< Asan'ny Apostoly 5 >

1 Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany,
Ama niyendo, ban yi yua Ananiasa yeni den ye. Oja yeni den kuadi o kpaabu,
2 ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan’ ny tongotry ny Apostoly.
ki juogi yeni o pua ki kubi i ligi bɔgdima. O den cua yeni yaala n sieni ki bili Jesu tondba taana kani.
3 Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin’ ny Fanahy Masìna ka hanafina ny vola sasany vidin’ ny tany?
Ama ke Piali madi: “be cedi ke a ŋa sitaan k o kua a pali ki gbie k a pan pua fuonŋanma faama i ki ŋuuni u kpaabu ligi bɔgdnma i?
4 Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin’ olona ianao, fa tamin’ Andriamanitra.
Lan bo ki kuadi, li bo li ki tie a kpacelu kaa? lan bo ti kuadi l gɔ bo li ki tie a yaala kaa? A tieni led i ki ti maali li bonla a pali nni. A ki pua niba kaa faama a pua u Tienu i faama.”
5 Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
Anananiasi n gbadi li maam wan cie ki gbaani ki fuodi ki jiini.
6 Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
Ke ti jiwaandi cuo yaaba kuli bo gbadi lan bonla. ke bi jawaaba kadigi o ki bo piini.
7 Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.
Kudi puoli po k o denpua pundi kaa bani yaala bi tieni.
8 Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin’ ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany.
Piali ka maadi o: «maadi n li ya tie ki kuadi u kpaabu ne nani yin waani i ligi maama.» K o jiini: «li ligi n yeni»
9 Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr’ izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.
Ke Piali maadi o: «i tieni led i ki taani bigni o yonmdaano tagnmi i. Yaaba n pii a calo n yeni.»
10 Dia nikarapoka teo anoloan’ ny tongony niaraka tamin’ izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan’ ny lahy.
Ko baa li yogu ki jiini, ke bi jawaaba guani sua o kpe o.
11 Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
Ke ti jiwaanciandi cuo yaaba ye li jaandieli kuli yeni yaaba bo gbadi li bonla.
12 Ary ny tanan’ ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin’ ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin’ ny Fialofan’ i Solomona;
Ti bonninandi yeni u yaalidgu bo tieni u niwulgu siiga nni bi tuonsɔnba nui po. Bi bo tani ye Salomɔn jaanli kani.
13 ary tsy nisy tamin’ ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
Ama ke ba yendo boo pia papaali yeni wan taani bi po ke bi niba nan bo bua bi maama.
14 Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
Bi niba yaaba bo pia li dandanli ti yonmdaano nni bo pugdi bi jaba yeni bi puoba.
15 ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon’ ny tandindon’ i Petera ahay, raha mandalo izy.
Bi bo yi cendi yeni a yiama u sanu po i ki duani ba ti gadogdi yeni i diduani po i, ki fidi yaala ke Piali ya ti pendi ya yogu u junjungu n fidiki legini bi tianba.
16 Ary ny olona maro avy tamin’ ny vohitra manodidina an’ i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin’ ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
Niba boncianli yaaba bo ña Jerusalemi kaalindnma mo bo baadi yeni a yiama yeni yaaba ke i cicibiadi kubi ba ke bi paagdi.
17 Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin’ ny namany rehetra (izay antokon’ ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,
Ama k o yikacianmo fii ya niba kuli bo ye yeni o siiga nni (ki tie Sadusiani jaandi niba); bi bo ye yeni pabɔnli.
18 dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.
Ke bi cuo bi tuonsɔnba ki kuani ba gobna dansalgi dieli nni ki luoni ba.
19 Fa nisy anjelin’ ny Tompo namoha ny varavaran’ ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe:
Ama u ñuagu u Tienu meleki bo ki luodi li ganli ki ñani ba ki maadi ba:
20 Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin’ ny vahoaka eo an-kianjan’ ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.
«Pan sedi mani li jaandieli nni ki waani bi niba li miali maama»
21 Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan’ ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin’ ny Zanak’ isiraely izy ka naniraka nankao amin’ ny tranomaizina haka ny Apostoly.
Ban bo gbadi lani ki fii ki kua li jaandieli nni gu siŋaagu nni ki tundi bi niba. Ama k oyikacianmo cua yeni yaaba bo ye yeni o ki yini mi taankalima ki sɔni ke bi gedi ñani bi tuonsɔnba dansalgi.
22 Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe:
Ama ya soje gbenga bo gedi boo la ba dansaldieli nni, ke bi guani maadi ne:
23 Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
«Ti la k u dansaldieli luoi kpakpab ke sojenba yaaba guu se u bulñɔbu nni; Ama tin luodi ya yogu tii obo deni nni.»
24 Ary ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan’ ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin’ izay ho faran’ izany.
Li jaandieli nni soje cianma yeni o yidkacianmo n gbadi yeni ke li cuo ba i jeje yeni yaala ba fidi ki cua li puoli po.
25 Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan’ ny tempoly ka mampianatra ny olona.
Ke o nulo cua ki maadi ba: «ya niba ki luomi dansalgi ye li jaandieli nni ki tundi u nuwulgu.»
26 Dia lasa ny lehiben’ ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
Ke o sojecianmo yeni sojenba gedi ki guani yenba suoo kaa tieni ba paalu bonli, kelima bi bo jie ke bi niba bo lugdi ba a tana.
27 Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan’ ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy
Ban guani yenba bi sieni ba bi ceglkaaba kani ke o yidikacianmo buali ba
28 ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin’ izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’ izany Lehilahy izany.
ke maadi: «ti kuani ke yi daa tieni i tundi o nulo ne yeli po ke i nan tieni li tundi ki gbieni Jerusalemi kuli ke li ja sɔma ba wuli po.
29 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
Piali yeni o tuonsɔnba bo ŋmia ba ki yedi ti bi cɔlni u Tienu ya maama ki cie bi niba maama.
30 Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’ i Jesosy, Izay novonoin’ ny tananareo nahantonareo teo amin’ ny hazo.
Ti yaja nba Tienu fiini Jesu bi tinkpiiba siiga nni yua ke i bo cɔni o bu tibu po ki kpaa o.
31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ ny Isiraely.
U Tienu duoni wani ki kaani o u nuuienu ke wan tua o bado bijua ti candaano, ki daa nua Isaraheli yaaba biidi ki gɔ mia sugli b biidi po.
32 Ary izahay dia vavolombelon’ izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masìna koa, Izay efa nomen’ Andriamanitra ny manaiky Azy.
Ti tie iesd nba li bona po yeni fuoŋanma gɔ yua ke u Tienu puni tinba yaaba n cɔlni o.»
33 Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.
Bi ceglkaaba n bo gbadi bi pala bo biidi ke bi bua ban kpaa bi tuonsɔnba
34 Dia nitsangana teo amin’ ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
Ama falisiani yua ke bi bo yi o Galmali ki tie bil maama bangika kuli siiga nni yua pia ti kpiagidi ke bi cɔlni o bi niba kani bo yi ñani Yesu tuonsɔnba lan nii po lan waaagi.
35 Dia hoy izy tamin’ ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin’ ireo olona ireo.
Lani k o bo uansi yedi «Yinba Isaraheli yaaba yeni yi bua ki tieni bi niba yaala ne.
36 Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan’ ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
Kelima Todasi bo fii ki sedi yognu bá ki u niwulgu bo ŋɔdi o ki pundi nani niba kobina bi bo kpaa'og ke yaaba bo ŋua'o sani ki yadi.
37 Ary nanarakaraka azy indray, tamin’ ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
Li puoli Juda Galile mo bo fii li cɔdli yogu ki dadi niba waamu. K o kpe ke yaaba bo ŋua o kuli sani ki yadi.
38 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin’ ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin’ olona izao saina na asa izao, dia ho foana;
Mɔla n ji maadi yi fagdi mani ke ŋa ba suoo li ya tie ke li tuadnma ñani bi niba kani li kan tuo.
39 fa raha avy amin’ Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’ Andriamanitra ianareo.
Ama li ñani u Tienu ya kani yinkan fidi paadi ba yi ti bo bandi mono ki kɔni yeni u Tienu i.» Ke bi gbadi niinma nni.
40 Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin’ ny anaran’ i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.
Li puoli po ke yi nni bi tuonsɔnba ki puabi ba, ki kuami ba ke ban da faa maadi Yesu maama ke ŋaa ba ke bi kuni.
41 Ary ireo dia niala teo anatrehan’ ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’ izany anarana izany.
Bi bo ñani i nikpeli tundi kani kani ke bi pala mangi yeni u Tienu n bua ke bani ń la fala o ya yeli o.
42 Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’ i Jesosy ho Kristy isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly sy tao an-trano izy.
Faadima fandi kuli u Tienu tuonsɔnba bo yi cua li jaadieli nni yeni bi niba deni ke wangi ke Yesu tie u Tienu n gandi yua i.

< Asan'ny Apostoly 5 >