< Asan'ny Apostoly 8 >

1 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. Ary tamin’ izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin’ ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin’ ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
А Савл похваляв його вби́вство. І утиск великий постав того дня проти єрусалимської Церкви, і всі, крім апо́столів, розпоро́шилися по краях юдейських та самарійських.
2 Ary mpivavaka tsara no nandevina an’ i Stefana sady nisaona azy fatratra.
І поховали Степа́на му́жі побожні, і плакали ревно за ним.
3 Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.
А Савл нищив Церкву, — вдирався в доми́, витягав чоловіків і жінок та давав до в'язниці.
4 Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.
Ходили тоді розпоро́шенці, та Боже Слово благовісти́ли.
5 Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’ i Kristy tamin’ ny olona tao.
Ось Пилип прийшов до самарійського міста, і проповідував їм про Христа.
6 Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain’ i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony.
А люди вважали на те, що Пилип говорив, і згідно слухали й бачили чу́да, які він чинив.
7 Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ ny feo mahery, dia nivoaka tamin’ ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin’ ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.
Із багатьох бо, що мали їх, ду́хи нечисті вихо́дили з криком великим, і багато розсла́блених та кривих уздорови́лися.
8 Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’ izany tanàna izany.
І радість велика в тім місті була́!
9 Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;
Був один чоловік, на ім'я́ йому́ Си́мон, що до того в цім місті займавсь ворожби́тством та дурив самарійський наро́д, видаючи себе за якогось великого.
10 ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin’ Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.
Його слухали всі, — від найменшого аж до найбільшого, кажучи: „Він — сила Божа, що зветься велика!“
11 Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin’ ny odiny.
Його ж слухалися, бо він їх довший час дивував ворожби́тством.
12 Ary rehefa nino an’ i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny anaran’ i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
Та коли йняли віри Пилипові, що благовістив про Боже Царство й Ім'я́ Ісуса Христа, чоловіки й жінки охристи́лися.
13 Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an’ i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
Увірував навіть сам Си́мон, і, охристившись, тримався Пилипа; а бачивши чуда й знаме́на великі, він дуже дивувався.
14 Ary nony ren’ ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin’ Andriamanitra, dia naniraka an’ i Petera sy Jaona izy hankany aminy.
Як зачули ж апо́столи, які в Єрусалимі були, що Боже Слово прийняла́ Самарі́я, то послали до них Петра та Івана.
15 Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ ny olona mba handraisany ny Fanahy Masìna.
А вони, як прийшли, помолились за них, щоб Духа Святого вони прийняли́,
16 Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo ihany izy.
бо ще ні на о́дного з них Він не схо́див, а були вони тільки охрищені в Ім'я́ Господа Ісуса.
17 Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masìna ireo.
Тоді на них руки поклали, і прийняли́ вони Духа Святого!
18 Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan’ ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masìna, dia nitondra vola homena azy
Як побачив же Си́мон, що через наклада́ння апо́стольських рук Святий Дух подається, то приніс він їм гроші,
19 ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masìna izay olona hametrahako tanana.
і сказав: „Дайте й мені таку вла́ду, щоб той, на кого́ покладу́ свої руки, одержав би Духа Святого!“
20 Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin’ ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’ Andriamanitra.
Та промовив до нього Петро: „Нехай згине з тобою те срібло твоє, бо ти ду́мав набути дар Божий за гроші!
21 Tsy manana anjara na raharaha amin’ izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’ Andriamanitra.
У цім ділі нема тобі частки ні уділу, бо серце твоє перед Богом не слушне.
22 Koa mibebaha amin’ izao haratsianao izao, ka mangataha amin’ ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ ny fonao.
Тож покайся за це лихе ді́ло своє, і проси Господа, — може про́щений буде тобі за́мір серця твого!
23 Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ ny fangidian’ afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.
Бо я бачу, що ти пробува́єш у жо́вчі гіркі́й та в пу́тах неправди“.
24 Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin’ ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.
А Си́мон озвався й сказав: „Помоліться за мене до Господа, щоб мене не спіткало нічого з того, про що ви говорили“.
25 Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin’ ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin’ ny vohitra maro izay an’ ny Samaritana.
А вони ж, засвідчивши, і Слово Господнє звістивши, повернулись до Єрусалиму, і звіщали Єва́нгелію в багатьох самарійських осе́лях.
26 Ary nisy anjelin’ ny Tompo nilaza tamin’ i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin’ ny lalana midìna avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.
А ангол Господній промовив Пилипові, кажучи: „Устань та на пі́вдень іди, на дорогу, що від Єрусалиму до Га́зи спускається, — порожня вона“.
27 Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan’ i Kandasy, mpanjakavavin’ ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;
І, вставши, пішов він. І ось муж етіо́пський, скопе́ць, вельможа Канда́ки, цариці етіопської, що був над усіма́ її ска́рбами, що до Єрусалиму прибув поклонитись,
28 dia nody izy ka nipetraka teo anatin’ ny kalesiny ary namaky teny tao amin’ Isaia mpaminany
вертався, і, сидючи́ на пово́зі своїм, читав пророка Ісаю.
29 Dia hoy ny Fanahy tamin’ i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin’ io kalesy io.
А Дух до Пилипа промовив: „Підійди, та й пристань до цього пово́зу“.
30 Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin’ Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?
Пилип же підбіг і почув, що той читає пророка Ісаю, та й спитав: „Чи розумієш, що́ ти читаєш?“
31 Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an’ i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy.
А той відказав: „Як же мо́жу, як ніхто не напу́тить мене?“І впросив він Пилипа піднятись та сісти з ним.
32 Ary izao no tenin’ ny Soratra Masìna novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak’ ondry moana eo anoloan’ ny mpanety azy;
А слово Писа́ння, що його він читав, було це: „Як вівцю́ на заріз Його ве́дено, і як ягня супроти стрижія́ безголосе, так Він не відкрив Своїх уст!
33 Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin’ ny niara-belona taminy? Fa ny ainy nesorina tamin’ ny tany.
У прини́женні суд Йому віднятий був, а про рід Його хто розповість? Бо життя Його із землі забирається“.
34 Ary ilay tandapa namaly an’ i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain’ ny mpaminany amin’ izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?
Відізвався ж скопе́ць до Пилипа й сказав: „Благаю тебе, — це про ко́го говорить пророк? Чи про себе, чи про іншого кого?“
35 Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’ izany Soratra Masìna izany nitory an’ i Jesosy taminy.
А Пилип відкрив у́ста свої, і, зачавши від цього Писа́ння, благовістив про Ісуса йому.
36 Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin’ izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?
І, як шляхо́м вони їхали, прибули́ до якоїсь води. І озвався скопець: „Ось вода. Що мені заважає христитись?“
А Пилип відказав: „Якщо віруєш із повного серця свого, то можна“. А той відповів і сказав: „Я вірую, що Ісус Христос — то Син Божий!“
38 Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ ny rano; dia nataony batisa izy.
І звелів, щоб по́віз спинився. І оби́два — Пилип та скопе́ць — увійшли до води, і охристив він його.
39 Ary rehefa niakatra avy teo amin’ ny rano izy roa lahy, dia nentin’ ny Fanahin’ ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin’ ny nalehany izy sady nifaly.
А коли вони вийшли з води, Дух Господній Пилипа забрав, і скопе́ць уже більше не бачив його. І він їхав, радіючи, шляхом своїм.
40 Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin’ ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
А Пилип опинився в Азо́ті, і, переходячи, звіщав Єва́нгелію всім містам, аж поки прийшов у Кесарі́ю.

< Asan'ny Apostoly 8 >