< Asan'ny Apostoly 23 >

1 Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an’ Andriamanitra tamin’ ny fieritreretana tsara mandraka androany.
and Paul looking earnestly at the sanhedrim, said, "Brethren, I have lived in all good conscience before God even to this day:"
2 Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany.
but the high priest Ananias ordered those that stood next him, to smite him on the mouth.
3 Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
Then said Paul to him, "God will smite thee, thou whited wall: dost thou sit to judge me according to the law, and contrary to the law commandest me to be smitten?"
4 Ary izay nitsangana teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben’ Andriamanitra?
But they that stood by said, Revilest thou God's high-priest?
5 Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao.
And Paul said, I was not aware, brethren, that it was the high-priest: for it is written, Thou shalt not speak evil of the ruler of thy people.
6 Ary rehefa fantatr’ i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin’ ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin’ ny fanantenana sy ny fitsanganan’ ny maty no itsarana ahy.
But Paul, knowing that the one part were sadducees, and the other pharisees, cried out in the sanhedrim, "Brethren, I am a pharisee, the son of a pharisee: for the hope of a resurrection of the dead I am now prosecuted."
7 Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro.
Upon his saying this, there rose a contention between the pharisees and the sadducees; and the people were divided.
8 Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan’ ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.
For the sadducees say that there is no resurrection, nor angel, nor spirit; but the pharisees acknowledge both.
9 Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan’ ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok’ io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
So there was a great clamor: and the scribes that were of the party of the pharisees rose up and contended, saying, We find no evil in this man; but if a spirit or an angel hath spoken to him, let us not fight against God.
10 Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan’ ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova.
But as there arose much contention, the tribune fearing least Paul should be torn in pieces by them, ordered a party of soldiers to go down, and take him by force out of the midst of them, and to bring him into the castle.
11 Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin’ iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.
And the following night, the Lord standing by him said, Paul, be of good courage; for as thou hast testified concerning me at Jerusalem, so must thou also bear testimony at Rome.
12 Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an’ i Paoly.
And when it was day, some of the Jews, having formed a conspiracy, bound themselves with a curse, saying, that they would neither eat nor drink till they had killed Paul.
13 Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany.
And they were more than forty that had made this oath:
14 Ary izy nankany amin’ ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an’ i Paoly.
who came to the chief priests and the elders, and said, "We have bound ourselves by a curse to eat nothing till we have killed Paul.
15 Koa ankehitriny dia milazà amin’ ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin’ izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.
Now therefore do ye with the rest of the sanhedrim signify to the tribune, that he would bring him down to you to-morrow, as if you would examine more accurately some things concerning him: and we are ready to dispatch him before he come near you."
16 Ary nony ren’ ny zanak’ anabavin’ i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anati-rova izy ka nilaza tamin’ i Paoly.
But Paul's sister's son, hearing of the ambush, came and entered into the castle, and told Paul.
17 Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin’ ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.
Then Paul called one of the centurions to him, and said, Introduce this young man to the tribune; for he hath something to tell him.
18 Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin’ ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy.
So he took him and brought him to the tribune, and said, Paul the prisoner called me to him, and desired me to introduce this young man unto thee, as having something to say to thee.
19 Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin’ ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?
And the tribune took him by the hand, and retiring into a private apartment asked him, What is it which thou hast to tell me?
20 Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an’ i Paoly ho any amin’ ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa.
And he said, The Jews have agreed to desire thee, that thou wouldest bring down Paul to-morrow to the council, as if they would inquire something more strictly concerning him.
21 Koa aza manaiky azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an’ i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao.
But do not thou comply with them: for there lie in wait for him more than forty men of them, who have bound themselves with a curse neither to eat nor drink till they have killed him: and they are now ready, waiting for an order from thee.
22 Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin’ olona fa efa nilaza izany tamiko ianao.
Then the tribune dismissed the young man, charging him, Tell no one that thou hast discovered these things to me.
23 Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin’ ny ora fahatelo;
And he called two of the centurions to him, and said, Get ready two hundred soldiers to go to Cesarea, and seventy horsemen, and two hundred spearmen, by the third hour of the night.
24 ary itondray biby koa hitaingenan’ i Paoly hitondra azy soa aman-tsara ho any amin’ i Feliksa mpanapaka.
And provide beasts, that they may set Paul on and bring him safe to Felix the governor.
25 Ary izy nanoratra taratasy nisy izao teny izao:
And he wrote a letter to this effect:
26 Klaodio Lysia miarahaba an’ i Feliksa, mpanapaka tsara indrindra.
Claudius Lysias to the most excellent governor Felix sendeth greeting.
27 Ity lehilahy ity dia nosamborin’ ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy, dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy.
This man being seized by the Jews, and about to be killed by them, I came upon them with some soldiers and rescued him: for I understand that he is a Roman.
28 Ary satria ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin’ ny Synedriona izy;
But desiring to know the cause for which they accused him, I brought him down into their council:
29 dia hitako fa ady hevitra ny amin’ ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy.
and I found he was accused about questions of their law, but had no charge against him deserving death or bonds.
30 Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy.
But an ambush, which was going to be laid for the man by the Jews, being discovered to me, immediately I sent him to thee, telling his accusers also to say before thee what they had against him. Farewell.
31 Dia nalain’ ny miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin’ iny alina iny ho any Antipatria.
The soldiers therefore, according to the orders given them, took up Paul, and brought him by night to Antipatris.
32 Ary nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any anati-rova.
And the next day they returned to the castle, leaving the horsemen to go with him;
33 Rehefa tonga tany Kaisaria ireo, dia nanolotra ny taratasy tamin’ ny mpanapaka sady nanolotra an’ i Paoly ho eo anatrehany koa.
who, when they came into Cesarea, and delivered the epistle to the governor, presented Paul also before him.
34 Ary rehefa novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy,
And when the governor had read the letter, and asked of what province he was; being informed that he was of Cilicia, he said,
35 dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan’ i Heroda izy.
I will hear thee, when thine accusers are also come. And he ordered him to be kept in Herod's palace.

< Asan'ny Apostoly 23 >