< Asan'ny Apostoly 24 >

1 Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin’ ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin’ ny mpanapaka ny niampangany an’ i Paoly.
Հինգ օր ետք, Անանիա քահանայապետը՝ երէցներուն եւ Տերտիւղոս անունով ճարտասանի մը հետ իջաւ, ու յայտնեցին կառավարիչին իրենց ամբաստանութիւնը՝ Պօղոսի դէմ:
2 Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:
Երբ կանչեցին զայն, Տերտիւղոս սկսաւ ամբաստանել եւ ըսել. «Որովհետեւ խոր խաղաղութիւն կը վայելենք քու միջոցովդ, ու բարեբաստիկ կարգադրութիւններ եղած են այս ազգին՝ քու կանխամտածութեամբդ,
3 Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin’ ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô.
ամէն ատեն եւ ամէն տեղ կ՚ընդունինք զանոնք ամբողջ շնորհակալութեամբ, պատուակա՛ն Փելիքս:
4 Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin’ ny faharetana izahay.
Բայց որպէսզի ա՛լ աւելի չձանձրացնեմ քեզ, կ՚աղաչե՛մ, քու ներողամտութեամբդ մտի՛կ ըրէ մեզի. համառօտաբար պիտի խօսինք:
5 Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan’ ilay antoko atao hoe Nazarena.
Մենք գտանք թէ այս մարդը ժանտախտ մըն է. ապստամբութեան կը մղէ ամբողջ երկրագունդին բոլոր Հրեաները, ու պարագլուխն է Նազովրեցիներու աղանդին:
6 Izy io koa nitady handoto ny tempoly; dia nosamborinay izy;
Ան նոյնիսկ փորձեց տաճարը սրբապղծել. ուստի բռնեցինք զայն եւ ուզեցինք դատել մեր Օրէնքին համաձայն:
7
Բայց Լիւսիաս հազարապետը եկաւ, մեծ բռնութեամբ առաւ զայն մեր ձեռքէն,
8 ary rehefa manadina azy ianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy.
ու հրամայեց զայն ամբաստանողներուն որ գան քեզի: Դուն ինքդ հարցաքննելով զինք՝ պիտի կարենաս գիտնալ այն բոլոր բաները, որոնց համար մենք կ՚ամբաստանենք զայն»:
9 Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.
Հրեաներն ալ միաձայնեցան, հաւաստելով թէ այդ բաները ա՛յդպէս են:
10 Ary rehefa notondroin’ ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin’ ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
Երբ կառավարիչը նշան ըրաւ իրեն՝ որ խօսի, Պօղոս պատասխանեց. «Գիտնալով որ շատ տարիներէ ի վեր դուն այս ազգին դատաւորն ես, աւելի սիրայօժարութեամբ կը ջատագովեմ զիս.
11 fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin’ ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.
որովհետեւ կրնա՛ս գիտնալ թէ ես տասներկու օրէն աւելի չէ որ բարձրացայ Երուսաղէմ՝ երկրպագելու:
12 Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin’ olona teo an-kianjan’ ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin’ ny synagoga, na tao an-tanàna;
Զիս երբե՛ք չգտան՝ ոեւէ մէկուն հետ վիճաբանելու կամ բազմութիւն մէկտեղելու ատեն, ո՛չ տաճարին, ո՛չ ժողովարաններուն,
13 ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.
ո՛չ քաղաքին մէջ. ո՛չ ալ կրնան ապացուցանել այն բաները, որոնց համար հիմա կ՚ամբաստանեն զիս:
14 Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an’ Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin’ ny lalàna sy ny mpaminany,
Բայց սա՛ կը դաւանիմ քու առջեւդ՝՝, թէ կը պաշտեմ իմ հայրերուս Աստուածը այն ճամբային համաձայն՝ որ իրենք կը կոչեն հերձուած, հաւատալով Օրէնքին ու Մարգարէներուն մէջ գրուած բոլոր բաներուն:
15 ary manantena amin’ Andriamanitra aho, izay antenain’ izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ ny marina sy ny meloka.
Յոյս ունիմ Աստուծոյ վրայ, ինչպէս ասո՛նք ալ ակնկալութիւն ունին, թէ մեռելներուն յարութիւն պիտի ըլլայ, թէ՛ արդարներուն եւ թէ անարդարներուն:
16 Ary amin’ izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’ Andriamanitra na amin’ olombelona mandrakariva.
Ուստի այս բանին համար ես ճիգ կը թափեմ, որ ամէն ատեն ունենամ անսայթաք խղճմտանք մը՝ Աստուծոյ ու մարդոց առջեւ:
17 Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an’ ny fireneko.
Ուրեմն ես՝ շատ տարիներ ետք՝ եկայ ողորմութիւններ բերելու իմ ազգիս, նաեւ ընծաներ:
18 Ary tamin’ izay dia hitany voadio teo an-kianjan’ ny tempoly aho, tsy tamin’ ny olona maro anefa, na tamin’ ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia,
Այսպէս՝ քանի մը ասիացի Հրեաներ գտան զիս տաճարին մէջ՝ մաքրագործուած, առանց բազմութեան կամ աղմուկի.
19 ― tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.
պէտք էր որ անո՛նք գային առջեւդ եւ ամբաստանէին, եթէ ունէին ինծի դէմ ըսելիք բան մը:
20 Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan’ ny Synedriona aho,
Կամ թէ ասոնք՝ իրե՛նք թող ըսեն, ի՞նչ անիրաւութիւն գտան իմ վրաս՝ երբ կայնած էի ատեանին առջեւ:
21 afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
Թերեւս միայն սա՛ մէկ աղաղակս, որ բարձրացուցի երբ իրենց մէջ կայնած էի. «Մեռելներու յարութեա՛ն համար ես այսօր ձեզմէ կը դատուիմ»:
22 Ary satria fantatr’ i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin’ izany fampianarana izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.
Փելիքս յետաձգեց անոնց հարցը, որովհետեւ ճշգրիտ տեղեկութիւն ունէր այդ ճամբային մասին, եւ ըսաւ. «Երբ Լիւսիաս հազարապետը հոս իջնէ, պիտի քննեմ ձեր գործը»:
23 Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an’ i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin’ ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
Ու հրամայեց հարիւրապետին որ պահէ զայն, բայց անդորրութիւն տայ եւ իրեններէն ո՛չ մէկը արգիլէ՝ սպասաւորելու անոր կամ երթալու անոր քով:
24 Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an’ i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an’ i Kristy Jesosy.
Քանի մը օր ետք, Փելիքս եկաւ իր Դրուսիղա կնոջ հետ՝ որ Հրեայ էր, կանչեց Պօղոսը, եւ լսեց անկէ Քրիստոս Յիսուսի վրայ եղած հաւատքի մասին:
25 Ary raha nitory ny amin’ ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho.
Երբ ան կը խօսէր արդարութեան, ժուժկալութեան ու գալիք դատաստանին մասին, Փելիքս՝ ահաբեկած՝ պատասխանեց. «Գնա՛ հիմա, ու երբ ատեն ունենամ՝ կը կանչեմ քեզ»:
26 Sady nanantena koa izy fa homen’ i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy.
Նաեւ յոյս ունէր որ Պօղոս իրեն դրամ տայ. ուստի յաճախ կը կանչէր զայն եւ կը խօսակցէր անոր հետ:
27 Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an’ i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin’ ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
Բայց երբ երկու տարի անցաւ, Փելիքսի յաջորդեց Պորկիոս Փեստոս. Փելիքս ալ՝ ուզելով շնորհք ընել Հրեաներուն՝ կապուած ձգեց Պօղոսը:

< Asan'ny Apostoly 24 >