< Amosa 1 >
1 Ny tenin’ i Amosa, izay isan’ ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andro nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, roa taona talohan’ ny horohorontany.
Mawu a Amosi, mmodzi mwa anthu oweta nkhosa ku Tekowa. Zimene iye anaona mʼmasomphenya zokhudza Israeli patatsala zaka ziwiri kuti chivomerezi chichitike, nthawi imene Uziya anali mfumu ya Yuda ndipo Yeroboamu mwana wa Yowasi anali mfumu ya Israeli.
2 Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon’ i Karmela.
Amosi anati: “Yehova akubangula mu Ziyoni ndipo akumveka ngati bingu mu Yerusalemu; msipu wa abusa ukulira, ndipo pamwamba pa Karimeli pakuwuma.”
3 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an’ i Gileada;
Yehova akuti, “Chifukwa anthu a ku Damasiko akunka nachimwirachimwira, Ine sindileka kuwalanga. Popeza anapuntha Giliyadi ndi zopunthira za mano achitsulo,
4 Fa haterako afo ny tranon’ i Hazaela, ka handevona ny tranoben’ i Beni-hadada izany.
Ine ndidzatumiza moto pa nyumba ya Hazaeli umene udzanyeketsa nyumba zaufumu za Beni-Hadadi.
5 Hotorotoroiko koa ny hidin’ i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan’ i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan’ i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah.
Ndidzathyola chipata cha Damasiko; ndidzawononga mfumu yokhala ku Chigwa cha Aveni, ndiponso iye amene akugwira ndodo yaufumu mu Beti-Edeni. Anthu a ku Aramu adzapita ku ukapolo ku Kiri,” akutero Yehova.
6 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma;
Yehova akuti, “Chifukwa anthu a ku Gaza akunka nachimwirachimwira, Ine sindileka kuwalanga. Popeza anatenga ukapolo mtundu wathunthu ndi kuwugulitsa ku Edomu,
7 Fa haterako afo ny mandan’ i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany;
ndidzatumiza moto pa makoma a Gaza umene udzanyeketsa nyumba zake zaufumu.
8 Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an’ i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin’ ny Filistina, hoy Jehovah Tompo
Ndidzawononga mfumu ya ku Asidodi komanso amene akugwira ndodo yaufumu ku Asikeloni. Ndidzalanga Ekroni, mpaka wotsala mwa Afilisti atafa,” akutero Ambuye Yehova.
9 Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;
Yehova akuti, “Chifukwa anthu a ku Turo akunka nachimwirachimwira, Ine sindileka kuwalanga. Popeza iwo anagulitsa mtundu wathunthu ku ukapolo ku Edomu, osasunga pangano laubale lija,
10 Fa haterako afo ny mandan’ i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany
Ine ndidzatumiza moto pa makoma a Turo umene udzanyeketsa nyumba zake zaufumu.”
11 Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava;
Yehova akuti, “Chifukwa anthu a ku Edomu akunka nachimwirachimwira, Ine sindileka kuwalanga. Popeza anathamangitsa mʼbale wake ndi lupanga, popanda nʼchifundo chomwe. Popeza mkwiyo wake unakulabe ndipo ukali wake sunatonthozeke,
12 Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben’ i Bozra izany
Ine ndidzatumiza moto pa Temani umene udzanyeketsa nyumba zaufumu za Bozira.”
13 Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ ny taranak’ i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny;
Yehova akuti, “Chifukwa anthu a ku Amoni akunka nachimwirachimwira, Ine sindileka kuwalanga. Popeza anatumbula akazi oyembekezera a ku Giliyadi nʼcholinga choti akuze malire awo,
14 Fa hampirehitra afo ao amin’ ny mandan’ i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin’ ny andro iadiana sy rivo-mahery amin’ ny andron’ ny tadio;
Ine ndidzayatsa moto pa makoma a ku Raba umene udzanyeketsa nyumba zake zaufumu. Padzakhala kulira kwakukulu pa tsiku la nkhondoyo, kumenyana kudzakhala kwafumbi ngati mkuntho wa kamvuluvulu.
15 Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin’ ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
Mfumu yawo idzatengedwa kupita ku ukapolo, iyo pamodzi ndi akuluakulu ake,” akutero Yehova.