< Asan'ny Apostoly 27 >
1 Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin’ ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin’ ny antokon’ i Aogosto.
Walipokwisha amua tusafiri mpaka Italia, walimweka Paulo pamoja na wafungwa wengine chini ya ulinzi wa Yulio aliyekuwa ofisa wa jeshi katika kikosi kiitwacho “Kikosi cha Augusto.”
2 Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin’ i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika.
Tulipanda meli ya Adiramito iliyokuwa inasafiri na kupitia bandari kadhaa za mkoa wa Asia, tukaanza safari. Aristarko, mwenyeji wa Makedonia kutoka Thesalonika, alikuwa pamoja nasi.
3 Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran’ i Jolio an’ i Paoly, fa navelany hankany amin’ ny sakaizany izay hiahy azy izy.
Kesho yake tulitia nanga katika bandari ya Sidoni. Yulio alimtendea Paulo vizuri kwa kumruhusu awaone rafiki zake na kupata mahitaji yake.
4 Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an’ i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra.
Kutoka huko tuliendelea na safari, lakini kwa kuwa upepo ulikuwa unavuma kwa kasi kutujia kwa mbele, tulipitia upande wa kisiwa cha Kupro ambapo upepo haukuwa mwingi.
5 Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia.
Halafu tulivuka bahari ya Kilikia na Pamfulia, tukatia nanga Mura, mji wa Lukia.
6 Ary tao no nahitan’ ny kapiteny sambon’ Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay.
Hapo yule ofisa alikuta meli moja ya Aleksandria iliyokuwa inakwenda Italia, na hivyo akatupandisha ndani.
7 Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin’ i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin’ i Salmona izahay;
Kwa muda wa siku nyingi tulisafiri polepole, na kwa shida tulifika karibu na Nido. Kwa sababu upepo ulikuwa bado unatupinga, tuliendelea mbele moja kwa moja tukapitia upande wa Krete karibu na rasi Salmone ambapo upepo haukuwa mwingi.
8 ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin’ ny tany anankiray atao hoe Tsara-fitodian-tsambo; akaikin’ izany ny tanàna Lasea.
Tulipita kando yake polepole tukafika mahali paitwapo “Bandari Nzuri”, karibu na mji wa Lasea.
9 Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin’ izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana, dia nananatra azy Paoly
Muda mrefu ulikuwa umepita, na hata siku ya kufunga ilikuwa imekwisha pita. Sasa ilikuwa hatari sana kusafiri kwa meli. Basi, Paulo aliwapa onyo:
10 ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin’ ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.
“Waheshimiwa, nahisi kwamba safari hii itakuwa ya shida na hasara nyingi si kwa shehena na meli tu, bali pia kwa maisha yetu.”
11 Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain’ i Paoly.
Lakini yule ofisa alivutiwa zaidi na maoni ya nahodha na ya mwenye meli kuliko yale aliyosema Paulo.
12 Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin’ ny ririnina, dia nataon’ ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana.
Kwa kuwa bandari hiyo haikuwa mahali pazuri pa kukaa wakati wa baridi, wengi walipendelea kuendelea na safari, ikiwezekana mpaka Foinike. Foinike ni bandari ya Krete inayoelekea kusini-magharibi na kaskazini-magharibi; na huko wangeweza kukaa wakati wa baridi.
13 Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo akaikikaikin’ i Kreta.
Basi, upepo mzuri wa kusi ulianza kuvuma, nao wakadhani wamefanikiwa lengo lao; hivyo wakang'oa nanga, wakaiendesha meli karibu sana na pwani ya Krete.
14 Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona.
Lakini haukupita muda, upepo mkali uitwao “Upepo wa Kaskazi” ulianza kuvuma kutoka kisiwani.
15 Ary raha nopaohin’ ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny izy.
Upepo uliipiga ile meli, na kwa kuwa hatukuweza kuukabili, tukaiacha ikokotwe na huo upepo.
16 Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy;
Kisiwa kimoja kiitwacho Kanda kilitukinga kidogo na ule upepo; na tulipopita kusini mwake tulifaulu, ingawa kwa shida, kuusalimisha ule mtumbwi wa meli.
17 ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin’ ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo.
Wale wanamaji waliuvuta mtumbwi ndani, kisha wakaizungushia meli kamba na kuifunga kwa nguvu. Waliogopa kwamba wangeweza kukwama kwenye ufuko wa bahari, pwani ya Libya. Kwa hiyo walishusha matanga na kuiacha meli ikokotwe na upepo.
18 Ary raha nasian’ ny rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso;
Dhoruba iliendelea kuvuma na kesho yake wakaanza kutupa nje shehena ya meli.
19 ary nony ampitso’ io indray dia narian’ ny tànany ihany ny fanaka teo amin’ ny sambo;
Siku ya tatu, wakaanza pia kutupa majini vifaa vya meli kwa mikono yao wenyewe.
20 fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin’ ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.
Kwa muda wa siku nyingi hatukuweza kuona jua wala nyota; dhoruba iliendelea kuvuma sana, hata matumaini yote ya kuokoka yakatuishia.
21 Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
Baada ya kukaa muda mrefu bila kula chakula, Paulo alisimama kati yao, akasema, “Waheshimiwa, ingalikuwa afadhali kama mngalinisikiliza na kuacha kusafiri kutoka Krete. Kama mngalifanya hivyo tungaliiepuka shida hii na hasara hizi zote.
22 Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very.
Lakini sasa ninawaombeni muwe na moyo; hakuna hata mmoja wenu atakayepoteza maisha yake; meli tu ndiyo itakayopotea.
23 Fa nisy anjelin’ Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina
Kwa maana jana usiku malaika wa yule Mungu ambaye mimi ni wake na ambaye mimi ninamwabudu alinitokea,
24 ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’ i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen’ Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.
akaniambia: Paulo usiogope! Ni lazima utasimama mbele ya Kaisari; naye Mungu, kwa wema wake, amekufadhili kwa kuwaokoa wote wanaosafiri nawe wasiangamie.
25 Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an’ Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.
Hivyo, waheshimiwa, jipeni moyo! Maana ninamwamini Mungu kwamba itakuwa sawa kama nilivyoambiwa.
26 Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin’ ny nosy anankiray isika.
Lakini ni lazima tutatupwa ufukoni mwa kisiwa fulani.”
27 Ary tamin’ ny alina fahefatra ambin’ ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon’ ny matilo fa efa manakaiky tany izy;
Usiku wa siku ya kumi na nne, tulikuwa tunakokotwa huku na huku katika bahari ya Adria. Karibu na usiku wa manane wanamaji walijihisi kuwa karibu na nchi kavu.
28 dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin’ ny folo refy.
Hivyo walitafuta kina cha bahari kwa kuteremsha kamba iliyokuwa imefungiwa kitu kizito, wakapata kina cha mita arobaini. Baadaye wakapima tena wakapata mita thelathini.
29 Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin’ ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo ary naniry ny andro ho maraina.
Kwa sababu ya kuogopa kukwama kwenye miamba, waliteremsha nanga nne nyuma ya meli; wakaomba kuche upesi.
30 Fa raha nitady handositra hiala tamin’ ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin’ ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
Wanamaji walitaka kutoroka, na walikwisha kuteremsha ule mtumbwi majini, wakijisingizia kwamba wanakwenda kuteremsha nanga upande wa mbele wa meli.
31 dia hoy Paoly tamin’ ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo.
Lakini Paulo alimwambia yule ofisa wa jeshi na askari wake, “Kama wanamaji hawa hawabaki ndani ya meli, hamtaokoka.”
32 Dia notapahin’ ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin’ ny salopy, ka navelany ho latsaka.
Hapo wale askari walizikata kamba zilizokuwa zimeshikilia ule mtumbwi, wakauacha uchukuliwe na maji.
33 Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin’ ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin’ ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
Karibu na alfajiri, Paulo aliwahimiza wote wale chakula: “Kwa siku kumi na nne sasa mmekuwa katika mashaka na bila kula; hamjala kitu chochote.
34 Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan’ ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.
Basi, ninawasihi mle chakula kwa maana mnakihitaji ili mweze kuendelea kuishi. Maana hata unywele mmoja wa vichwa vyenu hautapotea.”
35 Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an’ Andriamanitra teo anatrehan’ ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.
Baada ya kusema hivyo, Paulo alichukua mkate, akamshukuru Mungu mbele yao wote, akaumega, akaanza kula.
36 Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa.
Hapo wote wakapata moyo, nao pia wakala chakula.
37 Ary izahay rehetra teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato.
Jumla tulikuwa watu mia mbili na sabini na sita katika meli.
38 Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina mba hanamaivana ny sambo.
Baada ya kila mmoja kula chakula cha kutosha, walipunguza uzito wa meli kwa kutupa nafaka baharini.
39 Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao.
Kulipokucha, wanamaji hawakuweza kuitambua nchi ile, ila waliona ghuba moja yenye ufuko; wakaamua kutia nanga huko kama ikiwezekana.
40 Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin’ ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon’ ny rivotra ka nanatona ny tany.
Hivyo walikata nanga na kuziacha baharini, na wakati huohuo wakazifungua kamba zilizokuwa zimeufunga usukani, kisha wakatweka tanga moja mbele kushika upepo, wakaelekea ufukoni.
41 Ary raha tonga tamin’ izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin’ ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon’ ny herin’ ny onja.
Lakini walifika mahali ambapo mikondo miwili ya bahari hukutana, na meli ikakwama. Sehemu ya mbele ilikuwa imezama mchangani bila kutikisika. Sehemu ya nyuma ya meli ilianza kuvunjika vipandevipande kwa mapigo ya nguvu ya mawimbi.
42 Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
Askari walitaka kuwaua wafungwa wote kwa kuogopa kwamba wangeogelea hadi pwani na kutoroka.
43 Fa ny kapiteny ta-hamonjy an’ i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin’ ny tany,
Lakini kwa vile yule ofisajeshi alitaka kumwokoa Paulo, aliwazuia wasifanye hivyo. Aliamuru wale waliojua kuogelea waruke kutoka melini na kuogelea hadi pwani,
44 ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin’ ny hazo fisaka, na amin’ ny zavatra avy amin’ ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
na wengine wafuate wakijishikilia kwenye mbao au kwenye vipande vya meli iliyovunjika. Ndivyo sisi sote tulivyofika salama pwani.