< Asan'ny Apostoly 9 >
1 Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin’ ny mpisoronabe izy
Shawulu anyumo ure aje inka tuma ku inza wanu tarsa ugomo asere, ma haa ahira unu udang ullatima.
2 ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.
U nyara inyerte mee saa indi nyame nikara nu guna maka mensimanu tarsa asere adi maskus a ma mekiwee ma ehn ujerusalem ahamna wa rumma nan na eeh.
3 Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin’ i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy;
maraa anyumo afanu mamu uribe adamas kas, ma iri masa ma suro asesere ma keteme.
4 dia lavo tamin’ ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
Ma dusa ma rizi adizi ma kuna nimyiran unu tissa umme shawulu, shawulu nyanini ya wuna uzin unu yomo uum.
5 Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
Shawulu ma gu hu aveni ugomo asers ma kabirka me ma gumme in manni ugomo asere yesu sa uzin unu yomo umee.
6 fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.
Ma gun me hira ribe anyumo ani pin me adi bukuwe imumme sa udi wuu.
7 Ary ny olona izay nomba azy tamin’ ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona.
Aroni a tanu ti shawulu wa turin in kufik, wa kunna nimyiran intize sarki u ira unu.
8 Ary Saoly nitsangana tamin’ ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
Ma hiri ma kem urubo ya meki me a chanti me tari a riben me adimas kas.
9 Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
Tiye tuma ti taru ini rubomee saki mare daki ma saa.
10 Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin’ ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
Ure unu tarsa asere maa rani anyumo adimaskas me sa atissa me hananiyai ugomo asere ma buki me tize ati roo.
11 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin’ ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon’ i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy;
Ugomo asere ma gunme hira hana ani kirame sa atisa nin derte a kura a yahuda u ikki una ni zaa shawulu sa ma suro u tasus.
12 ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony.
Ma raa nyumo abi ringara ma irri unu sa atisa hananiya ati roo, ma ehzee madi tarme tari bati aje ameme a pagno.
13 Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin’ ny maro ny haben’ ny ratsy nataon’ izany lehilahy izany tamin’ ny olonao masìna tany Jerosalema.
Hananiya ma ugomo asere mamu kumna ahira anu gbardang, uyomome sa unu ugeme mazi anu awemen ujerusalem.
14 Ary manana fahefanay koa avy tamin’ ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
Anya me nikara ahira unu udandang uka tuma, ma meki vat de sa ma tarsa we.
15 Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’ isiraely;
Ugomo asere ma gunme hana ma zauka me, ma kurze me, imum ika tuma kami madi han intize tum a hira andesa wa taa me, nan nagomo wana hana ujerusalem.
16 fa hasehoko azy ny habetsahan’ izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
Barki imumme sa ma wuzam madi sih ijassi.
17 Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin’ ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan’ ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masìna ianao.
Hananiya ma hirimaka ribe akurame ma tari me tari ma gumme uhaanu (uroni) ugomo asere yesu sa wa gurna nan me unaa mani ma tamman batu aje awe me a pagkino ukuri ukabi bibee biririm.
18 Ary niaraka tamin’ izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ ny hazandrano niala avy tamin’ ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
Saarki u dodonkimo ure imum kasi uhama isuri aje shawulu irizi aje me a pagkino a dusa azorome.
19 ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin’ ny mpianatra tany Damaskosy.
Mari imum yaree nan ni kara. ma cukuno nan anu tarsa u yesu adimaskas, thiye gbardang.
20 Ary niaraka tamin’ izay dia nitory teo amin’ ny synagoga izy ka nilaza an’ i Jesosy fa Zanak’ Andriamanitra.
A birime udenge unu gurmee ma turguno tisa uni za ni yesu memani vana asere.
21 Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin’ ny mpisoronabe.
Vat anu wa tubi uhumoro, in gusa de sa ma huzza anu ujerusalem barki ni zaa nigemee, ma aye ma mensi anu abanamema haa unu udandang ukatuma.
22 Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.
Mu riba manu dimaskas mu kinki mu hunneme sa mazin mu gusa yesu mama ni kirsti.
23 Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;
Sa awuna tiye gbardang yahuwawa wa nyari uhuna ume.
24 nefa fantatr’ i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman’ alina hamonoany azy.
Wah beh tinaa tukum me unu wai nan niye shawulu ma russi vat imumme sa wa inko.
25 Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin’ ny sobiky avy eo amin’ ny mànda.
A nu tarsa u shawulu me wa zikime inye, wa wume igira waka tuzouzunu a matara.
26 Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin’ ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
Sa shawulu ma aye ujerusalem ma nyara utarsa anu tarsa u yesu, vat uwe wa kina biyau, a nyumo u taa me uguna mamu cukuno unu tarsa u yesu.
27 Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin’ ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran’ i Jesosy tany Damaskosy.
Barnabas ma ziki me ma hanme a hira ana kaduraka yesu. ma kurzo we u gurna u shawulu nan asere wani tizeme sa asere ma boo me u naa, nan tize sa ma boo aniceh ni yesu adimaskas.
28 Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin’ ireo tany Jerosalema,
Ma gursuna nan anu ribize nan nu susso anyumo ujerisalem, mazen tize a seseri ani ceh ni yesu ugomo asere.
29 sady nitory tamin’ ny anaran’ ny Tompo tamin’ ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin’ ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.
Ma kuri ma riajen matara nan ma yahuda wa mu brik, wa kuri wa naye unu nyara uhuna umme.
30 Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
Sa anu henu me wa tuburko me utaarsus.
31 Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran’ i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan’ ny Fanahy ka nihamaro.
A bini me anu tarsa asere u judiya, galile nan u samariya wa kem ti lukum ti mang wann reaje anyumo a tana tu tarsa ugomo asere gbardang nan bibee biririn.
32 Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin’ ny olona masìna nonina tany Lyda koa.
Sa bitrus ma mara utarsa uti hihira ma han ma kakem anu asere an de sa wa ciki u lidda.
33 Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin’ ny paralysisa.
A bini me maka kem urunua sa a tissa me aniyas, ti weeh uwittitari unn kon uwono nire ni kiraa.
34 Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin’ izay izy.
Bitrus ma gun me aniyas yesu kirsti wa humanhu hira tonno mahiri matonno.
35 Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin’ ny Tompo.
Ana ti cukum to lidda nan u sharon sa wa ira anime wa kabi tize ti gomo asere.
36 Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’ izany vehivavy izany.
Uye ma rani u joppa unu tarsa asere atisa tabitha, uneh mani inka tuma karirin ku benki anu dira.
37 Ary narary izy tamin’ izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.
A tiye me ma zin unukon, sa ma wono a zoro ikisi me aka nata udenge.
38 Ary satria Lyda akaikin’ i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.
Barki u maamu lidda nan u joppa amu tarsa u yeso wa tumi ana wa ree a hira a bitrus ma benkiwe ma ee jibi.
39 Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin’ i Dorkasy fony fahavelony.
Bitrus ma hiri ma tarsiwe. sa ma hana wa riben me udenge sa ikizi me iranrin. a koro wa ketti me ma soo, unu bizizi ume ti runga nan ti mum sa tabita ma wuza we.
40 Ary navoak’ i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an’ i Petera izy, dia niarina.
Bitrus ma susso we anyumo udenge me, ma tunguno naruu ma wuu biringara ma gamirka u watu ikizi me ma guu”tabita hira” ma pakki aje ma iri bitirus ma hiri macuku no.
41 Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masìna sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.
Bitirus ma witti me tari ma hiri matonno, ma titti anu tarsa asere nan na koro ma nyawe me uhuma.
42 Ary dia fantatra eran’ i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.
A bangame a samika vat u joppa anu wa kabi tizee ta sere.
43 Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin’ i Simona mpandon-koditra.
Bitrus ma wuu tiye gbardang u joppa nan una riza simon unu duro uti waa.