< Asan'ny Apostoly 6 >

1 Ary tamin’ izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ ny mpianatra, dia nimonomonona tamin’ ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ ny fiantrana isan’ andro ny mpitondratenany.
But in those days, when the number of the disciples was multiplying, there arose a murmuring of the Hellenists against the Hebrews, because their widows were neglected in the daily ministration.
2 Ary ny roa ambin’ ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin’ Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.
And the twelve called the multitude of the disciples to them, and said, It doth not seem to us proper, that we should leave the word of God, and provide for tables.
3 Koa amin’ izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
Therefore, brethren, look out among you seven men of good repute, full of the Spirit and of wisdom, whom we will appoint over this business;
4 Fa izahay kosa haharitra amin’ ny fivavahana sy ny fampianarana.
but we will give ourselves closely to prayer, and to the ministry of the word.
5 Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an’ i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masìna, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
And what was said pleased the whole multitude. And they chose Stephen, a man full of faith and of the Holy Spirit, and Philip, and Prochorus, and Nicanor, and Timon, and Parmenas, and Nicolaus a proselyte of Antioch,
6 ireo dia narosony teo anatrehan’ ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.
whom they set before the apostles; and when they had prayed, they laid their hands on them.
7 Dia nandroso ny tenin’ Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
And the word of God increased; and the number of the disciples in Jerusalem was greatly enlarged; and a great multitude of the priests were obedient to the faith.
8 Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ ny vahoaka.
And Stephen, full of grace and power, wrought great wonders and signs among the people.
9 Fa ny sasany, izay avy amin’ ny synagoga atao hoe Synagogan’ ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin’ izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin’ i Stefana.
But some of those who belonged to the so-called synagogue of the Freedmen, and of the Cyrenaeans and Alexandrians, and of those from Cilicia and Asia, arose and disputed with Stephen;
10 Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;
and they were not able to resist the wisdom and the Spirit with which he spoke.
11 dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an’ i Mosesy sy Andriamanitra ity.
Then they suborned men, who said, We have heard him speak blasphemous words against Moses, and God.
12 Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin’ i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin’ ny Synedriona;
And they stirred up the people, and the elders, and the scribes, and came upon him, and seized him, and brought him to the council,
13 ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masìna ity sy ny lalàna;
and set up false witnesses, who said, This man ceaseth not to speak words against the holy place, and the Law.
14 Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr’ i Mosesy antsika.
For we have heard him say, This Jesus the Nazarene will destroy this place, and change the customs which Moses delivered to us.
15 Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ ny Synedriona, raha nandinika an’ i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’ anjely.
And all that sat in the council, looking steadily upon him, saw his face like the face of an angel.

< Asan'ny Apostoly 6 >