< Asan'ny Apostoly 4 >
1 Ary raha mbola niteny tamin’ ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo;
2 fa sosotra izy noho ny nampianaran’ ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin’ ny alalan’ i Jesosy ny fitsanganana amin’ ny maty.
3 Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain’ ny andro; fa efa hariva ny andro tamin’ izay.
4 Kanefa maro tamin’ izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan’ ny lehilahy.
5 Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna
6 sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin’ izay rehetra mety ho havan’ ny mpisoronabe.
7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?
8 Ary Petera, feno ny Fanahy Masìna, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
9 raha adinina izahay anin’ ny amin’ ny asa tsara natao tamin’ ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,
10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana, fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’ io lehilahy io finaritra eto imasonareo.
11 Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro.
12 Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.
13 Ary nony nahita ny fahasahisahian’ i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’ i Jesosy izy roa lahy.
14 Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny.
15 Ary rehefa nasainy niala teo amin’ ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy
16 ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.
17 Fa mba tsy hielezan’ izany intsony amin’ ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin’ izany anarana izany intsony na amin’ iza na amin’ iza.
18 Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin’ ny anaran’ i Jesosy intsony.
19 Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason’ Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.
20 Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.
21 Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an’ Andriamanitra noho ny amin’ ny zavatra efa natao.
22 Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.
23 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin’ ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona taminy.
24 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin’ Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny,
25 ary ny Fanahy Masìna no nampitenenanao an’ i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena?
26 Ireo mpanjakan’ ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany.
27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin’ ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin’ ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masìna, dia Jesosy Izay nohosoranao,
28 mba hanao izay notendren’ ny tananao aman-tsainao rahateo hatao.
29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ ny fahasahiana rehetra,
30 omban’ ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin’ ny anaran’ i Jesosy, Mpanomponao Masìna.
31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masìna izy rehetra ka nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fahasahiana.
32 Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
33 Ary tamin’ ny hery be no nanambaran’ ny Apostoly ny nitsanganan’ i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin’ izy rehetra.
34 Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin’ ny zavatra lafo,
35 ka napetrany teo anoloan’ ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin’ izy rehetra araka izay nilainy avy
36 Ary Josefa, izay nataon’ ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany,
37 dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan’ ny tongotry ny Apostoly.