ ny akora ary ny fanenon’ ny anjomara;
Nitatuma moto juu ya Moabu, na utaangamiza ngome za Keriothi. Moabu atakufa katika gasia, pamoja na kelele na sauti ya tarumbeta.
3 Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
Nitamuharibu mwamuzi kati yake, na nitawaua wana wa mfalme pamoja na yeye,” asema Yahwe.
4 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn’ i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon’ ny razany;
Hivi ndivyo Yahwe asemavyo: “Kwa dhambi tatu za Yuda, hata kwa nne, sintobadilisha adhabu, kwa sababu wameikataa sheria ya Yahwe na hawakuzishika amri zake. Uongo wao umesababisha kupotea, ambao baba zao pia waliufuata.
5 Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben’ i Jerosalema izany.
Nitatuma moto juu ya Yuda, na utaimeza ngome ya Yerusalemu.”
6 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo,
Hivi ndivyo Yahwe asemavyo: “Kwa dhambi tatu za Israeli, hata kwa nne, sintobadilisha adhabu, kwa sababu wamewauza wasio na hatia kwa fedha na maskini kwa jozi moja ya makubadhi.
7 Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan’ ny malahelo izy sady mamily ny alehan’ ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin’ ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masìna;
Nao hukanyaga juu ya vichwa vya maskini kama kukanyaga kwenye mavumbi juu ya aridhi; wanasukuma kukandamiza. Mtu mmoja na baba yake walilala na msichana mmoja na hivyo kukufuru jina langu takatifu.
8 Amin’ ny lamba azony tamin’ ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan’ ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin’ ny sazy ao an-tranon’ ireo andriamaniny izy.
Nao hulala chini karibu na kila madhabahu kwenye nguo zilizowekwa dhamana, na katika nyumba ya Mungu wao hunywa divai ya wale ambao walitozwa faini.
9 Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
Bado nimemwangamiza Mwamori mbele yao, ambaye urefu wake ulikuwa kama urefu wa mierezi; alikuwa na nguvu kama mialoni. Kisha nikaharibu matunda yake juu na mizizi yake chini.
10 Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin’ ny Amorita,
Pia, niliwapandisha kutoka nchi ya Misri na kuwaongoza miaka arobaini nyikani ili mmiliki nchi ya Wamori.
11 Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak’ Isiraely? hoy Jehovah.
Nimewainua manabii kutoka miongoni mwa watoto wanu wawe Wanadhiri kutoka vijana wenu. Je sio hivyo, watu wa Israeli? -hivi ndivyo Yahwe asemavyo.
12 Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.
Lakini mmewashawishi Wanadhiri kunywa mvinyo na kuwaamuru manabii wasifanye unabii.
13 Indro, Izaho no hitambesatra aminareo toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara.
Tazama, nitawakanyaga kama mkokoteni uliojaa miganda inayoweza kumkanyaga mtu.
14 Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;
Mtu akimbiaye hatapata kimbilio; mwenye nguvu hatoongeza nguvu zake mwenyewe; wala shujaa kujiokoa mwenyewe.
15 Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;
Apindaye upinde hatasimama; mkimbiaji sana hatakimbia; mwendesha farasi hatajiokoa mwenyewe.
16 Ary na dia izay sahy ao amin’ ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin’ izany andro izany, hoy Jehovah.
Hata wapiganaji shujaa watakimbia uchi katika siku hiyo -hivi ndivyo Yahwe asemavy.”

< Amosa 2 >