< Asan'ny Apostoly 22 >
1 Ry rahalahy sy ianareo ray henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny tenako.
«Mes frères et mes pères, «Écoutez ce que j'ai maintenant à vous dire pour me justifier»
2 Ary nony ren’ ny olona fa teny Hebreo no nitenenany taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy Paoly:
— (quand on l'entendit parler en hébreu, on redoubla d'attention) —
3 Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin’ ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan’ ny tongotr’ i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin’ ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an’ Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.
il continua: «Je suis un Juif, né à Tarse, en Cilicie, mais j'ai été élevé dans cette ville-ci, j'ai fait mes études aux pieds de Gamaliel, dans toute la rigueur de la Loi de nos pères; j'ai été plein de zèle pour la cause de Dieu, comme vous l'êtes tous aujourd'hui.
4 Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho hatramin’ ny mahafaty azy aza, dia namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina;
Cette secte, je l'ai persécutée à mort; j'ai chargé de chaînes, j'ai jeté en prison hommes et femmes,
5 ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin’ ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina.
comme peuvent l'attester le grand-prêtre et le Sanhédrin tout entier. Car c'est d'eux que j'ai reçu des lettres pour nos frères de Damas, et j'y allai pour amener prisonniers à Jérusalem ceux que j'y trouverais et les faire punir.
6 Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an’ i Damaskosy, tamin’ ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;
J'étais en chemin et j'approchais de Damas, quand tout à coup, vers midi, une vive lumière venue du ciel brilla autour de moi,
7 dia lavo tamin’ ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
je tombai par terre et j'entendis une voix qui me disait: «Saul, Saul, pourquoi me persécutes-tu?»
8 Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao.
— Je répondis: «Qui es-tu, Seigneur?» — La voix me dit: «Je suis Jésus de Nazareth que tu persécutes.»
9 Ary izay niaraka tamiko dia nahita ny mazava; nefa tsy mba nahare ny feon’ izay niteny tamiko izy.
— Ceux qui étaient avec moi avaient vu la lumière, mais n'avaient pas entendu la voix de celui qui me parlait.
10 Ary hoy izaho: Tompoko, inona no hataoko? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao.
Je dis alors: «Que dois-je faire, Seigneur?» et le Seigneur me répondit: «Relève-toi, rends-toi à Damas, et là on te dira tout ce que tu as l'ordre de faire.»
11 Ary raha tsy nahajery aho noho ny famirapiratan’ izany mazava izany, dia notantanan’ ireo niaraka tamiko aho, ka dia tonga tany Damaskosy.
— Comme je n'y voyais pas (la lumière m'avait ébloui), mes compagnons me prirent par la main et me menèrent à Damas.
12 Ary ny lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin’ ny Jiosy rehetra izay nonina teo,
Un certain Hananias, homme pieux et fidèle à la Loi, estimé de tous les résidents juifs,
13 dia nanatona ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin’ izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.
vint se présenter à moi et me dit: «Saul, mon frère, regarde», — et immédiatement je le vis.
14 Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
Puis il me dit: «Le Dieu de nos pères t'a prédestiné à connaître sa volonté, à voir le Juste et à entendre les paroles de sa bouche;
15 fa ho vavolombelony amin’ ny olona rehetra ianao ny amin’ izay efa hitanao sy renao.
car tu seras son témoin auprès de tous les hommes, témoin de ce que tu as vu et entendu.
16 Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin’ ny fahotanao.
Et maintenant pourquoi tarderais-tu? Lève-toi, reçois le baptême et purifie-toi de tes péchés en invoquant son nom.»
17 Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan’ ny tempoly, dia azon-tsindrimandry
De retour à Jérusalem, comme j'étais en prière au Temple, je tombai en extase,
18 ka nahita Azy milaza amiko hoe: Maladia ianao, ka mivoaha faingana an’ i Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy.
et je le vis qui me disait: «Hâte-toi de partir, sors au plus vite de Jérusalem, car ils n'accepteront pas le témoignage que tu me rends.»
19 Dia hoy izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin’ ny synagoga rehetra;
Et je lui dis: «Seigneur, il savent eux-mêmes que j'ai fait emprisonner et flageller dans les synagogues ceux qui croient en toi,
20 ary raha nalatsaka ny ran’ i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian’ izay namono azy.
et quand ils ont versé le sang, d'Étienne, ton témoin, j'étais là, présent, j'applaudissais, je gardais les vêtements des bourreaux»;
21 Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin’ ny jentilisa.
et il me dit: «Va, car je t'enverrai au loin vers les païens.»
22 Ary ny olona nihaino azy hatramin’ izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe: Esory amin’ ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!
On l'avait écouté jusque-là, mais, à ce mot, les clameurs recommencèrent: «A mort, cet homme! il ne faut pas lui laisser la vie!»
23 Ary raha niantso sy niala lamba ary nanipy vovoka ho amin’ ny rivotra izy,
Ils vociféraient, ôtaient leurs vêtements, faisaient voler la poussière.
24 dia nasain’ ny mpifehy arivo ho entina any anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina amin’ ny kapoka, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran’ ny olona azy toy izany.
Le tribun commanda alors de le faire entrer dans la Forteresse et de le mettre à la question pour savoir la vraie cause de tous ces cris contre lui.
25 Ary raha namatotra azy tamin’ ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin’ ny kapiteny izay hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina?
Comme on l'avait déjà attaché au poteau pour recevoir les coups de lanières, Paul dit au centurion qui commandait: «Vous est-il permis de flageller un citoyen romain qui n'est pas même condamné?»
26 Ary ny kapiteny, nony nahare, dia lasa nilaza tamin’ ny mpifehy arivo ka nanao hoe: Inona izao hataonao izao? fa Romana io lehilahy io.
A ces paroles, le centurion alla en référer au tribun: «Que vas-tu faire? lui dit-il, cet homme est citoyen romain.»
27 Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka nanao taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia hoy izy: Eny.
Le tribun vint à Paul et lui dit: «Réponds-moi, es-tu citoyen romain?» — «Oui», lui dit Paul.
28 Ary ny mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka.
Le tribun repartit: «Moi, j'ai dépensé une somme considérable pour avoir ce titre.» — «Et moi, lui répliqua Paul, je l'ai par ma naissance.»
29 Dia nandao azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy.
Les exécuteurs s'écartèrent immédiatement, et le tribun commença à avoir peur, voyant qu'il avait fait mettre aux fers un citoyen romain.
30 Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan’ ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan’ ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.
Le lendemain, voulant savoir positivement quels griefs articulaient les Juifs, il lui fit ôter les fers et donna ordre de convoquer le haut sacerdoce et le Sanhédrin en entier; puis il amena Paul et le fit comparaître devant eux.