< Asan'ny Apostoly 9 >
1 Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin’ ny mpisoronabe izy
2 ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.
3 Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin’ i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy;
4 dia lavo tamin’ ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
5 Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
6 fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.
7 Ary ny olona izay nomba azy tamin’ ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona.
8 Ary Saoly nitsangana tamin’ ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
9 Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
10 Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin’ ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
11 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin’ ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon’ i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy;
12 ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony.
13 Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin’ ny maro ny haben’ ny ratsy nataon’ izany lehilahy izany tamin’ ny olonao masìna tany Jerosalema.
14 Ary manana fahefanay koa avy tamin’ ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
15 Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’ isiraely;
16 fa hasehoko azy ny habetsahan’ izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
17 Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin’ ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan’ ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masìna ianao.
18 Ary niaraka tamin’ izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ ny hazandrano niala avy tamin’ ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
19 ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin’ ny mpianatra tany Damaskosy.
20 Ary niaraka tamin’ izay dia nitory teo amin’ ny synagoga izy ka nilaza an’ i Jesosy fa Zanak’ Andriamanitra.
21 Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin’ ny mpisoronabe.
22 Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.
23 Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;
24 nefa fantatr’ i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman’ alina hamonoany azy.
25 Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin’ ny sobiky avy eo amin’ ny mànda.
26 Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin’ ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
27 Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin’ ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran’ i Jesosy tany Damaskosy.
28 Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin’ ireo tany Jerosalema,
29 sady nitory tamin’ ny anaran’ ny Tompo tamin’ ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin’ ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.
30 Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
31 Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran’ i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan’ ny Fanahy ka nihamaro.
32 Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin’ ny olona masìna nonina tany Lyda koa.
33 Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin’ ny paralysisa.
34 Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin’ izay izy.
35 Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin’ ny Tompo.
36 Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’ izany vehivavy izany.
37 Ary narary izy tamin’ izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.
38 Ary satria Lyda akaikin’ i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.
39 Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin’ i Dorkasy fony fahavelony.
40 Ary navoak’ i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an’ i Petera izy, dia niarina.
41 Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masìna sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.
42 Ary dia fantatra eran’ i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.
43 Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin’ i Simona mpandon-koditra.