< Asan'ny Apostoly 20 >

1 Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy.
ⲁ̅ⲘⲈⲚⲈⲚⲤⲀ ⲐⲢⲈϤⲞⲨⲰ ⲆⲈ ⲚϪⲈⲠⲒϢⲐⲞⲢⲦⲈⲢ ⲀⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲞⲨⲰⲢⲠ ⲚⲤⲀⲚⲒⲘⲀⲐⲎⲦⲎⲤ ⲞⲨⲞϨ ⲀϤϮⲚⲞⲘϮ ⲚⲰⲞⲨ ⲀϤⲈⲢⲀⲤⲠⲀⲌⲈⲤⲐⲈ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲀϤⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲈϢⲈ ⲈⲐⲘⲀⲔⲈⲆⲞⲚⲒⲀ.
2 Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny olona tamin’ ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia.
ⲃ̅ⲈⲦⲀϤⲤⲒⲚⲒ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲠⲒⲘⲀ ⲈⲦⲈⲘⲘⲀⲨ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀϤϮⲚⲞⲘϮ ⲚⲰⲞⲨ ϦⲈⲚⲞⲨⲤⲀϪⲒ ⲈϤⲞϢ ⲀϤⲒ ⲈϮⲈⲖⲖⲀⲤ.
3 Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an’ i Makedonia.
ⲅ̅ⲈⲦⲀϤⲈⲢ ⲄⲆⲈ ⲚⲀⲂⲞⲦ ⲘⲘⲀⲨ ⲀϤϢⲰⲠⲒ ⲚϪⲈⲞⲨⲤⲞϬⲚⲒ ⲈϤϨⲰⲞⲨ ⲈⲐⲂⲎⲦϤ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲈⲚ ⲚⲒⲒⲞⲨⲆⲀⲒ ⲈϤⲚⲀⲒ ⲈϨⲢⲎⲒ ⲈⲦⲤⲨⲢⲒⲀ ⲀϤϢⲰⲠⲒ ⲚϪⲈⲞⲨⲤⲞϬⲚⲒ ⲈⲐⲢⲈϤⲔⲞⲦϤ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲐⲘⲀⲔⲈⲆⲞⲚⲒⲀ.
4 Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak’ i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.
ⲇ̅ⲚⲀϤⲚⲈⲘⲀϤ ⲆⲈ ⲠⲈ ⲚϪⲈⲤⲰⲤⲒⲠⲀⲦⲢⲞⲤ ⲚⲦⲈⲠⲨⲢⲢⲞⲤ ⲠⲒⲢⲈⲘⲂⲈⲢⲞⲒⲀ ⲚⲀ ⲐⲈⲤⲤⲀⲖⲞⲚⲒⲔⲎ ⲆⲈ ⲀⲢⲒⲤⲦⲀⲢⲬⲞⲤ ⲚⲈⲘ ⲤⲈⲔⲞⲨⲚⲐⲞⲤ ⲚⲈⲘ ⲄⲀⲒⲞⲤ ⲠⲒⲢⲈⲘⲦⲈⲢⲂⲎ ⲚⲈⲘ ⲦⲒⲘⲞⲐⲈⲞⲤ ⲚⲀ ϮⲀⲤⲒⲀ ⲆⲈ ⲦⲨⲬⲒⲔⲞⲤ ⲚⲈⲘ ⲦⲢⲞⲪⲎⲘⲞⲤ.
5 Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy.
ⲉ̅ⲚⲀⲒ ⲆⲈ ⲈⲦⲀⲨⲈⲢϢⲞⲢⲠ ⲈⲢⲞⲚ ⲀⲨⲞϨⲒ ⲚⲀⲚ ϦⲈⲚⲦⲢⲰⲀⲤ.
6 Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana.
ⲋ̅ⲀⲚⲞⲚ ⲆⲈ ⲘⲈⲚⲈⲚⲤⲀ ⲚⲒⲈϨⲞⲞⲨ ⲚⲦⲈⲚⲒⲀⲦϢⲈⲘⲎⲢ ⲀⲚⲈⲢϨⲰⲦ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲪⲒⲖⲒⲠⲠⲞⲒⲤ ⲞⲨⲞϨ ⲀⲚⲒ ϢⲀⲢⲰⲞⲨ ⲈⲦⲢⲰⲀⲤ ⲘⲠⲈⲚⲈ ⲞⲨⲞϨ ⲀⲚϢⲰⲠⲒ ⲘⲘⲀⲨ ϦⲀⲦⲞⲦⲞⲨ ⲚⲌ ⲚⲈϨⲞⲞⲨ.
7 Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.
ⲍ̅ϦⲈⲚ ⲪⲞⲨⲀⲒ ⲆⲈ ⲚⲦⲈⲚⲒⲤⲀⲂⲂⲀⲦⲞⲚ ⲈⲦⲀⲚⲐⲰⲞⲨϮ ⲈⲪⲰϢ ⲚⲞⲨⲰⲒⲔ ⲚⲀϤⲤⲀϪⲒ ⲚϪⲈⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲚⲈⲘⲰⲞⲨ ⲈϤⲚⲀⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲈⲠⲈϤⲢⲀⲤϮ ⲚⲀϤⲪⲰⲢϢ ⲆⲈ ⲘⲠⲒⲤⲀϪⲒ ⲈⲂⲞⲖ ϢⲀ ⲦⲪⲀϢⲒ ⲘⲠⲒⲈϪⲰⲢϨ.
8 Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay.
ⲏ̅ⲚⲈ ⲞⲨⲞⲚ ⲞⲨⲘⲎϢ ⲆⲈ ⲚⲖⲀⲘⲠⲀⲤ ϦⲈⲚⲠⲒⲘⲀ ⲈⲦⲤⲀⲠϢⲰⲒ ⲠⲒⲘⲀ ⲈⲚⲀⲨⲐⲞⲨⲎⲦ ⲚϦⲎⲦϤ.
9 Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin’ i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin’ ny tany avy eny amin’ ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
ⲑ̅ⲚⲀϤϨⲈⲘⲤⲒ ⲆⲈ ⲠⲈ ⲚϪⲈⲞⲨϦⲈⲖϢⲒⲢⲒ ⲈⲠⲈϤⲢⲀⲚ ⲠⲈ ⲈⲨⲦⲨⲬⲞⲤ ϨⲒϪⲈⲚ ⲠⲒϢⲞⲨϢⲦ ⲈϤⲞⲂϢ ϦⲈⲚⲞⲨⲚⲒϢϮ ⲚⲈⲚⲔⲞⲦ ⲈⲢⲈ ⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲆⲈ ⲤⲀϪⲒ ⲀⲠⲒⲈⲚⲔⲞⲦ ⲤⲞⲔϤ ⲚϨⲞⲨⲞ ⲀϤϨⲈⲒ ⲈⲠⲈⲤⲎⲦ ϦⲈⲚϮⲘⲀϨⲄϮ ⲚⲞⲨⲀϨⲘⲒ ⲞⲨⲞϨ ⲀⲨϤⲒⲦϤ ⲈϤⲘⲰⲞⲨⲦ.
10 Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.
ⲓ̅ⲀϤⲒ ⲆⲈ ⲈⲠⲈⲤⲎⲦ ⲚϪⲈⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲀϤϨⲒⲦϤ ⲈϦⲢⲎⲒ ⲈϪⲰϤ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀϤⲘⲞⲖϪϤ ⲈϦⲎⲦϤ ⲠⲈϪⲀϤ ϪⲈ ⲘⲠⲈⲢϢⲐⲞⲢⲦⲈⲢ ⲦⲈϤⲮⲨⲬⲎ ⲄⲀⲢ ⲚϦⲎⲦϤ.
11 Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain’ ny andro izy, dia lasa nandeha.
ⲓ̅ⲁ̅ⲈⲦⲀϤϢⲈ ⲆⲈ ⲈϨⲢⲎⲒ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀϤⲪⲰϢ ⲘⲠⲒⲰⲒⲔ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀϤϪⲈⲘϮⲠⲒ ⲀϤⲤⲰⲔ ⲘⲠⲒⲤⲀϪⲒ ϢⲀⲦⲈ ⲪⲞⲨⲰⲒⲚⲒ ⲒⲈⲂⲞⲖ ⲞⲨⲞϨ ⲠⲀⲒⲢⲎϮ ⲀϤⲒ ⲈⲂⲞⲖ.
12 Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly.
ⲓ̅ⲃ̅ⲀⲨⲒⲚⲒ ⲆⲈ ⲘⲠⲒⲀⲖⲞⲨ ⲈϤⲰⲚϦ ⲞⲨⲞϨ ⲀⲨϬⲒ ⲚⲞⲨⲘⲈⲦⲐⲀⲦϨⲎⲦ ⲚⲞⲨⲔⲞⲨϪⲒ ⲀⲚ.
13 Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an’ i Paoly, satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety izy.
ⲓ̅ⲅ̅ⲀⲚⲞⲚ ⲆⲈ ⲀⲚⲀⲖⲎⲒ ⲚϢⲞⲢⲠ ⲈⲠⲒϪⲞⲒ ⲀⲚⲒ ⲈϨⲢⲎⲒ ⲈⲀⲤⲤⲞⲤ ⲈⲚⲐⲰϢ ⲈⲦⲀⲖⲈ ⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲘⲠⲒⲘⲀ ⲈⲦⲈⲘⲘⲀⲨ ⲚⲈⲀϤϨⲞⲚϨⲈⲚ ⲄⲀⲢ ⲈⲦⲞⲦⲈⲚ ⲘⲠⲀⲒⲢⲎϮ ⲈϤⲚⲀⲘⲞϢⲒ ⲚⲢⲀⲦϤ.
14 Ary rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay.
ⲓ̅ⲇ̅ⲈⲦⲀϤϮⲘⲀϮ ⲆⲈ ⲈⲢⲞⲚ ϦⲈⲚⲀⲤⲤⲞⲤ ⲀⲚⲦⲀⲖⲞϤ ⲀⲚⲒ ⲈⲘⲒⲖⲒⲦⲒⲚⲎ.
15 Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin’ i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka tonga tany Mileto izahay nony ampitson’ iny.
ⲓ̅ⲉ̅ⲠⲈϤⲢⲀⲤϮ ⲆⲈ ⲀⲚⲈⲢϨⲰⲦ ⲈⲂⲞⲖ ⲘⲘⲀⲨ ⲀⲚϮⲘⲀϮ ⲘⲠⲈⲘⲐⲞ ⲚⲬⲒⲞⲤ ⲚϨⲀⲚⲀⲢⲞⲨϨⲒ ⲆⲈ ⲀⲚⲒ ⲈⲤⲀⲘⲞⲤ ⲘⲈⲚⲈⲚⲤⲰϤ ⲀⲚⲒ ⲈⲘⲒⲖⲎⲦⲞⲤ.
16 Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.
ⲓ̅ⲋ̅ⲚⲈ ⲀϤⲐⲰϢ ⲄⲀⲢ ⲚϪⲈⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲈⲈⲢϨⲰⲦ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲈⲚ ⲈⲪⲈⲤⲞⲤ ϨⲞⲠⲰⲤ ϪⲈ ⲚⲚⲈϤⲰⲤⲔ ϦⲈⲚϮⲀⲤⲒⲀ ⲚⲀϤⲒⲎⲤⲞⲨⲤ ⲄⲀⲢ ⲠⲈ ϨⲒⲚⲀ ⲒⲤϪⲈ ⲞⲨⲞⲚ ϢϪⲞⲘ ⲚⲦⲈϤⲈⲢ ⲠⲈϨⲞⲞⲨ ⲚϮⲠⲈⲚⲦⲎ ⲔⲞⲤⲦⲎ ϦⲈⲚⲒⲈⲢⲞⲤⲀⲖⲎⲘ.
17 Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon’ ny fiangonana hankeo aminy.
ⲓ̅ⲍ̅ⲈⲂⲞⲖ ⲆⲈ ϦⲈⲚⲘⲒⲖⲎⲦⲞⲤ ⲀϤⲞⲨⲰⲢⲠ ⲈⲈⲪⲈⲤⲞⲤ ⲀϤⲘⲞⲨϮ ⲈⲚⲒⲠⲢⲈⲤⲂⲨⲦⲈⲢⲞⲤ ⲚⲦⲈϮⲈⲔⲔⲖⲎⲤⲒⲀ.
18 Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin’ ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin’ izany andro rehetra izany,
ⲓ̅ⲏ̅ⲈⲦⲀⲨⲒ ⲆⲈ ϢⲀⲢⲞϤ ⲠⲈϪⲀϤ ⲚⲰⲞⲨ ϪⲈ ⲚⲐⲰⲦⲈⲚ ⲦⲈⲦⲈⲚⲤⲰⲞⲨⲚ ϪⲈ ⲒⲤϪⲈⲚ ⲠⲒⲈϨⲞⲞⲨ ⲚϨⲞⲨⲒⲦ ⲈⲦⲀⲒⲒ ⲈϮⲀⲤⲒⲀ ϪⲈ ⲀⲒϢⲰⲠⲒ ⲚⲈⲘⲰⲦⲈⲚ ⲚⲀϢ ⲚⲢⲎϮ ⲘⲠⲀⲒⲤⲎⲞⲨ ⲦⲎⲢϤ.
19 dia ny nanompoako ny Tompo tamin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin’ ny fanotrehan’ ny Jiosy,
ⲓ̅ⲑ̅ⲈⲒⲞⲒ ⲘⲂⲰⲔ ⲘⲠϬⲞⲒⲤ ϦⲈⲚⲐⲈⲂⲒⲞ ⲚϨⲎⲦ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲚⲈⲘ ϨⲀⲚⲈⲢⲘⲰⲞⲨⲒ ⲚⲈⲘ ⲚⲒⲠⲒⲢⲀⲤⲘⲞⲤ ⲈⲦⲀⲨⲒ ⲈϨⲢⲎⲒ ⲈϪⲰⲒ ϦⲈⲚⲚⲒⲤⲞϬⲚⲒ ⲈⲦϨⲰⲞⲨ ⲚⲦⲈⲚⲒⲒⲞⲨⲆⲀⲒ.
20 ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ ny olona ary tao amin’ ny isan-trano;
ⲕ̅ⲘⲪⲢⲎϮ ⲈⲦⲈⲘⲠⲒϨⲈⲠ ϨⲖⲒ ϦⲈⲚⲚⲎ ⲈⲦⲈⲢⲚⲞϤⲢⲒ ⲚⲞⲨϢⲈⲚ ⲦⲀⲘⲰⲦⲈⲚ ⲈⲢⲰⲞⲨ ⲚⲈⲘ ⲈϮⲤⲂⲰ ⲚⲰⲦⲈⲚ.
21 ary nambarako tamin’ ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
ⲕ̅ⲁ̅ⲈⲒⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ⲚⲆⲎⲘⲞⲤⲒⲀ ⲚⲈⲘ ⲔⲀⲦⲀ ⲎⲒ ⲚⲚⲒⲒⲞⲨⲆⲀⲒ ⲚⲈⲘ ⲚⲒⲞⲨⲈⲒⲚⲒⲚ ⲚϮⲘⲈⲦⲀⲚⲞⲒⲀ ⲚⲦⲈⲪⲚⲞⲨϮ ⲚⲈⲘ ⲠⲒⲚⲀϨϮ ⲈⲠⲈⲚϬⲞⲒⲤ ⲒⲎⲤⲞⲨⲤ ⲠⲬⲢⲒⲤⲦⲞⲤ.
22 Ary ankehitriny, indro, terỳ am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any,
ⲕ̅ⲃ̅ⲞⲨⲞϨ ϮⲚⲞⲨ ϨⲎⲠⲠⲈ ⲀⲚⲞⲔ ⲈⲒⲤⲞⲚϨ ϦⲈⲚⲠⲒⲠⲚⲈⲨⲘⲀϮⲚⲀϢⲈ ⲚⲎⲒ ⲈⲒⲈⲢⲞⲤⲀⲖⲎⲘ ϮⲤⲰⲞⲨⲚ ⲀⲚ ⲘⲠⲈⲐⲚⲀⲒ ⲈϦⲞⲨⲚ ⲈϨⲢⲀⲒ ⲚϦⲎⲦⲤ.
23 afa-tsy izay ambaran’ ny Fanahy Masìna amiko amin’ ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy.
ⲕ̅ⲅ̅ⲠⲖⲎⲚ ⲠⲒⲠⲚⲈⲨⲘⲀⲈⲐⲞⲨⲀⲂ ϤⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ⲚⲎⲒ ⲔⲀⲦⲀ ⲠⲞⲖⲒⲤ ⲈϤϪⲰ ⲘⲘⲞⲤ ϪⲈ ⲤⲈⲞϨⲒ ⲚⲀⲔ ⲚϪⲈϨⲀⲚⲤⲚⲀⲨϨ ⲚⲈⲘ ϨⲀⲚⲐⲖⲨⲮⲒⲤ.
24 Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.
ⲕ̅ⲇ̅ⲀⲖⲖⲀ ⲦⲀⲮⲨⲬⲎ ϮⲬⲰ ⲘⲘⲞⲤ ⲀⲚ ϪⲈ ⲤⲦⲀⲒⲎⲞⲨⲦ ⲚⲦⲞⲦ ϦⲈⲚϨⲖⲒ ⲚⲤⲀϪⲒ ϢⲀ ϮϪⲰⲔ ⲘⲠⲀⲆⲢⲞⲘⲞⲤ ⲈⲂⲞⲖ ⲚⲈⲘ ϮⲆⲒⲀⲔⲞⲚⲒⲀ ⲐⲎ ⲈⲦⲀⲒϬⲒⲦⲤ ⲚⲦⲈⲚ ⲠϬⲞⲒⲤ ⲒⲎⲤⲞⲨⲤ ⲈⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ⲘⲠⲒⲈⲨⲀⲄⲄⲈⲖⲒⲞⲚ ⲚⲦⲈⲠⲒϨⲘⲞⲦ ⲚⲦⲈⲪⲚⲞⲨϮ.
25 Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana.
ⲕ̅ⲉ̅ⲞⲨⲞϨ ϮⲚⲞⲨ ϨⲎⲠⲠⲈ ⲀⲚⲞⲔ ϮⲈⲘⲒ ϪⲈ ⲦⲈⲦⲈⲚⲚⲀⲨ ⲈⲠⲀϨⲞ ⲀⲚ ϪⲈ ⲚⲐⲰⲦⲈⲚ ⲦⲎⲢⲞⲨ ⲚⲎ ⲈⲦⲀⲒⲤⲒⲚⲒ ⲚϦⲎⲦⲞⲨ ⲈⲒϨⲒⲰⲒϢ ⲚϮⲘⲈⲦⲞⲨⲢⲞ ⲚⲦⲈⲪⲚⲞⲨϮ.
26 Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin’ ny ranareo rehetra aho.
ⲕ̅ⲋ̅ⲈⲐⲂⲈⲪⲀⲒ ϮⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ⲚⲰⲦⲈⲚ ϦⲈⲚⲠⲀⲒⲈϨⲞⲞⲨ ⲚⲦⲈⲪⲞⲞⲨ ϪⲈ ϮⲞⲨⲀⲂ ⲀⲚⲞⲔ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲀ ⲠⲈⲦⲈⲚⲤⲚⲞϤ ⲦⲎⲢⲞⲨ.
27 Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr’ Andriamanitra.
ⲕ̅ⲍ̅ⲞⲨ ⲄⲀⲢ ⲘⲠⲒϨⲞⲠⲦ ⲈϢⲦⲈⲘⲦⲀⲘⲰⲦⲈⲚ ⲈⲪⲞⲨⲰϢ ⲦⲎⲢϤ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ.
28 Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ ny Fanahy Masìna anareo ho mpitandrina’, hiandrasanareo ny fiangonan Andriamanitra, izay novidiny tamin’ ny ràny.
ⲕ̅ⲏ̅ⲘⲀϨⲐⲎⲦⲈⲚ ⲈⲢⲰⲦⲈⲚ ⲚⲈⲘ ⲠⲒⲞϨⲒ ⲦⲎⲢϤ ⲈⲦⲀ ⲠⲒⲠⲚⲈⲨⲘⲀⲈⲐⲞⲨⲀⲂ ⲬⲀ ⲐⲎⲚⲞⲨ ⲚⲈⲠⲒⲤⲔⲞⲠⲞⲤ ⲚϦⲎⲦϤ ⲈⲀⲘⲞⲚⲒ ⲚϮⲈⲔⲔⲖⲎⲤⲒⲀ ⲚⲦⲈⲠϬⲞⲒⲤ ⲐⲎ ⲈⲦⲀϤϪⲪⲞⲤ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲈⲚ ⲠⲈϤⲤⲚⲞϤ ⲘⲘⲒⲚ ⲘⲘⲞϤ.
29 Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry.
ⲕ̅ⲑ̅ⲀⲚⲞⲔ ⲆⲈ ϮⲈⲘⲒ ϪⲈ ⲘⲈⲚⲈⲚⲤⲀ ⲐⲢⲒϢⲈ ⲚⲎⲒ ⲤⲈⲚⲀⲒ ⲈϦⲞⲨⲚ ⲈⲢⲰⲦⲈⲚ ⲚϪⲈϨⲀⲚⲞⲨⲰⲚϢ ⲈⲨϨⲞⲢϢ ⲚⲤⲈⲚⲀϮⲀⲤⲞ ⲀⲚ ⲈⲠⲒⲞϨⲒ.
30 Ary avy aminareo no hiposahan’ ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
ⲗ̅ⲞⲨⲞϨ ⲤⲈⲚⲀⲦⲰⲞⲨⲚ ⲚϪⲈϨⲀⲚⲢⲰⲘⲒ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲐⲎⲚⲞⲨ ⲈⲨϪⲰ ⲚϨⲀⲚⲤⲀϪⲒ ⲈⲨⲪⲰⲚϨ ⲈⲐⲢⲞⲨⲤⲰⲔ ⲚⲚⲒⲘⲀⲐⲎⲦⲎⲤ ⲤⲀⲘⲈⲚϨⲎⲞⲨ.
31 Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman’ alina tamin’ ny ranomaso.
ⲗ̅ⲁ̅ⲈⲐⲂⲈⲪⲀⲒ ⲞⲨⲚ ⲢⲰⲒⲤ ⲈⲢⲰⲦⲈⲚ ⲈⲢⲈⲦⲈⲚⲒⲢⲒ ⲘⲪⲘⲈⲨⲒ ϪⲈ ⲀⲒⲈⲢ ⲄϮ ⲚⲢⲞⲘⲠⲒ ⲘⲠⲒⲬⲀⲦⲞⲦ ⲈⲂⲞⲖ ⲘⲠⲒⲈϨⲞⲞⲨ ⲚⲈⲘ ⲠⲒⲈϪⲰⲢϨ ⲈⲒϮⲤⲂⲰ ⲘⲪⲞⲨⲀⲒ ⲪⲞⲨⲀⲒ ⲘⲘⲰⲦⲈⲚ ϦⲈⲚϨⲀⲚⲈⲢⲘⲰⲞⲨⲒ.
32 Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin’ izay rehetra nohamasinina.
ⲗ̅ⲃ̅ⲞⲨⲞϨ ϮⲚⲞⲨ ϮⲬⲰ ⲘⲘⲰⲦⲈⲚ ϦⲀⲦⲈⲚ ⲠϬⲞⲒⲤ ⲚⲈⲘ ⲠⲤⲀϪⲒ ⲚⲦⲈⲠⲈϤϨⲘⲞⲦ ⲪⲎ ⲈⲦⲈ ⲞⲨⲞⲚ ϢϪⲞⲘ ⲘⲘⲞϤ ⲈⲐⲰϢ ⲞⲨⲞϨ ⲈϮⲔⲖⲎⲢⲞⲚⲞⲘⲒⲀ ϦⲈⲚⲚⲎ ⲈⲦⲀⲨⲦⲞⲨⲂⲰⲞⲨ ⲦⲎⲢⲞⲨ.
33 Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban’ olona aho.
ⲗ̅ⲅ̅ⲞⲨϨⲀⲦ ⲒⲈ ⲞⲨⲚⲞⲨⲂ ⲒⲈ ⲞⲨϨⲂⲰⲤ ⲘⲠⲒⲈⲢⲈⲠⲒⲐⲨⲘⲒⲚ ⲈⲞⲨⲞⲚ ⲘⲘⲰⲞⲨ.
34 Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay.
ⲗ̅ⲇ̅ⲚⲐⲰⲦⲈⲚ ⲦⲈⲦⲈⲚⲤⲰⲞⲨⲚ ϪⲈ ⲚⲀϪⲒϪ ⲚⲀⲒ ⲀⲨϢⲈⲘϢⲒ ⲚⲦⲀⲬⲢⲒⲀ ⲚⲈⲘ ⲚⲎ ⲈⲐⲚⲈⲘⲎⲒ.
35 Efa nasehoko anareo tamin’ ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’ i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
ⲗ̅ⲉ̅ⲀⲒⲦⲀⲘⲰⲦⲈⲚ ⲈϨⲰⲂ ⲚⲒⲂⲈⲚ ϪⲈ ⲤϢⲈ ⲚϦⲞⲤⲒ ⲘⲠⲀⲒⲢⲎϮ ⲚⲦⲈⲚϮⲦⲞⲦⲞⲨ ⲚⲚⲎ ⲈⲦϢⲰⲚⲒ ⲚⲦⲈⲦⲈⲚⲈⲢⲪⲘⲈⲨⲒ ⲚⲚⲒⲤⲀϪⲒ ⲚⲦⲈⲠϬⲞⲒⲤ ⲒⲎⲤⲞⲨⲤ ϪⲈ ⲚⲐⲞϤ ⲀϤϪⲞⲤ ϪⲈ ⲞⲨⲘⲈⲦⲘⲀⲔⲀⲢⲒⲞⲤ ⲦⲈ ⲘⲀⲖⲖⲞⲚ ⲈϮ ⲈϨⲞⲦⲈ ⲈϬⲒ.
36 Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin’ izy rehetra.
ⲗ̅ⲋ̅ⲞⲨⲞϨ ⲚⲀⲒ ⲈⲦⲀϤϪⲞⲦⲞⲨ ⲀϤϨⲒⲦϤ ⲈϪⲈⲚ ⲚⲈϤⲔⲈⲖⲒ ⲚⲈⲘⲰⲞⲨ ⲦⲎⲢⲞⲨ ⲀⲨⲈⲢⲠⲢⲞⲤⲈⲨⲬ ⲈⲤⲐⲈ.
37 Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon’ i Paoly ka nanoroka azy,
ⲗ̅ⲍ̅ⲀϤϢⲰⲠⲒ ⲆⲈ ⲚϪⲈⲞⲨⲚⲒϢϮ ⲚⲢⲒⲘⲒ ⲚⲦⲰⲞⲨ ⲦⲎⲢⲞⲨ ⲞⲨⲞϨ ⲀⲨϨⲒⲦⲞⲨ ⲈϦⲢⲎⲒ ⲈϪⲈⲚ ⲐⲚⲀϨⲂⲒ ⲘⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲞⲨⲞϨ ⲀⲨϮⲪⲒ ⲈⲢⲰϤ
38 sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy.
ⲗ̅ⲏ̅ⲈⲨⲞⲒ ⲚⲘⲔⲀϨ ⲚϨⲎⲦ ⲘⲀⲖⲒⲤⲦⲀ ⲈⲐⲂⲈ ⲠⲒⲤⲀϪⲒ ⲈⲦⲀϤϪⲞϤ ϪⲈ ⲤⲈⲚⲀⲚⲀⲨ ⲈⲠⲀϨⲞ ⲀⲚ ϪⲈ ⲚⲀⲨⲦⲪⲞ ⲆⲈ ⲘⲘⲞϤ ⲈϪⲈⲚ ⲠⲒϪⲞⲒ.

< Asan'ny Apostoly 20 >