< Asan'ny Apostoly 28 >
1 Ary rehefa voavonjy izahay, vao fantatray fa Melita no anaran’ ilay nosy.
και διασωθεντες τοτε επεγνωσαν οτι μελιτη η νησος καλειται
2 Ary tsy kely ny soa nasehon’ ny tompon-tany taminay; fa namelona afo izy ka nandray tsara anay rehetra, satria nilatsaka tamin’ izay ny ranonorana, sady nangatsiaka ny andro.
οι δε βαρβαροι παρειχον ου την τυχουσαν φιλανθρωπιαν ημιν αναψαντες γαρ πυραν προσελαβοντο παντας ημας δια τον υετον τον εφεστωτα και δια το ψυχος
3 Dia namory kitay hazo iray trotroana Paoly ka nanohoka izany teo amin’ ny afo; ary nisy menarana nivoaka avy tamin’ ny afo ka niraikitra tamin’ ny tànany.
συστρεψαντος δε του παυλου φρυγανων πληθος και επιθεντος επι την πυραν εχιδνα εκ της θερμης εξελθουσα καθηψεν της χειρος αυτου
4 Ary raha hitan’ ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin’ ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin’ ny ranomasina aza izy, tsy avelan’ ny todin’ aina ho velona.
ως δε ειδον οι βαρβαροι κρεμαμενον το θηριον εκ της χειρος αυτου ελεγον προς αλληλους παντως φονευς εστιν ο ανθρωπος ουτος ον διασωθεντα εκ της θαλασσης η δικη ζην ουκ ειασεν
5 Fa nakifiny ho eo amin’ ny afo ilay biby, ka tsy nisy naninona izy na dia kely akory aza.
ο μεν ουν αποτιναξας το θηριον εις το πυρ επαθεν ουδεν κακον
6 Ary ny olona kosa nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an’ i Paoly, dia niova saina izy ka nanao hoe: andriamanitra io.
οι δε προσεδοκων αυτον μελλειν πιμπρασθαι η καταπιπτειν αφνω νεκρον επι πολυ δε αυτων προσδοκωντων και θεωρουντων μηδεν ατοπον εις αυτον γινομενον μεταβαλλομενοι ελεγον θεον αυτον ειναι
7 Ary teo akaikin’ io dia nisy sahan’ i Popilo, mpanapaka ny nosy, izay nandray anay ka nampiantrano anay tsara hateloana.
εν δε τοις περι τον τοπον εκεινον υπηρχεν χωρια τω πρωτω της νησου ονοματι ποπλιω ος αναδεξαμενος ημας τρεις ημερας φιλοφρονως εξενισεν
8 Ary nararin’ ny tazo sady nivalan-drà ny rain’ i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy.
εγενετο δε τον πατερα του ποπλιου πυρετοις και δυσεντερια συνεχομενον κατακεισθαι προς ον ο παυλος εισελθων και προσευξαμενος επιθεις τας χειρας αυτω ιασατο αυτον
9 Ary rehefa vita izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin’ ny nosy, ka dia sitrana.
τουτου ουν γενομενου και οι λοιποι οι εχοντες ασθενειας εν τη νησω προσηρχοντο και εθεραπευοντο
10 Ary voninahitra be no nomen’ ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia novatsiany tsara.
οι και πολλαις τιμαις ετιμησαν ημας και αναγομενοις επεθεντο τα προς την χρειαν
11 Ary rehefa afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin’ ny sambon’ Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina teo amin’ izany nosy izany sady nisy sarin’ ny Zaza Kambana.
μετα δε τρεις μηνας ανηχθημεν εν πλοιω παρακεχειμακοτι εν τη νησω αλεξανδρινω παρασημω διοσκουροις
12 Ary rehefa nitody tany Syrakosa izahay, dia nitoetra teo hateloana.
και καταχθεντες εις συρακουσας επεμειναμεν ημερας τρεις
13 Ary nony niala teo izahay, dia nisompirana nankany Regioma; ary rehefa afaka indray andro, dia nifofofofo avy any atsimo ny rivotra, koa nony ampitso dia tonga tao Potioly izahay;
οθεν περιελθοντες κατηντησαμεν εις ρηγιον και μετα μιαν ημεραν επιγενομενου νοτου δευτεραιοι ηλθομεν εις ποτιολους
14 tao no nahitanay ny rahalahy sasany, ary izy niangavy anay hitoetra tao aminy hafitoana. Ary toy izany no nandrosoanay nankany Roma.
ου ευροντες αδελφους παρεκληθημεν επ αυτοις επιμειναι ημερας επτα και ουτως εις την ρωμην ηλθομεν
15 Ary nony nahare ny dianay ny rahalahy tany, dia tonga izy nitsena anay hatrany amin’ ny Tsenan’ Apio sy ny Tranombahiny Telo; raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an’ Andriamanitra izy ka nahazo toky.
κακειθεν οι αδελφοι ακουσαντες τα περι ημων εξηλθον εις απαντησιν ημιν αχρις αππιου φορου και τριων ταβερνων ους ιδων ο παυλος ευχαριστησας τω θεω ελαβεν θαρσος
16 Ary rehefa tonga tany Roma izahay, Paoly dia navelany hitoetra mitokana teo amin’ ny miaramila anankiray izay niambina azy.
οτε δε ηλθομεν εις ρωμην ο εκατονταρχος παρεδωκεν τους δεσμιους τω στρατοπεδαρχη τω δε παυλω επετραπη μενειν καθ εαυτον συν τω φυλασσοντι αυτον στρατιωτη
17 Ary rehefa afaka hateloana, dia nampanalain’ i Paoly hiangona izay lohandohany tamin’ ny Jiosy; ary rehefa niangona ireo, dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia mpifatotra avy tany Jerosalema natolotra teo an-tànan’ ny Romana, na dia tsy diso tamin’ ny firenentsika aza, na tamin’ ny fanaon-drazana;
εγενετο δε μετα ημερας τρεις συγκαλεσασθαι τον παυλον τους οντας των ιουδαιων πρωτους συνελθοντων δε αυτων ελεγεν προς αυτους ανδρες αδελφοι εγω ουδεν εναντιον ποιησας τω λαω η τοις εθεσιν τοις πατρωοις δεσμιος εξ ιεροσολυμων παρεδοθην εις τας χειρας των ρωμαιων
18 ary rehefa nanadina ahy mafy ireo, dia saiky nandefa ahy ihany, satria tsy nisy nataoko izay tokony hahafaty ahy.
οιτινες ανακριναντες με εβουλοντο απολυσαι δια το μηδεμιαν αιτιαν θανατου υπαρχειν εν εμοι
19 Fa raha notoherin’ ny Jiosy izany, dia terỳ aho ka nilaza fa handahatra amin’ i Kaisara, nefa tsy mba toy ny manana teny hiampangako ny fireneko tsy akory.
αντιλεγοντων δε των ιουδαιων ηναγκασθην επικαλεσασθαι καισαρα ουχ ως του εθνους μου εχων τι κατηγορησαι
20 Ary izany zavatra izany no nampanalako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny fanantenan’ ny Isiraely no ifatorako amin’ ity gadra ity.
δια ταυτην ουν την αιτιαν παρεκαλεσα υμας ιδειν και προσλαλησαι ενεκεν γαρ της ελπιδος του ισραηλ την αλυσιν ταυτην περικειμαι
21 Ary hoy izy ireo taminy; Izahay tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy mbola nisy rahalahy izay nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;
οι δε προς αυτον ειπον ημεις ουτε γραμματα περι σου εδεξαμεθα απο της ιουδαιας ουτε παραγενομενος τις των αδελφων απηγγειλεν η ελαλησεν τι περι σου πονηρον
22 fa tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin’ izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.
αξιουμεν δε παρα σου ακουσαι α φρονεις περι μεν γαρ της αιρεσεως ταυτης γνωστον εστιν ημιν οτι πανταχου αντιλεγεται
23 Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan’ Andriamanitra hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva, ary ny teny eo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an’ i Jesosy.
ταξαμενοι δε αυτω ημεραν ηκον προς αυτον εις την ξενιαν πλειονες οις εξετιθετο διαμαρτυρομενος την βασιλειαν του θεου πειθων τε αυτους τα περι του ιησου απο τε του νομου μωσεως και των προφητων απο πρωι εως εσπερας
24 Ary ny sasany nino izay nolazainy, fa ny sasany kosa tsy mba nino.
και οι μεν επειθοντο τοις λεγομενοις οι δε ηπιστουν
25 Ary raha tsy niray saina ireo dia niala, rehefa nanao teny indraim-bava Paoly hoe: Marina izay nampilazain’ ny Fanahy Masìna an’ Isaia mpaminany tamin’ ny razanareo
ασυμφωνοι δε οντες προς αλληλους απελυοντο ειποντος του παυλου ρημα εν οτι καλως το πνευμα το αγιον ελαλησεν δια ησαιου του προφητου προς τους πατερας ημων
26 manao hoe: Mandehana any amin’ ity firenena ity ianao, ka lazao hoe: Mba hahare mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
λεγον πορευθητι προς τον λαον τουτον και ειπε ακοη ακουσετε και ου μη συνητε και βλεποντες βλεψετε και ου μη ιδητε
27 Fa efa adala ny fon’ ireo olona ireo, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho.
επαχυνθη γαρ η καρδια του λαου τουτου και τοις ωσιν βαρεως ηκουσαν και τους οφθαλμους αυτων εκαμμυσαν μηποτε ιδωσιν τοις οφθαλμοις και τοις ωσιν ακουσωσιν και τη καρδια συνωσιν και επιστρεψωσιν και ιασωμαι αυτους
28 Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’ Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin’ ny jentilisa, ary izy hihaino azy.
γνωστον ουν εστω υμιν οτι τοις εθνεσιν απεσταλη το σωτηριον του θεου αυτοι και ακουσονται
και ταυτα αυτου ειποντος απηλθον οι ιουδαιοι πολλην εχοντες εν εαυτοις συζητησιν
30 Ary Paoly nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano nohofany ka nandray tsara izay rehetra nankeo aminy,
εμεινεν δε ο παυλος διετιαν ολην εν ιδιω μισθωματι και απεδεχετο παντας τους εισπορευομενους προς αυτον
31 dia nitory ny fanjakan’ Andriamanitra ka nampianatra ny amin’ i Jesosy Kristy Tompo tamin’ ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana.
κηρυσσων την βασιλειαν του θεου και διδασκων τα περι του κυριου ιησου χριστου μετα πασης παρρησιας ακωλυτως