< Asan'ny Apostoly 27 >
1 Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin’ ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin’ ny antokon’ i Aogosto.
2 Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin’ i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika.
3 Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran’ i Jolio an’ i Paoly, fa navelany hankany amin’ ny sakaizany izay hiahy azy izy.
4 Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an’ i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra.
5 Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia.
6 Ary tao no nahitan’ ny kapiteny sambon’ Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay.
7 Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin’ i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin’ i Salmona izahay;
8 ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin’ ny tany anankiray atao hoe Tsara-fitodian-tsambo; akaikin’ izany ny tanàna Lasea.
9 Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin’ izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana, dia nananatra azy Paoly
10 ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin’ ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.
11 Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain’ i Paoly.
12 Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin’ ny ririnina, dia nataon’ ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana.
13 Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo akaikikaikin’ i Kreta.
14 Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona.
15 Ary raha nopaohin’ ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny izy.
16 Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy;
17 ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin’ ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo.
18 Ary raha nasian’ ny rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso;
19 ary nony ampitso’ io indray dia narian’ ny tànany ihany ny fanaka teo amin’ ny sambo;
20 fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin’ ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.
21 Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
22 Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very.
23 Fa nisy anjelin’ Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina
24 ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’ i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen’ Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.
25 Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an’ Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.
26 Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin’ ny nosy anankiray isika.
27 Ary tamin’ ny alina fahefatra ambin’ ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon’ ny matilo fa efa manakaiky tany izy;
28 dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin’ ny folo refy.
29 Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin’ ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo ary naniry ny andro ho maraina.
30 Fa raha nitady handositra hiala tamin’ ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin’ ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
31 dia hoy Paoly tamin’ ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo.
32 Dia notapahin’ ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin’ ny salopy, ka navelany ho latsaka.
33 Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin’ ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin’ ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
34 Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan’ ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.
35 Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an’ Andriamanitra teo anatrehan’ ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.
36 Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa.
37 Ary izahay rehetra teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato.
38 Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina mba hanamaivana ny sambo.
39 Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao.
40 Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin’ ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon’ ny rivotra ka nanatona ny tany.
41 Ary raha tonga tamin’ izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin’ ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon’ ny herin’ ny onja.
42 Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
43 Fa ny kapiteny ta-hamonjy an’ i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin’ ny tany,
44 ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin’ ny hazo fisaka, na amin’ ny zavatra avy amin’ ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.