< Asan'ny Apostoly 3 >

1 Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan’ ny tempoly tamin’ ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.
Petr a Jan šli jednou ve tři hodiny do chrámu, aby se zúčastnili pravidelných odpoledních modliteb.
2 Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan’ andro teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’ izay niditra teo an-kianjan’ ny tempoly;
Mezi četnými žebráky tam byl také muž chromý od narození, kterého jeho přátelé každý den přinesli a posadili u chrámových vrat, zvaných Krásná brána. Chodilo tudy hodně lidí a on je prosil o almužnu.
3 nony nahita an’ i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan’ ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.
Tak požádal i Petra s Janem.
4 Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
Zastavili se u něho a Petr mu řekl: „Podívej se na nás!“
5 Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
Žebrák dychtivě zvedl oči, protože čekal dobrou almužnu.
6 Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
Petr však pokračoval: „Peníze nemám, ale dám ti cennější dar. Ve jménu Ježíše Krista Nazaretského, vstaň a choď!“
7 Ary noraisiny tamin’ ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin’ izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
Pak uchopil žebráka za napřaženou pravici, pozvedl ho a v tom okamžiku do ochrnutých nohou vstoupila síla.
8 Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan’ ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an’ Andriamanitra.
Postavil se, zkusil chodit a za chvíli už mohl jít dovnitř chrámu spolu s apoštoly. Dokonce radostně poskakoval a hlasitě chválil Boha.
9 Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an’ Andriamanitra.
Lidé nevěřili svým očím, ale jasně poznávali, že dlouholetý mrzák, který žebrával u Krásné brány, teď chodí a z vděčnosti k Bohu prozpěvuje. Sbíhali se kolem uzdraveného i kolem apoštolů, kteří zatím došli do Šalomounova podloubí.
10 Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin’ ny vavahady Itsaraendrika eo amin’ ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.
11 Ary raha nihazona an’ i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin’ izy telo lahy teo amin’ ny fialofana izay atao hoe Fialofan’ i Solomona, ka talanjona.
12 Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin’ izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
A tak k nim Petr začal mluvit: „Přátelé, proč se divíte? Snad si nemyslíte, že jsme toho člověka uzdravili vlastní mocí nebo mimořádnou zbožností?
13 Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’ i Jesosy Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’ i Pilato, rehefa nokasainy halefa.
Kdepak! To Bůh, kterého vyznáváte, Bůh našich praotců – Abrahama, Izáka a Jákoba – tu právě před vámi dokázal moc svého Syna Ježíše.
14 Fa ianareo nandà Ilay Masìna sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
Toho Ježíše, kterého vy jste vydali Římanům a veřejně jste se ho zřekli před Pilátem, ačkoliv ho chtěl zprostit obžaloby. A když vám dal vybrat, koho má propustit, vy jste se zřekli svatého a spravedlivého muže a vyžádali jste milost pro vraha.
15 fa ny Tompon’ ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty, ary vavolombelon’ izany izahay.
Toho, kdo vám chtěl dát věčný život, jste zabili! Ale Bůh ho vzkřísil z mrtvých a my to můžeme osobně dosvědčit.
16 Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
Protože v něho věříme, dal nám sílu uzdravit tohoto muže, kterého znáte po léta jako bezmocného. To, že je teď zdráv, je výsledkem víry v Ježíše Krista.
17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin’ ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa.
Uvědomuji si však, bratři, že jste se Ježíše zřekli z nevědomosti a že ani vaši vůdcové netušili, o koho se jedná.
18 Fa izany no nahatanterahan’ Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan’ ny Kristiny.
Bůh tak vlastně dopustil, aby Kristus trpěl, jak to už dávno předpověděl ústy svých proroků.
19 Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo,
Přiznejte svou vinu na tomto hrozném činu a proste Boha, aby vám odpustil.
20 ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
Pak se i vy budete moci těšit na dobu, kdy Bůh znovu pošle Ježíše jako vašeho osvoboditele.
21 Ilay tsy maintsy horaisin’ ny lanitra mandra-pihavin’ ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’ Andriamanitra ny mpaminaniny masìna hatramin’ ny voalohany indrindra. (aiōn g165)
Teď je v nebi a zůstane tam až do chvíle, kdy se Bůh rozhodne obnovit celý svět, jak to také předpovídali proroci. (aiōn g165)
22 Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin’ ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin’ izay rehetra holazainy aminareo.
Tak například Mojžíš přece řekl: ‚Z vašeho národa jednou Bůh povolá nového proroka, podobně jako k vám poslal mne, ale toho budete skutečně poslouchat na slovo.
23 Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin’ ny olona.
Kdo by se mu nepodřídil, nebude už náležet mezi Boží vyvolené.‘
24 Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin’ i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
Samuel a všichni další proroci mluvili často o době, kterou my právě prožíváme.
25 Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’ Andriamanitra tamin’ ny razanareo, raha hoy Izy tamin’ i Abrahama: Ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Vy jste syny těch proroků a máte dědický podíl v úmluvě mezi Bohem a Abrahamem. Bůh přece Abrahamovi slíbil: ‚Tvůj potomek bude požehnáním pro všechny národy země.‘
26 Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin’ ny fialanareo rehetra amin’ ny faharatsianareo isam-batan’ olona.
Vám na prvním místě poslal Bůh svého Syna Ježíše, aby vám přinesl všechno dobré a odvrátil vás od vašich špatností.“

< Asan'ny Apostoly 3 >